Lesona 8 : Avy amin'ny ranomasina misamboaravoara ho amin'ny rahon'ny lanitra

Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 7; 2 ; Tes. 2:1-12; Mar. 13:26; Mat. 8:20; Mat. 9:6; Lio. 9:26. 

Tsianjery: "Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana eny ambanin'ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin'ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy" - Dan. 7:27. 

Sabata hariva 

Amin'ity herinandro ity isika dia handinika ny fahitana ao amin'ny Dan. 7. Fahamarinana iray mitovy ihany no asehon'ny fahitan'i Daniela sy ny fahitan'i Nebôkadnezara ao amin'ny Dan. 2. Mamelabelatra misimisy kokoa izay aseho ao amin'ny Dan. 2 anefa ny fahitan'i Daniela ao amin'ny Dan. 7.

Voalohany, nahita ranomasina i Daniela. Nampisamboaravoara io ranomasina io tamin'ny laniny rehetra ny rivotra. Mampahatsiahy antsika ny tany mialoha ny nanomezan'Andriamanitra azy endrika sy namenoany azy aina ny rano. Tamin'izay fotoana izay dia foana sy rakotra haizina ny tany (vakio ny Gen. 1:2). Tsikaritra ao amin'ny fahitan'i Daniela fa nampisamboaravoara ny rano ny rivotra efatra.

Faharoa, ireo biby ao amin'ny fahitana dia biby maloto no sady fitambaram-biby samihafa. Koa tsy zavatra noforonin'Andriamanitra tamin'ny nahariany izao tontolo izao ireo biby ireo.

Fahatelo, nifehy ny olona sy ny fanjakana rehetra eto an-tany ireo biby ireo. Hitantsika amin'izany fa nandroba ny fanapahana nomen'Andriamanitra an'i Adama tao amin'ny saha Edena ireo biby ireo.

Fahefatra, ho avy i Jesôsy, ilay Zanak'olona, ka hamerina ny fanapahana amin'ny olona tena tompon'izany. Azon'i Jesôsy daholo indray izay rehetra verin'i Adama tao amin'ny saha Edena. Manampy antsika hamantatra ny sary ankapobeny asehon'ireo famantarana ampiasaina ao amin'ny fahitan'i Daniela io fanoritsoritana eo ambony io. Soa ihany fa nisy anjely nanazava ny ampahany betsaka amin'izany fahitana izany mba hahafahantsika mahatakatra izany. 

Vakio izay voalaza momba ny fahitana ao amin'ny Dan. 7. lnona no votoatin'ny zavatra aseho amin'i Daniela eto, ary momba ny inona ilay fahitana? 

Ny biby tsirairay naseho tamin'i Daniela dia mifanaraka amin'ny ampahany amin'ny sariolona naseho tamin'i Nebokadnezara. Misy tsipiriany misimisy kokoa momba ny fanjakana tsirairay avy omena antsika anefa ao amin'ny fahitan'i Daniela. Efa nolazaintsika tamin'ny Sabata fa maloto avokoa ny biby rehetra ao amin'ny fahitan'i Daniela, ho fanehoana fa firenena mpanompo sampy izy ireo. Ankoatra izay, mitovy amin'ny biby efa fantatsika ireo biby telo voalohany. Hafa kosa ny biby fahefatra, ary tsy tahaka ny biby efa fantatsika izany. Maneho ny toetoetry ny fanjakana iray teo amin'ny tantara ny biby tsirairay:

Liona: Famaritana tena sahaza an'i Babilôna ny liona. Nanaingo ny rindrin'ny lapa sy ny asa kanto hafa tany Babilôna tokoa mantsy ny liona manan'elatra. Ao amin'ny fahitan'i Daniela dia nongotana ny elatr'ilay Ilona. Rehefa izay dia najoro mahitsy tahaka ny fijoron'ny olombelona izy, ka nomena fon'olombelona. Maneho ny fikororosy fahan'ny fanjakana Babilônianina teo ambany fanapahan'ireo mpanjakany farany ireo sary an'ohatra ireo.

Bera: Maneho ny ampira medô-persianina ny bera. Hitanao ve fa nisondrotra ny ila-tenan'ilay bera? Milaza izany fa matanjaka kokoa ny Persianina raha oharina amin'ny Medianina. Nisy taolan-tehezana telo koa teo am-bavan'ilay bera, izay maneho ireo fanjakana telo lehibe resin'ny ampira medô-persianina tao anatin'ny ady : Lidia, Babilôna, ary Egipta.

Leoparda: Maneho ny ampira grika najoron'i Aleksandra Lehibe ny leoparda haingam-pandeha. Manana elatra anankiefatra izy, izay maneho fa niakatra teo amin'ny fahefana tamin'ny fomba haingana tokoa i Aleksandra. Tao anatin'ny taona vitsy monja tokoa mantsy dia voafehiny avokoa ny fanjakana rehetra fantatra teto an-tany.

Biby mahatsiravina sady matanjaka: Hitanao ve fa "toy" na "tahaka" ny liona na bera na leoparda ireo biby telo voalohany? Miova izany ankehitriny. Tsy ampitoviana amin-javatra fantatsika ny biby fahefatra izay maneho ny fanjakana fahefatra, ary tsy mitovy amin'ny fanjakana teo alohany rehetra. Manana tandroka maro izy, izay maneho fa lozabe sy mahery setra lavitra noho ireo biby rehetra talohany izy. Famaritana sahaza tsara an'i Roma mpanompo sampy ny toetoetr'io biby fahefatra io. Niady izy ka nandresy sy nifehy ary nanitsakitsaka izao tontolo izao tamin'ny tongony vy. 

Vakio izay voalaza momba ny tandroka kely ao amin'ny Dan. 7:7,8, 19-25. Avy amin'ilay bibidia fahefatra ary mbola mitoetra ho ampahan'izany ny fahefana asehon'ny tandroka kely. Iza io fahefana io? 

Hitantsika omaly fa ny fanjakan'i Rôma tamin'ny andron'ny Baiboly no asehon'ilay bibibia manana nify vy sy tandroka folo. Asehon'ireo nifiny sy tandrony ireo fa tena lozabe io Rôma io. Andeha hodinihintsika ny momba ilay tandroka kely sy ny fahefana asehon'izany. Iza izy io? Manana tandroka folo ny biby fahefatra, araka izay voalaza ao amin'ny fahitan'i Daniela. Nendahina ny telo tamin'ireo tandroka ireo mba hanome toerana ho an'ilay tandroka kely. Manana mason'olombelona io tandroka kely io ary "miteny zavatra mihoa-pampana" - Dan. 7:8. Koa mazava izany fa io tandroka kely io dia nipoitra avy tamin'ilay biby mahatsiravina fahefatra, izay anehoana ny fanjakana romanina tamin'ny andron'ny Baiboly. Amin'ny lafiny iray dia mbola manao ny sasany amin'ireo zavatra nataon'ny fanjakana rômanina ihany ilay tandroka kely, ka tena mitovy amin'ny fanjakana rômanina mihitsy. Endrika hafa isehoan'i Roma aty aoriana fotsiny izy io.

Hitan'i Daniela fa niady tamin'ny vahoakan'Andriamanitra io tandroka kely io. Nohazavain'ny anjely taminy fa mpanjaka iray izay hanao zavatra tsy ara-dalàna anankitelo izy io: (1) hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy; (2) hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra izy; ary (3) hitady hanova ny fotoana sy ny lalàna nomen'Andriamanitra izy. Vokatr'izany, hatolotra ho eo ambany fanapahany ny vahoakan'Andriamanitra, mandritra ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro" - Dan. 7:25. Eto ny voambolana hoe "fetr'andro" dia midika hoe "taona", ka ny hoe "fetr'andro roa" izany dia midika hoe "roa taona", ary ny "antsasaky ny fetr'andro" dia midika ho enim-bolana na tapa-taona. Koa vanim-potoana misy telo taona sy tapany ara-paminaniana izany io. Firy taona ara-bakiteny izany eo amin'ny faminaniana momba ny fotoana? Rehefa ampiasaintsika ny fitsipika hoe andro iray mira taona iray (Nom. 14:34; Ezek. 4:6), ny telo taona sy tapany ara-paminaniana dia midika ho 1260 taona ara-bakiteny. Mandritra io fotoana io dia hiady amin'Andriamanitra ilay tandroka kely, hanenjika ny olo-masina, ary hitady hanova ny lalàn'Andriamanitra.

Vakio izay voalaza momba ilay lehilahin'ota ao amin'ny 2 Tes. 2:1-12. Araka izay inoantsika, iza io lehilahin'ota io, ary nahoana? lnona no mampitovy azy amin'ilay tandroka kely? 

Inona no hitan'i Daniela manaraka tao amin'ny fahitany taorian'ireo bibidia anankiefatra sy ny tandroka kely? Nahita efitrano fitsarana tany an-danitra izy (Dan. 7:9,10, 13,14). Nisy seza fiandrianana napetraka tao amin'ilay efitrano, dia nipetraka Andriamanitra Ray. Nisy anjely arivoarivo nanompo Azy. Rehefa izay dia nipetraka koa ireo mpitsara, dia novelarin'Andriamanitra ny bokin'ny firaketana. 

Hitanao ve fa mitranga aorian'ny fahataperan'ireo 1260 taona io fitsaran'Andriamanitra io? Hitantsika omaly fa ireo 1260 taona dia maneho ny fotoana nanaovan'ny tandroka kely ny asany, nanomboka tamin'ny taona 538 hatramin'ny 1798 TrK (jereo ny lesona Zoma). Koa taorian'ireo 1260 taona ny fitsaran'Andriamanitra, saingy mialoha ny hampiorenany ny fanjakany mandrakizay. Hitantsika intelo miantoana ao amin'ny fahitan'i Daniela ity fizotran-javatra manaraka ity :

Fotoan'ny tandroka kely (538-1798 TrK)

Fitsaran'Andriamanitra any an-danitra

Fanjakan'Andriamanitra mandrakizay

Vakio izay voalaza momba ny fitsaran'Andriamanitra ao amin'ny Dan. 7:13,14, 21,22, 26,27. Aseho ao fa tombontsoan'ny vahoakan'Andriamanitra ny fitsarana. Amin'ny lafiny inona?

Manoritsoritra ohatra maro momba ny fitsaran'Andriamanitra tao amin'ny tabernakely sy tao an-tempoly ny TT, saingy tsy mitovy amin'izany ny fitsarana ao amin'ny Daniela. Fitsarana ny olona rehetra sy ny fahefana rehetra eto amin'izao tontolo izao izany. Koa tsy ny tandroka kely ihany no hotsarain'Andriamanitra, fa ny olo-masin'ny Avo Indrindra koa, izay hahazo ny fanjakana amin'ny farany.

Tsy manoritsoritra ilay fitsarana ny Dan. 7, ary tsy manome tsipiriany momba ny fiandohany sy ny fiafarany koa. Hitantsika kosa fa manomboka ny asany Andriamanitra noho ny famelezan'ilay tandroka kely an'Andriamanitra sy ny olony. Fitsarana mahenika izao tontolo izao io fitsaran'Andriamanitra io, ary hianarantsika ao amin'ny Dan. 8 sy 9 ny fiandohan'izany. Ho hitantsika koa fa voafaoka ao anatin'io asany io ny fanadiovana ny fitoerana masina any an-danitra ho afaka amin'ny fahotana. Ampianarin'ny Dan. 7 mazava tsara amintsika ary fa hisy fitsarana any an-danitra mialoha ny fiverenan'i Kristy. Ary ho tombontsoan'ny vahoakan'Andriamanitra io fitsarana io (Dan. 7:22). 

Vakio izay voalaza momba ny Zanak'olona ao amin'ny Dan. 7:13. Iza ilay Zanak'olona eto, ary ahoana no ahafantaranao Azy (Vakio koa ny Mar. 13:26; Mat. 8:20; Mat. 9:6; Lio. 9:26; ary Lio. 12:8.

Raha manomboka ny fitsaran'Andriamanitra, dia miditra ao amin'ny efitrano fitsarana ny Olona tena manan-danja indrindra: ny Zanak'olona. Iza Izy io?

Voalohany, olona avy any an-danitra ilay Zanak'olona. Araka izay asehon'ny anarany anefa, dia maneho toetran'olombelona koa Izy. Raha atao amin'ny teny hafa dia hoe: sady Andriamanitra Izy no olombelona, ary tonga mba handray anjara mavitrika eo amin'ny fitsarana.

Faharoa, tonga miaraka amin'ny rahon'ny lanitra ilay Zanak'olona. Sary mahazatra anehoana ny fiavian'i Kristy fanindroany ao amin'ny TV io rahona io. Hita mazava tsara ao amin'ny Dan. 7:13 anefa fa tsy avy any an-danitra ka midina eto an-tany ilay Zanak'olona. Tsy izany, fa mifindra avy amin'ny toerana fray any an-danitra mankamin'ny toerana iray hafa any an-danitra ihany Izy mba hiseho eo anatrehan'Andriamanitra Ray.

Fahatelo, asehon'io fiavian'ny Zanak'olona amin'ny rahon'ny lanitra io fa hahita Azy ny firenena rehetra rehefa hiverina indray Izy. Mampahatsiahy antsika ny amin'ny mpisoronabe tamin'ny andron'ny TT koa anefa io rahon'ny lanitra io. Niditra tao amin'ny efitra masina indrindra izy amin'ny fiafaran'ny taona (andro fanavotana) mba hanadio ny fitoerana masina ho afaka amin'ny fahotana rehetra, ary voahodidin'ny setroky ny ditin-kazo manitra izy tamin'izany.

Mpanjaka koa ilay Zanak'olona. "Nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoanhy fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy" - Dan. 7:14. Ny matoanteny hoe "manompo" dia azo hadika koa hoe "miankohoka". Hitantsika intsivy io voambolana io ao amin'ny Dan. 1--7 (Dan. 3:12,14,17,18,28; Dan. 6:16,20; Dan. 7:14,27). Midika ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra izany. Izany no antony tena maharatsy ilay tandroka kely, izay fahefana ara-pivavahana mitarika ny olona hiankohoka amin'Andriamanitra amin'ny fomba diso. Asehon'ny fitsarana faritana eto fa ahitsin'Andriamanitra io fiankohofana diso io. Mametraka olombelona ho mpanelanelana eo amin'Andriamanitra sy ny olona tokoa mantsy io fahefana ara-pivavahana io. Ahariharin'i Daniela eto anefa fa ny Zanak'olona ihany no Mpanelanelana tokana afaka misolo tena ny olombelona eo anatrehan'Andriamanitra. Tsy misy olona afaka maka ny toerany. Milaza tokoa ny Baiboly hoe: "Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesôsy, Izay olona" - 1 Tim. 2:5. 

lnona no mitranga amin'ny vahoakan'Andriamanitra araka izay lazain'ireto andininy manaraka ireto? Dan. 7:18,21,22,25,27. 

Famaritana ny vahoakan'Andriamanitra ny hoe "olo-masin'ny Avo Indrindra" (Dan. 7:18). Mahatoky amin'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo, ka izany no antony anenjehan'ny tandroka kely azy. Entina anehoana ny fiangonana Katôlika Rômanina io tandroka kely io. Marina fa nanenjika ny Kristianina ny fanjakana rômanina mpanompo sampy (ilay bibidia fahefatra). Ny fanenjehana ny vahoakan'Andriamanitra ao amin'ny Dan. 7:25 anefa dia avy amin'ilay tandroka kely, izay tsy nipoitra raha tsy taorian'ny fiafaran'ny fanjakana rômanina mpanompo sampy.

Tsy hiharan'ny fampijaliana ataon'ny fahefana eto an-tany mandrakizay anefa ny vahoakan'Andriamanitra. Hisolo ny fanjakana rehetra eto an-tany tokoa mantsy ny fanjakan'Andriamanitra. Misy zavatra iray mahaliana tokoa momba io fanjakana io. Hitantsika ao amin'ny fahitan'i Daniela fa ilay Zanak'olona dia nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana" - Dan. 7:14. Ao amin'ny fanazavana nomen'ny anjely anefa dia ny "olo-masin'ny Avo Indrindra" no hahazo ny fanjakana (Dan. 7:18). Tsy misy hevitra mifanipaka eto. Sady Andriamanitra no isan'ny fianakavian'ny olombelona ilay Zanak'olona. Noho izany, ny fandreseny dia fandresen'ireo izay soloiny tena koa, dia ny vahoakan'Andriamanitra izany.

Rehefa nanontany ny mpisoronabe raha toa ka i Jesôsy no Mesia, Zanak'Andriamanitra, dia namerina izay voalazan'ny Sal. 110:1 sy ny Dan. 7:13,14 i Jesôsy. Hoy Izy: "Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ny Hery sady avy eo amin'ny rahon'ny lanitra" - Mar. 14:62. Koa i Jesôsy no Ilay mijoro ho antsika any amin'ny fitsaran'ny lanitra. Efa nandresy an'i Satana Izy, ka mizara ny fandreseny arninireo rehetra manatona Azy. Noho izany, tsy misy antony tokony hatahorantsika. Araka izay Paoly mazava tsara: "Kanefa amin'izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin'ny alalan'llay tia antsika. Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona  amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika" - Rôm. 8:37-39. 

Rehefa nifarana ny fanjakana romanina, dia nanararaotra izany ny Evekan'ny fiangonana tany Rôma ka nanao ny tenany ho mpitarika ambony indrindra tea amin'ny tananan'i Rôma. Tamin'ny taona 538 TrK no nitrangan'izany. Rehefa izay dia nampikambana ny heriny ny fiangonana Katolika Romanina sy ny fanjakana rômanina fahiny. Koa nanao ny tenany ho toy ny mpanjakan'i Rôma tamin'ny lafiny maro ny Papa. Izany no nahatonga ny fiangonana hifehy ny fivavahana sy ny fitondram-panjakana. Nofaranan'i Napoleon anefa io fahefan'ny fiangonana io tamin'ny taona 1798. Tsy namarana an'i Rama anefa ny fikomian'i Napôléon tamin'ny fiangonana Katôlika Rômanina, fa namarana kosa ny fanenjehan'ny fiangonana ny vahoakan'Andriamanitra. Koa nifarana ny fahefan'ny fiangonana teto an-tany, fa ny fampianarany kosa tsy mba nifarana. Mbola mampianatra hevitra mifanohitra amin'ny Tenin'Andriamanitra hatrany ny fiangonana mandraka ankehitriny. Milaza tokoa mantsy ny fiangonana fa maka ny toeran'i Kristy eto an-tany ny papa, ka manana ny fahefan'i Jesôsy rehetra mba ho mpanjaka sy hamela heloka. Mirehareha koa ny fiangonana fa novainy ho Alahady ny Sabata. Iray amin'ireo fampianaran-disony koa ny afo fandiovana, izay toerana lazain'ny fiangonana fa andehanan'ny fanahin'ny olona rehefa maty izy. Mankao amin'ny afo fandiovana ny olona mba hijalijaly ka ho tsara sy madio. Rehefa avy nijaly tsara izy, dia havelan'Andriamanitra hiditra any an-danitra. Mampianatra koa ny fiangonana fa tokony hiaiky ny helony amin'ny pretra ny olona. Tsy mpanota koa ve anefa ireo pretra ireo? Ankoatra izay, ampianarin'ny fiangonana koa ny lainga fa amin'ny alalan'ny asa soa no ahafahanao mahazo miditra any an-danitra.

"Tsy azon'ny olombelona atao ny hahatohitra ireo fiampangana ataon'ilay fahavalo amin'ny herin'ny tenany. Miaiky ny fahotany eo anatrehan'Andriamanitra izy amin'ny fitondrana izata akanjo maloto. Koa, Jesôsy, Ilay Mpisolovava antsika, no miady amin'ny fomba mahomby ho azy amin'izay. Miaro azy Izy, ary noho ny amin'ny fanatitra teo Kalvary, dia maharesy ilay mpiampanga Izy. Ny fankatoavany tanteraka ny lalàn'Andriamanitra no nahazoany ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ary mitaraina amin'ny Rainy Izy mba hanomezany ny famindrampony amin'ny mpanota sy mba hampihavanana azy Aminy indray. (...) Ary amin'izay miankina Aminy dia omeny izao fanomezan-toky izao manao hoe: `Indro, efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana hianao' - Zak. 3:4" - MM, t. 477. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Jereo indray ireo fanazavana rehetra nianarantsika momba ilay tandroka kely tamin'ity herinandro ity. Nahoana ireo fanazavana ireo no tokony hiaro antsika amin'ny hevi-diso momba ny hoe iza marina moa io fahefana io?