Lesona 10´: Niaiky heloka ka nampaherezina

Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 9:1,2; Dan. 9:3-19; Dan. 9:24-27. 

Tsianjery: "Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin'ny anaranao" - Dan. 9:19.

Sabata hariva  

Mirakitra ny iray amin'ireo vavaka kanto indrindra ao amin'ny Baiboly ny Dan. 9. Nivavaka i Daniela tamin'ireo fotoan-tsarotra teo amin'ny fiainany, mba hahafahany miatrika tsara ireo olana mivelatra eo anoloany. Nivavaka i Daniela raha efa saika hamono azy sy ny namany ny mpanjaka Nebokadnezara satria tsy nisy afaka nanazava ny nofin'ny mpanjaka ireo olon-kendriny (Dan. 2). Taty aoriana dia namoaka didy ny mpanjaka Dariosa, izay nandrara ny fivavahana na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy amin'ny mpanjaka irery ihany. Mbola nivavaka indray i Daniela tamin'izay, ary nitodika tany Jerosalema ny tavany raha nivavaka izy (Dan. 6). Koa raha mandinika ny vavaka ao amin'ny Dan. 9 isika, dia aoka hotsaroantsika fa tsy afaka tao an-tsain'i Daniela ny fahitana momba ireo 2300 andro ao amin'ny Dan. 8. Takany tokoa mantsy ny ankamaroan'ny resaka manodidina ilay fahitana, saingy ny fotoana hanombohan'ilay faminaniana na hiafarany eo amin'ny tantara no tsy takany. "Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina" - Dan. 8:14. Ao amin'ny toko faha-9 ihany izy vao nomen'ny anjely tsipiriany misimisy kokoa momba ireo 2300 andro ireo. Ary tamin'ity indray mitoraka ity koa dia mbola ho valin'ny vavaka mafana nataony izany.

Vakio ny Dan. 9:1,2. Nilaza i Daniela to "nahalala tamin'ny boky" ny faminaniana izay nianarany fatratra izy. Tamin'io faminaniana io no nahalalany fa hisy zava-dehibe hitranga amin'ny vahoakany. lnona ny. boky riianaran'i Daniela teto ka nanampy azy?

Asehon'ny vavak'i Daniela fa nandinika tsara ireo bokin'i Mosesy sy ny mpaminany izy. Hitan'i Daniela tao amin'ny bokin'i Jeremia fa ho babo any Babilôna mandritra ny fitopolo taona ny vahoakan'Andriamanitra (vakio ny Jer. 25:11,12; Jer. 29:10). Koa takatr'i Daniela ny lanjan'ny vanim-potoana niainany.

Aoka hotsaroantsika fa tamin'ny taona 539 TlK no nanaovan'i Daniela ilay vavaka ao amin'ny Dan. 9. Tamin'io taona io no nandimbiasan'ny ampira persianina an'i Babilona amin'ny maha-fanjakana mpifehy ambony indrindra teto an-tany azy. Efa saika fitopolo taona izay no lasa hatramin'ny nandresen'i Nebôkadnezara an'i Jerosalema sy nandravany ny tempoly. Koa hiverina tsy ho ela intsony any an-tanindrazany ny vahoakan'Andriamanitra, araka ny faminanian'i Jeremia. Nino ny Tenin'Andriamanitra i Daniela ka fantany fa misy zavatra goavana hitranga tsy ho ela amin'ny vahoakany. Nino izy fa hifarana tsy ho ela ny fanaovana sesitany ny Jiosy any Babilana ka hiverenany any an-tanindrazany.

Takatr'i Daniela tamin'ny fianarana ny Soratra Masina teo am-pelatanany koa ny haratsian'ny fahotan'ny vahoakany. Nandika ny fanekena nataony tamin'Andriamanitra izy ireo, ary notapahiny ny fifandraisany tamin'Andriamanitra. Koa nofaizin'Andriamanitra tamin'ny fanaovana azy ireo sesitany tany Babilôna izy ireo (Lev. 26:14-45). Noho izany, avy tamin'ny fandinihan'i Daniela ny fanambaran'Andriamanitra no nahafantarany ny zavatra nitranga tamin'ny Isiraely. Izany koa no nanainga azy hivavaka mba hanampian'Andriamanitra ny olony.

Amin'izao andro farany amin'ny tantaran'ny tany izao, dia ilaintsika, mihoatra noho ny tamin'ny lasa rehetra, ny mianatra ny Tenin'Andriamanitra sy ny miaina araka izany. Ny Baiboly irery ihany no afaka manolotra antsika fanazavana marim-pototra momba izay mitranga eto an-tany sy ny antony. Tsarovy fa ny Soratra Masina no maneho amintsika ny tantara momba ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy, eo amin'Andriamanitra sy i Satana. Asehony koa fa ny famongoran 'Andriamanitra ny ratsy sy ny fampiorenany ny fanjakany mandrakizay no hamarana ny tantaran'ny olombelona. Arakaraka ny handinihantsika ny Soratra Masina no hahatakarantsika tsara kokoa ny zavatra mitranga manodidina antsika. Ho takatsika tsara kokoa ihany koa ny asa ampanaovin'Andriamanitra antsika eto an-tany. Ary arakaraka ny handinihantsika ny Soratra Masina koa no hampitombo ny fanantenantsika eo anivon'ny tontolo izay tsy manolotra fanantenana ho antsika.

Vakio ny vavak'i Daniela ao amin'ny Dan. 9:3-19. Mifototra amin'inona ny fangatahan'i Daniela famindrampo amin'Andriamanitra?

Andeha hijery teboka vitsivitsy manan-danja ao amin'io vavak'i Daniela io isika.

Voalohany, tsy nangataka fanazavana tamin'Andriamanitra momba ny anton'ny fahoriana nanjo ny Jiosy i Daniela satria fantany ny anton'izany. Koa ny votoatin'ny vavaka nataony dia ny fitantarany tamin'Andriamanitra ny anton'ny fahorian'izy ireo: "Tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitray, mba handeha araka ny lalàny izay nasainy napetraky ny mpaminany mpanompony teo anoloanay" - Dan. 9:10. Tadidio fa naniry ny hahatakatra zavatra iray i Daniela eo amin'ny fiafaran'ny Dan. 8, rehefa nilaza izy fa tsy azony ny fahitana momba ireo 2300 andro (vakio ny Dan. 8:27).

Faharoa, nivavaka i Daniela ho fangatahana ny famindrampo sy ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra ho an'ny olony, na dia nanota sy nanao ratsy aza izy ireo. Hitantsika ao amin'io vavaka io ny fanehoana mahery vaika ny filazantsara. Mpanota tokoa ny olona ka tsy misy zavatra tsara ao anatiny, no sady tsy afaka mamonjy ny tenany izy. Na izany aza, mitady fahasoavana izay tsy mendrika azy akory izy, ary mangataka famelan-keloka izay tsy tokony ho azy. Raha tsy noho io famindrarnpon'Andriarnanitra io mantsy dia tsy ho voavonjy isika.
Vakio ny Dan. 9:18,19. lnona koa no antony hafa omen'i Daniela ao amin'ireo andininy ireo tokony hamalian'Andriamanitra ny vavaka ataony?

Fahatelo, mangataka an'Andriamanitra i Daniela mba hanome voninahitra ny anarany masina. Tsy atosiky ny fitadiavana izay mahatsara an'i Daniela na izay mahatsara ny olony ny vavaka ataony, fa noho ny anaran'Andriamanitra. Raha atao amin'ny teny hafa dia hoe hotoavina ny fangatahan'i Daniela satria homem-boninahitra eto an-tany ny anaran 'Andriamanitra.

Vakio ny ampahan'ny vavak'i Daniela ao amin'ny Dan. 9:5-13. Ao amin'io vavaka io, dia miteny foana i Daniela hoe nanao ratsy "izahay". Koa ny tenany koa dia nampidiriny ho isan'ny mpandray anjara tamin'ny fahotana izay nitarika ny famaizan'Andriamanitra ny Jiosy, fitopolo taona lasa izay. Araka ny hevitrao, nahoana izy no nanao izany?

Iray amin'ireo vavaka fanelanelanana lehibe ho an'ny hafa voarakitra ao amin'ny Baiboly ny vavak'i Daniela. Manohina ny fon'Andriamanitra ny vavaka tahaka izany, ka manakana ny famaizana, fa mitondra kosa ny fanafahan'Andriamanitra ny olony amin'ny fahavalony. Raha vonona ny hamongotra ny firenena jiosy iray manontolo noho ny fahotany Andriamanitra, dia ny vavaka fanelanelanana nataon'i Mosesy no nihazona ny tanan'Andriamanitra tsy hamely azy ireo (Eks. 32:7-14; Nom. 14:10-25). Namaly ny vavaka fanelanelanana nataon'i Elia koa Andriamanitra ka nandrotsaka orana teo amin'ny tany efa karakaina rehefa tsy nahazo orana nandritra ny telo taona sy tapany (1 Mpanj. 18).

Koa tokony hivavaka ho an'ny ankohonana, ho an'ny namana, sy ho an'ny olon-kafa isika. Mivavaha koa rehefa manana olana ianao, fa mihaino ny vavakao Andriamanitra ka hiditra an-tsehatra. Indraindray mety tsy hamaly avy hatrany ny vavatsika Andriamanitra, saingy afaka mahazo antoka isika fa tsy hanadino na oviana na oviana ny zavatra ilain'ny zanany Izy (vakio ny Jak. 5:16).

Ao amin'ity vavaka ity dia mijoro ho mpanelanelana eo amin'Andriamanitra sy ny olona i Daniela. Avy tamin'ny fandinihany ny Soratra Masina no nahatsapan'i Daniela fa tena lasa mpanota ny olona. Nandika ny lalan'Andriamanitra hatrany hatrany izy ireo ary tsy nety nihaino ny fampitandremana nomen'Andriamanitra. Koa nivavaka tamin'Andriamanitra izy mba hanasitrana sy hamela heloka azy ireo. Nampitovy ny tenany tamin'ny olona koa anefa i Daniela. Tamin'io fomba io no anehoan'i Daniela ny andraikitri Kristy amin'ny maha-Mpanalalana antsika Azy (Jao. 17). Misy fahasamihafana goavana anefa eo amin'i Daniela sy i Jesôsy : i Jesôsy dia "tsy nanana ota" - Heb. 4:15. Koa tsy nila niaiky ny fahotany manokana na nangataka famelan-keloka Izy (Heb. 7:26,27). Mampitovy ny Tenany amin'ny mpanota amin'ny fomba tena miavaka koa anefa Izy: "Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika" -2 Kôr. 5:21.
.

Asehon'ny vavaka fanelanelanana nataon'i Daniela fa nitebiteby ny amin'ny zavatra anankiroa izy:

(1) ny fahotan'ny Isiraely sy ny

(2) faharavan'i Jerosalema.

Koa nahakasika ireo olana anankiroa ireo ny valim-bavaka avy tamin'Andriamanitra. Havotana amin'ny alalan'ny asan'i Mesia ny olona, ary hohamasinina indray ny tempolin'Andriamanitra. Tsy hamonjy ny Jiosy irery ihany anefa ny Mesia, fa ho avy hamonjy izay rehetra mina Azy koa.

lnona no nambaran'ny anjely Gabriela fa hitranga ao amin'ny Dan. 9:21-27? lnona ny asa tsy maintsy natao nandritra ireo fitopolo herinandro? Nahoana no i Jesôsy  irery ihany no mahavita izany?

Amin'ny fiafaran'ny fitopolo herinandro, dia hanao zavatra anankienina ny Mesia.

1. "Hahatapaka ny fahadisoana" - Dan. 9:24. Ny voambolana hoe "fahadisoana" dia avy amin'ny voambolana hebreo hoe "pesha"', izay maneho fahotana inian'ny olona ambany kokoa atao amin'ny olona ambony kokoa (ohatra: Ohab. 28:24). Mampiasa io voambolana io i Ezekiela mba hanehoana ny fikomian'ny olombelona miharihary amin'Andriamanitra (Ezek. 2:3). Foana amin'ny alalan'ny ran'i Jesôy anefa ny fikomiana amin'Andriamanitra, ary atolotra ny olombelona ny fahamendrehana izay nikoriana avy teo Kalvary.

2. "Hanampina ny fahotana" - Dan. 9:24. Amin'ny teny hebreo, ny voambolana nadika hoe "hanampina" dia midika fa avelan'Andriamanitra ny fahotantsika. Tsy niaina araka ny lalan'Andriamanitra ny olombelona taorian'ny nanotan'i Adama sy i Eva, saingy hanampy antsika handresy ny fahotana ny Mesia.

3. "Hanao fanavotana noho ny heloka" - Dan. 9:24. Milaza koa i Paoly hoe: "Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran`ny fahafenoana rehetra, sady Izy no hampihavanany ilay zavatra rehetra aminy, ka dia ny Tony teo amin'ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana - eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny ety ambonin'ny tany, na ny any an-danitra" - Kol. 1:19,20. Mbola i Jesôsy irery ihany no afaka manao izany.

4. "Hampiditra fahamarinana mandrakizay" - Dan. 9:24. Naka ny toerantsika teo amin'ny hazo fijaliana i Kristy, ka nampihavana antsika tamin'Andriamanitra ny fahafatesany. Amin'ny alalan'ny finoana irery ihany no ahafahantsika mandray io fahamarinana avy amin'Andriamanitra io.

5. "Hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana" - Dan. 9:24. Mirakitra faminaniana sy teny fikasana maro momba ny asan'i Mesia mba hanavotana ny olona ho afaka amin'ny fahotana ny TT. Rehefa maty teo amin'ny hazo fijaliana i Kristy, dia nasiana tombokase ireo faminaniana ireo, izany hoe tanteraka avokoa izy rehetra.

6."Hanosotra izay masina indrindra" - Dan. 9:24. Ny masina indrindra resahina eto dia tsy olona fa toerana. Koa ny fiandohan'ny asa fifonana ataon'i Kristy ho antsika any amin'ny fitoerana masina any an-danitra no asehon'io fanambarana io (Heb. 8:1).

Tamin'ny fiafaran'ny fahitana momba ny 2300 andro dia gaga i Daniela satria tsy azony ny hevitr'io ampahany anankiray io (Dan. 8:27). Folo taona taty aoriana dia tonga i Gabriela mba hanampy an'i Daniela hahatakatra ilay fahitana (Dan. 9:23). Nohazavain'i Gabriela koa fa tsy maintsy tanteraka amin'ny fiafaran'ny fitopolo herinandro ny asan'i Mesia. Tsy maintsy ampiasaintsika ny fitsipika hoe andro iray mira taona iray ao amin'ny Nom. 14:34; Ezek. 14:6 mba hahafantarantsika ny tena halavan'ireo fitopolo herinandro ireo raha atao taona ara-bakiteny. Ho hitantsika fa 490 taona ara-bakiteny ireo fitopolo herinandro ara-paminaniana ireo. Oviana no niandohan'io fe-potoana io? Tamin'ny fotoana namoahan'ny mpanjaka Artaksersesy didy ny hanorenan'i Jiosy indray sy hanarenany ani Jerosalema. Tamin'ny taona 457 TlK no namoahany io didy io (Ezra 7). Lazain'ny Baiboly amintsika fa ireo fitopolo herinandro ireo dia "voatendry" (Dan. 9:24) na nomen'Andriamanitra ho an'ny olony. Maneho izany fa ireo fitopolo herinandro, na 490 taona, dia nesorina avy tamin'ny fe-potoana ara-paminaniana lava kokoa. Nesorina avy tamin'ireo 2300 andro ao amin'ny Dan. 8 izany. Avy no ahitantsika fa manomboka amin'ny fotoana iray mitovy ny 2300 taona sy ny 490 taona, izany hoe samy nanomboka tamin'ny taona 457 TIK.

Misy fizarana anankitelo ny faminaniana momba ny fitopolo herinandro: (1) fito herinandro, (2) 62 herinandro, ary (3) ny herinandro fahafitopolo.

49 taona ara-bakiteny ny fito herinandro, ary manondro ny fe-potoana nananganana indray an'i Jerosalema. Aorian'io fito herinandro io, dia hisy 62 herinandro (na 434 taona ara-bakiteny). Rehefa izay, dia ho tonga i "Mesia Andriana" - Dan. 9:25. Asehon'izany fa 483 taona aorian'ny didin'i Artaksersesy, dia hatao batisa i Jesôsy ilay Mesia, izany hoe tamin'ny taona 27 TrK. Dia hosoran'Andriamanitra amin'ny Fanahy Masina Izy mba hanampiana Azy hamita ny asany eto an-tany mandritra ny "herinandro" fahafitopolo.

Hisy trangan-javatra manan-danja maro hiseho koa mandritra io herinandro fahafitopolo io:

(1) "Hovonoina ny Mesia" - Dan. 9:26, izay manondro ny fahafatesan'i Kristy.
(2) "Hanorina fanekena ho herinandro amin'ny maro" - Dan. 9:27, ny Mesia. Io no asa manokana hotanterahin'i Jesôsy eto an-tany ho an'ny firenena jiosy, sy hataon'ny mpanara-dia Azy koa rehefa hiakatra ho any an-danitra Izy. Tanterahina mandritra ny "herinandro" farany izany, manomboka amin'ny taona 27 hatramin'ny taona 34 TrK.
(3) Ny Mesia koa dia "hampitsahatra ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hafa hatramin'ny antsasaky ny herinandro" - Dan. 9:27. Telo taona sy tapany taorian'ny batisan'i Kristy, dia tsy nilaina tao an-tempoly intsony ny fanaterana biby ho fanatitra. Nahoana? Satria nanolotra ny tenany ho fanatitra farany sy tonga lafatra noho ny fahotantsika i Jesôsy. Nifarana tamin'ny taona 34 TrK ny herinandro farany amin'ilay faminaniana momba ny 70 herinandro. Tamin'io fotoana io no nahafaty maritiora an'i Stefana, sy nanombohan'ny mpanara-dia an'i Kristy nitondra ny filazantsara tany amin'ny Jentilisa ihany koa.

Eto ambany eta dia misy kisarisary. Hazavain'izany ny fomba ifandraisan'ny faminaniana momba ny 70 herinandro (na 490 taona ara-bakiteny) ao amin'ny Dan. 9:24-27 amin'ireo 2300 andro ara-paminaniana (na 2300 taona ara-bakiteny) ao amin'ny Dan. 8:14. Hitantsika koa fa manomboka amin'ny fotoana fray mitovy ireo 70 herinandro sy ireo 2300 andro. Araka izay hitantsika omaly dia nanomboka tamin'ny taona 457 TIK ny 2300 taona. Koa raha manisa 2300 taona manomboka amin'ny 457 TlK ianao, dia hahazo 1844 TrK (aza hadinoina ny tsy manisa ny taona aotra).

Raha anesorana 490 taona ny 2300 taona, dia 1810 taona sisa no ho azonao. Ary raha isainao manomboka amin'ny taona 34 TrK io 1810 taona tavela io, dia ho tonga amin'ny taona 1844 TrK koa ianao. Koa azo lazaina fa nanomboka tamin'ny taona 1844 TrK ny fanadiovan'i Kristy ny fitoerana masina any an-danitra ao amin'ny Dan. 8:14. Mariho koa fa mifanaraka amin'izay nianarantsika tao amin'ny Dan. 7 sy 8 io taona 1844 io. Raha hazavaina kokoa dia hoe: ny fitsaran'Andriamanitra ao amin'ny Dan. 7 dia mitranga aorian'ny 1260 taona anenjehan'ilay tandroka kely ny vahoakan'Andriamanitra (Dan. 7:25). lo fitsarana io dia mitovy amin'ny fanadiovana ny fitoerana masina any an-danitra ao amin'ny Dan. 8 ihany. Alohan'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany sy ny fampiorenany ny fanjakany mandrakizay kosa no hitrangan'ny fitsaran'Andriamanitra sy ny fanadiovana ny fitoerana masina any an-danitra.

Faminaniana momba ny 2300 taona

        

                                                                                           2300 Taona           

                    __________________________________________o____________________________________

             _________o_____________________O_________________________o_____________________

                               490 Taona                                                                                 1810 Taona
     -----------O----------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------O----------->

              457 TIK                                                    34 TrK                                                                                    1844                             


Jereo ny takila 96 mba hahitana kisarisary feno

 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :

1. Nilaza ny mpandalina ny Baiboly fa tena faminaniana iray ihany ny faminaniana momba ny 2300 andro sy ny faminaniana mamba ny 70 herinandro. Araka ny hevitrao, nahoana izy ireo no nilaza izany? Inona no porofo hitanao mba hanehoana fa marina io hevitra io?
2. Inona no azontsika ianarana avy amin'ny vavaka fanelanelanana nataon'i Daniela? Ahoana no anampian'izany antsika eo amin'ny fiainam-bavatsika manokana?

3. Ny fahafatesan'i Kristy ho antsika no hany fanantenana ho antsika. Ahoana no tokony hanampian'izany fahamarinana izany antsika hanetry tena mandrakariva? Ahoana no hanovany antsika ho be fifiavana sy hahay hamela ny hafa mihitsy koa aza? Inona no ampianarin'ny Lio.7:40-47 antsika ?