Lesona 12: Avy any atsimo sy avaratra ka tonga any amin’ny tany mahafinaritra

Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 11:1-14; Dan. 8:3-8, 20-22; Isa. 46:9,10; Dan. 11:16-39; Dan.11:40-45. 

Tsianjery: "Ary hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambara-pahatongan'ny andro farany, fa mbola ho amin'ny fotoana ihany izany" - Dan. 11:35.

Tsy mora ny mahatakatra ny Dan. 11. Noho izany, ilaintsika ny mahafantatra zavatra vitsivitsy dieny ety am-piandohana, dia ho takatsika kokoa io toko io : 

Voalohany, mirakitra hafatra mitovy amin'izay efa hitantsika tao amin'ny Dan. 2; 7; 8 ary 9 ny Dan. 11. Nanomboka tamin'ny andron'i Daniela ary mitohy hatramin'ny andro farany ny hafatra ara-paminaniana ao amin'ireo toko rehetra ireo.

Faharoa, mahita fanjakana samy hafa nifandimby niakatra teo amin'ny fahefana isika, fanjakana izay matetika no nampahory ny vahoakan'Andriamanitra.

Fahatelo, samy maneho fiafarana mahafinaritra ny toko tsirairay. Ao amin'ny Dan. 2 dia torotoroin'ny vato ilay sariolona; ao amin'ny Dan. 7, dia mahazo ny fanjakana ilay Zanak'olona; ary ao amin'ny Dan. 8 sy 9, dia diovina amin'ny alalan'ny asan'i Mesia ny fitoerana masina any an-danitra. Misy fizarana telo lehibe ny Dan. 11:

Voalohany, manomboka amin'ireo mpanjaka persianina izany, ka miresaka momba izay hiafaran'izy ireo. Rehefa izay dia miresaka momba ny andro farany io toko io, rehefa hanafika ny tendrombohitra masin'Andriamanitra ny mpanjakan'ny avaratra.

Faharoa, sorintsoritana ao fa hiady imbetsaka ny mpanjakan'ny avaratra sy ny mpanjakan'ny atsimo. Asehon'ny Dan. 11 koa ny fiantraikan'ireo ady ireo teo amin'ny vahoakan'Andriamanitra.

Fahatelo, maneho fiafarana mahafinaritra ny Dan. 11: hofongoran'ny tendrombohitra masin'Andriamanitra ny mpanjakan'ny avaratra. Hitantsika eto fa mifarana mandrakizay ny ratsy, ka hanorina ny fanjakany mandrakizay Andriamanitra.

Vakio ny Dan. 11:1-4. lnona no mitranga ao amin'ireo andininy ireo, izay mampahatsiahy antsika ireo faminaniana tao amin'ny bokin'i Daniela efa nianarantsika hatreto? 

Nilaza tamin'i Daniela ny anjely Gabriela fa mbola hisy mpanjaka anankitelo hitsangana avy ao Persia. Hisy mpanjaka fahefatra hitsangana aorian'ireo, ary izy io no ho mpanjaka manan-karena indrindra ao Persia. Hampahatezitra ny Grika io mpanjaka io. Asehon'ny tantara fa taorian'ny mpanjaka Kirosy, dia nisy mpanjaka anankitelo hafa niakatra teo amin'ny fanapahana tao Persia: i Kambiza (530-522 TlK), Smerdisy sandoka (522 TlK), ary Dariosa Voalohany (522-486 TlK). Ksersesy no mpanjaka fahefatra, izay antsoina hoe Ahasoerosy ao amin'ny bokin'i Estera. Tena nanan-karena izy io (Est. 1:1-7) no sady natanjaka. Nanambatra tafika iray lehibe mba hanafika an'i Grisia izy, araka izay voalazan'ny faminaniana. Ary betsaka lavitra noho ny tafika grika io tafiny io. Na dia teo aza anefa ny tanjany, dia voatosiky ny miaramila grika, izay vitsy an'isa kokoa, nivoaka ny firenen'izy ireo Ksersesy.

Rehefa izay dia voalaza ao amin'ny Dan.11:3 fa hisy mpanjaka grika matanjaka iray hitsangana. Tsy sarotra ny mahita fa i Aleksandra Lehibe io mpanjaka io. Lasa mpanapaka ny tontolo fahagola rehetra izy. Maty anefa izy raha mbola vao teo amin'ny faharoa amby telopolon-taonany, nefa tsy namela mpandova mba hifehy ny fanjakany. Koa nozarain'ireo jeneraliny anankiefatra ny fanjakany. Samy naka ampahany iray tamin'izany izy ireo: i Seleueos no naka an'i Siria sy Mezopotamia; i Ptolemee no naka an'i Egipta; i Lysimaque no naka an'i Thrace sy ny ampahany sasany tamin'i Azia Minora, na i Torkia amin'izao fotoana izao; ary i Cassandre no naka an'i Makedonia sy i Grisia.

Ampitahao ny Dan. 11:2-4 sy ny Dan. 8:3-8,20-22. Ahoana no ahafantarantsika fa i Aleksandra no mpanjaka resahin'ireo andininy ireo?

Inona no azontsika ianarana avy amin'ireo anarana, daty, toerana, ary trangan-javatra teo amin'ny tantara ao amin'ireo andininy ireo? Voalohany, haintsika avy amin'izany fa tanteraka araka izay nolazain'ny anjely ilay faminaniana. Tsy mety diso na oviana na oviana ny Tenin'Andriamanitra. Faharoa, Andriamanitra no Tompon'ny tantara: mifehy ny zavatra rehetra mitranga Izy. Koa azontsika atao ny matoky fa hamongotra mandrakizay ny ratsy Izy, ary hampiorina ny fanjakany mandrakizay. 

Vakio ny Dan. 11:5-14. Inona no mitranga eto?

Maty i Aleksandra Lehibe, ka nozaraina teo amin'ireo jeneraliny anankiefatra ilay ampira grika midadasika. Naka ampahany iray tamin'ny ampira ny jeneraly tsirairay. I Seleucos tany Siria (avaratra) sy i Ptolemee tany Egipta (atsimo) no roa tamin'ireo mpanjaka ireo. Niady mba hifehy ny tany anefa ny taranak'ireo mpanjaka anankiroa ireo, 

Miresaka momba ny ady eo amin'ny mpanjakan'ny avaratra sy ny mpanjakan'ny atsimo ny Dan. 11:5-14. Mino ny ankamaroan'ny mpianatra Baiboly fa ireo ady maro teo amin'ny taranak'i Seleucos sy ny taranak'i Ptolemee no asehon'ireo ady ireo. Araka ny voalazan'ny faminaniana ao amin'ny Dan. 11, dia hisy fiezahana hampikambana ireo taranaka anankiroa ireo amin'ny alalan'ny fanambadian'ny zanakavavin'ny mpanjakan'ny atsimo amin'ny mpanjakan'ny avaratra. Tsy haharitra anefa izany fanekena izany (Dan. 11:6). Mampahafantatra antsika ny tantara fa nampiakarin'i Theos Antiochos Faharoa (261-246 UK) ho vadiny i Berenice. Zafikelin'i Seleucos Voalohany i Theos Antiochos Faharoa; i Berenice kosa dia zanakavavin'i Filadelfia Ptolemee Faharoa. Tsy nitondra fihavanana nandritra ny fotoana lava anefa ny fanambadian'izy ireo. Koa tsy ela dia nanomboka niady indray ireo fanjakana anankiroa ireo, ary nisy fiantraikany teo amin'ny vahoakan'Andriarnanitra ireo ady maro nifanaovan'izy ireo.

Nahoana Andriamanitra no naneho mialoha ireo tsipiriany rehetra momba ireo fanjakana sy ny ady ifanaovany ireo? Tsotra ny antony: hisy fiantraikany eo amin'ny vahoakan'Andriamanitra ireo ady ireo. Koa ambaran'ny Tompo mialoha ireo fihaikana maro hatrehin'ny olona mandritra ireo taona ho avy. Tsarovy anefa fa Andriamanitra no mifehy ny tantara. Rehefa mampitaha ireo faminaniana ara-Baiboly sy ny zavatra nitranga teo amin'ny tantara isika, dia ho hitantsika fa mitranga araka izay nolazain'Andriamanitra mihitsy ny zava-drehetra. Maneho zavatra manan-danja momba an'Andriamanitra fantany ny hoavy. Koa mendrika ny fatokiantsika sy ny finoantsika Izy. Andriamanitra lehibe ny Andriamanitsika, fa tsy sariolona sandoka noforonin'ny eritreritr'olombelona. Tsy hoe mitarika ny fizotry ny tantara fotsiny Izy, fa afaka mitarika koa ny fiainantsika raha toa ka havelantsika hanao izany.

Vakio ny Isa. 46:9,10. Inona no fahamarinana ampianarin'ireo andininy ireo antsika? Inona ny fanantenana azontsika raisina avy amin'izany? Tena hampatahotra ny and. 10 raha toa ka tsy malemy fanahy sy be fitlavana Andriamanitra, fa mpamaly faty sy ratsy fanahy, sa tsy izany? 

Vakio ny Dan. 11:16-28. Sarotra takarina tokoa io andalan-teny io. Inona anefa ireo sary an'ohatra hitanao ao, izay hita koa any amin'ny toko hafa ao amin'ny Daniela? 

Ao amin'ny Dan. 11:16 isika dia mahita fiovam-pahefana avy amin'ny mpanjaka grika ho amin'ny fanjakana romanina. Tamin'ny voalohany dia nanehoana Grisia ny teny hoe "mpanjakan'ny avaratra", fa izao kosa dia entina hanehoana an'i Rôma izany: "Fa izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony, ka tsy hisy hahajanona eo anatrehany; ary izy hijanona ao amin'ny tany mahafinaritra, ary hisy fandringanana eny an-tanany". I Jerosalema io tany mahafinaritra io, faritra izay nonenan'ny Isiraely fahiny. Ny fanjakana romanina kosa no fahefana vaovao izay mifehy io faritra io. Mahita io trangan-javatra io koa isika ao amin'ny Dan. 8, rehefa mampivelatra ny fanapahany ilay tandroka kely, ka itariny hatrany Jerosalema ny fanjakany (Dan. 8:9). Koa hita mazava tsara fa ny fanjakana rômanina no fahefana nifehy izao tontolo izao tamin'io fotoana io. 

Manome fanazavana fanampiny izay manamafy io fomba fijery io ny Dan. 11. Voalaza ao ny zavatra izay hataon'ny iray amin'ireo mpanjakan'ny avaratra manaraka, na ny fanjakana rômanina: "Ary hitsangana handirnby azy ny olona iray izay handefa mpitaky hetra eran'ilay fanjakana be voninahitra" - Dan. 11:20 (DIEM). Tsy isalasalana fa tsy maintsy i Aogosto Kaisara no tondroin'io andininy io. Nandritra ny fanapahany tokoa mantsy no nahaterahan'i Jesôsy, raha nankany Betlehema mba hanao ny fanoratana ny anaran'izy ireo i Maria sy i Josefa. Araka ny voalazan'ny faminaniana koa, dia hodimbiasan'ny "olona famingavinga" - Dan. 11:21, i Aogosto. Araka ny asehon'ny tantara, dia i Tiberiasy no nandimby an'i Aogosto teo amin'ny fitarihana ny fanjakana rômanina. Zanaka natsangan'i Aogosto io Tiberiasy io, ka lehilahy mpametsifetsy sy ratsy fanahy no nahafantarana azy. Ambonin'izany rehetra izany, dia asehon'ny Dan. 11 fa mandritra ny fanapahan'i Tiberiasy no hahatorotoro ilay "andriana vita fanekena"- Dan. 11:22. Manondro mazava tsara ny, fanomboana an'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana izany, i Kristy izay antsoina koa hoe: "Mesia Andriana" - Dan. 9:25; (vakio koa ny Mat. 27:33-50). Nandritra ny fanapahan'i Tiberiasy tokoa mantsy no namonoana an'i Jesôsy. Manome porofo matanjaka tokoa io andininy momba Jesôsy io fa mahafantatra ny hoavy Andriamanitra.

Vakio ny Dan. 11:29-39. Araka izay asehon'ireo andininy Ny fifehezan-tena ireo, inona io fahefana mipoilra aorian'ny fanjakana rômanina io? 

Maneho rafi-pahefana vaovao ny Dan. 11:29-39. Ampahany amin'ny fanjakana rômanina ihany izany, ka manao ny sasany amin'ireo zavatra nataon'ny fanjakana romanina. Toa hafa amin'ny lafiny sasany ihany koa anefa io fahefana io. Hoy ny Baiboly: "nefa ny farany tsy ho toy ny voalohany" - Dan. 11:29. Raha mbola mandinika misimisy kokoa isika, dia ho hitantsika koa fa mitondra tena tahaka ny fahefana ara-pivavahana io fahefana vaovao io. Amin'Andriamanitra sy amin'ny olony tokoa mantsy no tena iantefan'ny  famelezana ataony. Andeha isika hijery ny sasany amin'ireo zavatra ataon'io fahefana vaovao io:
Voalohany, "hisafoaka amin'ny fanekena masina" io fahefana io (Dan. 11:30). Drafitra ho famonjen'Andriamanitra antsika io fanekena io. Toherin'io fahefana vaovao io izany.

Faharoa, haniraka miaramila izay "handoto ny fitoerana masina" sy "hampitsahatra ny fanatitra isanandro" koa io fahefana vaovao io (Dan. 8:31). Hitantsika tao amin'ny Dan. 8 fa nanaisotra. "ny fanatitra isan'andro" sy nandrava "ny fitoerana masina" ilay tandroka kely (Dan. 8:11). Koa hanao famelezana ara-panahy ny asan'i Kristy any amin'ny fitoerana masina any an-danitra io fahefana vaovao io.

Fahatelo, vokatry ny famelezany ny asan'i Kristy any an-danitra, dia "hampiditra ny fahavetavetana mahatonga fandravana" ao amin'ny tempolin'Andriamanitra io fahefana io (Dan. 11:31). Maneho fikomiana sy fiodinana amin'Andriamanitra io fihetsiny io, tahaka izay ataon'ilay tandroka kely ao amin'ny Dan. 8:13 ihany.

Fahefatra, manenjika ny vahoakan'Andriamanitra io fahefana io: hisy ho lavo koa ny manan-tsaina, mba hizahan-toetra sy hanadiovana ary hamotsiana azy ambarapahatongan'ny andro farany - Dan. 11:35. Mampahatsiahy antsika izay ataon'ilay tandroka kely ao amin'ny Dan. 8:10 izany ( jereo koa ny Dan. 7:25), izay nampianjera ho amin'ny tany ireo marobe sy ny kintana, dia nohitsakitsahiny rehefa avy eo. Tsarovy fa tsy anehoana ny vahoakan'Andriamanitra ny kintana. Koa aseho eto fa hanenjika sy hamono ny vahoakan'Andriamanitra ilay tandroka kely.

Fahadimy, io fahefana vaovao io dia "hanandra-tena ho ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana" - Dan. 11:36. Tsy mahagaga izany satria ilay tandroka kely koa dia "miteny zavatra mihoa-pampana" - Dan, 7:8, eny fa na amin'Andriamanitra aza (Dan. 7:25) .

 

lnona no mitranga ao amin'ny  Dan. 11:40-45? Andeha isika hijery ny sasany amin'ireo teny ao amin'ireo andininy ireo, izay hanarnpy antsika hahazo kokoa izay tian'ireo andininy ireo hambara:

Faran'ny andro (Dan. 11:40). Ao amin'ny Daniela ihany no ahitana ny teny hoe "faran'ny andro" (Dan, 8:17; Dan. 11:35,40; Dan. 12:4,9). Asehon'ny bokin'i Daniela fa ny faran'ny andro dia nanomboka tamin'ny 1798 ary mifarana amin'ny fitsanganana amin'ny maty (Dan. 12:2).
Ny mpanjakan'ny avaratra (Dan. 11:40). Maneho ireo fahefana samy hafa tamin'ny vanim-potoana samy hafa teo amin'ny tantara io anarana io. Tamin'ny voalohany dia nanoritana ny taranak'i Warms izay nifehy ny ampahany iray tamin'ny fanjakan'i Aleksandra izany. Taty aoriana anefa dia naneho ny fiangonana Katolika. Rômanina izany. Noho izany, tsy maneho toerana izany, fa maneho ny fahavalo ara-panahin'ny vahoakan'Andriamanitra. Ankoatra izay, sary an'ohatra anehoana ny herin'Andriamanitra koa ny avaratra (Isa. 14:13). Noho izany, ny hoe mpanjakan'ny avaratra dia maneho fa miezaka maka ny toeran'ilay Andriamaintra marina io mpanjaka io,

Ny mpanjakan'ny atsimo (Dan. 11:40). Tamin'ny voalohany io anarana io dia nanoritana ny taranak'i Ptolemee tany Egipta, izay any atsimon'ny Tanana Masina. Taty aoriana anefa dia lasa sary an'ohatra anehoana ireo olona tsy mino an'Andriamanitra izy io. Raha nanazava izay voalaza momba an'i Egipta ao amin'ny Apôk. 11:8 i Ellen G. White, dia niteny hoe: 'Tsy finoana ny fisian'Andriamanitra izany"- HM, t. 279.

Ilay tendrombohifra masina mahafinaritra (Dan, 11:45). Ao amin'ny TT io teny io dia maneho an'i Ziona, izay anarana hafa niantsoana ny renivohitry ny Isiraely, ary marina tao amin'ny Tanana Nampanantenaina. Taorian'ny hazo fijaliana, dia tsy voafaritry ny foko sy ny fiaviana intsony ny zanak'Andriamanitra, fa tafiditra ao daholo na Jiosy na Jentilisa. Noho izany, maneho ny vahoakan'Andriamanitra miely manerana izao tontolo izao ny hoe tendrombohitra masina mahafinaritra.

Koa azontsika hazavaina tahaka izao manaraka izao ny trangan-javatra rehetra:

(1) Namely ny mpanjakan'ny avaratra ny mpanjakan'ny atsimo. Anehoana ny tolo-piavotana frantsay io ady io. Niezaka namongotra ny fivavahana sy ny fiangonana Katolika Romanina ny tolo-piavotana frantsay saingy tsy nahomby.
(2) Niady tamin'ny mpanjakan'ny atsimo ary nandresy azy ny mpanjakan'ny avaratra. Asehon'izany fa handresy ny herin'ny tsy finoana an'Andriarnanitra ny tafiky ny fiangonana Katolika Rômanina sy ny mpiara-dia aminy. Rehefa izay dia hikambana amin'ilay fahavalo resy indray izy ireo.
(3) Ho afa-mandositra ny fahefan'i Rôma i Edema sy i Meaba ary ireo olon'i Amona. Entina anehoana ireo olona tsy isan'ny fiangonan'Andriamanitra izy ireo. Hikambana amin'ny vahoakan'Andriamanitra ihany anefa izy ireo amin'ny andro farany.
(4) Miomana ny hanafika ny tendrombohitra masina ny mpanjakan'ny avaratra, saingy tonga amin'ny fiafarany izy. Hofongoran'Andriamanitra ny mpanjakan'ny avaratra sy ny herin'ny ratsy rehetra, dia hampiorina ny fanjakany mandrakizay Izy. 

Mahaliana tokoa satria nino i Martin Luther fa naneho ny fiangonana Katolika Rômanina sy ny fampianarany ny "fahavetavetana mahatonga fandravana" ao amin'ny Dan. 11:31 . Koa hitantsika avy amin'io fomba fijerin'i Luther io fa misy fifandraisana mazava eo amin'ny Dan. 11 sy Dan. 7 ary Dan. 8. Samy mitantara ny asa sy ny fampianaran'ny fiangonana Katôlika Rômanina teo amin'ny tantara avokoa ireo toko rehetra ireo. Hoy i EGW: "Tsy nisy fiangonana tao amin'ny faritry ny fanapahan'i Rôma mba afaka nifaly naharitra tamin'ny fahafahany manaraka ny feon'ny fieritreretany. Raha vantany vao tafakatra ny fahefana papaly, dia naninjitra ny tanany mba hanapotika izay rehetra manda ny hanaiky ny fanjakany izy, koa nanao tohi-vakana ny fiangonana nilefitra teo ambanin'ny fahafahany" HM, t. 62 

Mahaliana tokoa satria nino i Martin Luther fa naneho ny fiangonana Katolika Rômanina sy ny fampianarany ny "fahavetavetana mahatonga fandravana" ao amin'ny Dan. 11:31 . Koa hitantsika avy amin'io fomba fijerin'i Luther io fa misy fifandraisana mazava eo amin'ny Dan. 11 sy Dan. 7 ary Dan. 8. Samy mitantara ny asa sy ny fampianaran'ny fiangonana Katôlika Rômanina teo amin'ny tantara avokoa ireo toko rehetra ireo. Hoy i EGW: "Tsy nisy fiangonana tao amin'ny faritry ny fanapahan'i Rôma mba afaka nifaly naharitra tamin'ny fahafahany manaraka ny feon'ny fieritreretany. Raha vantany vao tafakatra ny fahefana papaly, dia naninjitra ny tanany mba hanapotika izay rehetra manda ny hanaiky ny fanjakany izy, koa nanao tohi-vakana ny fiangonana nilefitra teo ambanin'ny fahafahany" HM, t. 62 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Tsy maintsy asehontsika amin'ny olona tsy mino ny fampianarantsika fa mihevitra ny fihetsehampony isika. Koa tokony haneho fahalemem-panahy amin'izy ireo mandrakariva isika rehefa mijoro ho vavolombelona aminy. Ahoana ary no ahafahantsika maneho amin'ny olona amin'ny fomba feno fitiavana ny fahamarinana momba ny anjara asan'ny fiangonana Katolika Rômanina amin'ny andro farany?

2. Hoy ny Dan. 11:33: "Ary izay hendry ao amin'ny olona dia hampianafra ny maro; nefa ho lavon'ny sabatra sy ny felato sy ny famaboana ary ny fandrobana elaela ihany izy". Inona no ambaran'io andininy io momba izay hanjo ny vahoakan'Andriamanitra sasany noho ny finoany? Inona no ataon'ny sasany amin'ireo olona mahatoky ireo mialoha ny hamonoana azy? Inona no hafatra ampitain'izany amintsika ankehitriny?

3. Hoy ny Dan. 11:36: "Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin'ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin'Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao". Iza ary inona no ampahatsiahivin'io andininy io antsika? (Vakio ny Isa. 14:12-17; vakio koa ny 2 Tes. 2:1-4).