Lesona 7: Avy tao an-davaky ny liona mankamin'ny fonenan'ny anjely

Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 6:1-28; Gen. 37:11; 1 Sam. 18:6-9; Mat. 6:6; Asa. 5:27-32. 

Tsianjery: "Koa ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka dia nitady izay hiampangany an'i Daniela ny amin'ny fanjakana, nefa tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy" - Dan. 6:5. 

Rehefa nifehy an'i Babilôna ny Medianina sy Persianina dia nahita ny fahendren'i Daniela i Dariosa Medianina ka niantso azy ho isan'ny fitondram-panjakana. Nanatanteraka tsara ny asany i Daniela ka notendren'ny mpanjaka ho iray amin'ireo mpitarika lehibe teo amin'ny fanjakana. 

Nialona fatratra ny fahombiazan'i Daniela ireo mpitarika hafa teo amin'ny fanjakana. Mialoha ny fiafaran'ny tantara anefa dia nasehon'i Daniela fa nahatoky tamin'Andriamanitra sy ny mpanjaka izy. Azo antoka fa nahatonga azy ho mahatoky tamin'ny hafa ny fahatokiany tamin'Andriamanitra. 

Maneho amintsika ny toe-javatra hiseho amin'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany ny fanandramana niainan'i Daniela. Asehon'izany tantara izany amintsika koa fa hamely ny vahoakan'Andriamanitra noho ny finoany i Satana. Ho avy, araka izany, ny fotoan-tsarotra eo amin'ny ady hifanandrinana amin'ny ratsy, kanefa mahazo matoky isika fa handresy Andriamanitra ary hamonjy ny olony. Hiampanga ireo vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany ho tompon'andraikitra amin'ny fahoriana eto an-tany i Satana, saingy hasehon'Andriamanitra fa tsy manan-tsiny ny olony. Tsy misy heloka hanomezan-tsiny azy ireo. 

Nialona an'i Kristy i Losifera na dia tany an-danitra, toerana tonga lafatra, aza. "Nitsiriritra sy nialona an'i Jesôsy Kristy i Losifera. Rehefa niondrika teo anatrehan'i Jesôsy  ireo anjely rehetra ho fanekena ny fahalehibeazany sy ny fahambonian'ny fahefany ary ny fitsipiny feno fahamarinana, dia mba niondrika niaraka tamin'izy ireo koa izy; fitsiriritana sy fankahalana anefa no nameno ny fony" -SR, t. 14. Fihetsehampo mampidi-doza ny fialonana, ka na ny Didy folo aza dia ahitana didy mandrara ny fitsiriritana, izay mifanindran-dalana amin'ny famonoana sy ny halatra (jereo ny Eks. 20:17). 

Vakio ny Dan. 6:1-5 sy ny Gen. 37:11 ary ny 1 Sam. 18:6-9. lnona no anjara toerana tanan'ny fialonana ao amin'ireo tantara ireo?

Nahafaly ny mpanjaka ny fahaizan'i Daniela, kanefa nahavelom-pialonana ireo mpitarika hafa tao amin'ny fanjakana. Nanao tetika izy ireo, araka izany, mba hahatonga azy tsy ho eo intsony. Niezaka nitady izay zavatra tsy mety ataon'i Daniela izy ireo mba hilazany izany amin'ny mpanjaka; kanefa "tsy nahita izay hiampangany azy na izay tsininy akory ireo, satria marina izy, ka tsy nisy kilema na tsiny hita taminy" - Dan. 6:5. Ny teny arameanina izay nadika hoe "marina" dia azo adika ihany koa hoe "mendri-pitokiana".

Tsy nanan-tsiny i Daniela ka tsy nahita na inona na inona hanaovana fiampangana tsy marina hamelezana azy, ireo tandapa. Hitan'izy ireo koa fa mahatoky amin'Andriamanitra sy ny lalàny i Daniela. Tsy ela dia hitany fa tsy maintsy hamorona toe-javatra izy ireo, izay hahatonga azy hiatrika safidy sarotra eo amin'ny fankatoavana ny lalan'Andriamanitra na ny lalana apetraky ny fanjakana. Azony antoka fa hifidy ny hankatò ny lalàn'Andriamanitra i Daniela, ary rehefa manao izany izy dia azon'izy ireo atao ny manao izay hahafaty azy. Fantany tsara i Daniela fa hitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra. Maneho amintsika ny mampiavaka an'i Daniela izany, dia ny fananany fahatokiana. Ohatra tsara ho antsika izy!

Vakio izay voalaza momba ny lalàn'ny mpanjaka ao amin'ny Dan. 6:6-9. lnona no atahoran'ny mpanjaka? Ahoana no nampiasan'ireo mpitarika be fialonana izany tahotry ny mpanjaka izany handresena lahatra azy hamoaka ilay lalàna?

Naniry ny hanova ilay lalàna ny mpanjaka raha vao vita izany. Toa misy fahadalana izany, sa tsy izany? Latsaka tao anatin'ny fandrika novelarin'ireo tandapa izy, satria marani-tsaina tokoa ireo ka nanararaotra ny toe-javatra ara-politika teo amin'ilay fanjakana vao naorina. Nozarazarain'i Dariosa ny fahefan'ny fitondram-panjakana ka nanendry solo-mpanjaka roapolo amby zato izy mba hampahomby kokoa ny fitantanan-draharahan'ny fanjakana. Mety hampidi-doza koa anefa izany drafitra izany. Ahoana moa raha toa ka manapa-kevitra ny hikomy amin'ny mpanjaka ireo mpanapaka ireo? Raha izany dia hizarazara ny fanjakana; natahotra ny hisian'izany i Dariosa. Nataon'ireo mpitarika be fialonana, araka izany, izay hamoahan'ny mpanjaka lalàna "hampahatanjaka" ny fanjakana, lalàna izay manambara fa tsy misy olona afaka manao fangatahana na amin'iza na iza afa-tsy amin'ny mpanjaka ihany, mandritra ny telopolo andro. Ny hamonoana an'i Daniela mihitsy anefa no tena tanjon'izany lalàna izany. Nambaran'ireo mpitarika tamin'ny mpanjaka fa manohana izany lalàna izany avokoa ny rehetra, kanefa lainga izany fa tsy fantatr'i Daniela akory aza ny amin'izany.

Nampitovy ny mpanjaka amin'Andriamanitra ilay didy. Mandritra ny telopolo andro dia tsy maintsy mivavaka aminy ny rehetra. Rehefa izany dia ny mpanjaka no mitondra ny vavaka amin'ireo andriamanitra. Misy zavatra manan-danja anankiray tsy takatry ny mpanjaka: namoaka izany didy izany izy ho fiarovana ny fanjakana amin'ny teti-dratsy, saingy teti-dratsy hamonoana an'i Daniela mihitsy kokoa aza izany.

Andeha hojerentsika ireo ampahany roa mandrafitra ilay didin'ny mpanjaka. Ny famaizana no ampahany voalohany. Hatsipy ao an-davaky ny liona izay rehetra mandika izany lalàn'ny mpanjaka izany. Nohidiana tanaty trano ny liona tamin'ny andron'ireo mpanjaka tatsinanana fahiny; avoaka ihany izy ireny amin'ny fotoana sasany mba hahafahany mihaza. Tsy vitsy, araka izany, ny liona noana hamiravira ny olona izay sahy mandika ny lalàn'ny mpanjaka. Ny faharoa dia ny tsy fahafahana manova izany didy izany. Voaresaka ao amin'ny Est. 1:19 sy Est. 8:8 ny amin'ny tsy fahafahana manova ny "lalan'ny Medianina sy ny Persianina". Tsy azo ovana ny didy rehefa natao, ary na ny mpanjaka aza tsy afaka manova izany. Nitantara ny amin'ny fotoana iray izay niovan'ny fanapahan-kevitr'i Dariosa III (aoka tsy hafangaro amin'i Dariosa voalaza ao amin'ny bokin'i Daniela ) i Diodore de Sicile. Tsy azon'ilay mpanjaka natao intsony anefa ny nanafoana ny fanamelohana ho faty na dia tsy meloka aza ilay lehilahy namoahany izany. 

"Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin`ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina: ary ny Rainao, izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao" - Mat. 6:6. 

Vakio ny Dan. 6:10. Nahoana i Daniela no tsy nivavaka tamim-pahanginana fotsiny mba tsy ho hitan'iza na iza?

Olom-panjakana nanana traikefa betsaka i Daniela, ary nahatoky tamin'ny mpanjaka; kanefa nataony loha laharana ny fahatokiana tamin'Andriamanitra. Io mpanompon'Andriamanitra io irery, tao amin'ny fanjakana, no nahafantatra ny marina tao ambadiky ny didin'ny mpanjaka. Tsy hitan'ny mpanjaka mantsy izany tamin'ny voalohany. Noheveriny ho fomba iray hanamafisana ny fanjakany izany, kinanjo fomba iray hoentin'ireo mpitarika be fialonana hamonoana an'i Daniela. 

Mazava loatra fa miorina eo amin'ny ady lehibe ifanandrinan'Andriamanitra sy ny herin'ny ratsy ny antony sy ny zavatra manosika ireo tandapa ho amin'izany teti-dratsy izany. Tamin'ny andro niainan'i Daniela (539 TlK) dia efa nomen'Andriamanitra azy ny nofy ao amin'ny Dan. 7 (553 TlK) sy ny Dan. 8 (551 TlK). Takany, araka izany, fa ilay didin'ny mpanjaka dia tsy teti-pitondrana tsotra an'olombelona fa ohatra maneho ilay ady lehibe manerana izao rehetra izao. Namangy an'i Daniela ny anjely ao amin'ny Dan. 7 ary nampiseho taminy fa hamonjy ny olony i Jesôsy amin'ny andro farany. Azo antoka fa nanome fanantenana sy herin-tsaina hoenti-miatrika ireo olana eo anoloany izany. Azo heverina koa fa nieritreritra ny amin'ny fanandraman'ireo namany izy, izay nanana herin-tsaina ka nijoro teo anatrehan'ny didin'i Nebôkadnezara (Dan. 3).

Tsy nanova ny fahazarany tamin'ny fivavahana i Daniela; notohizany hatrany ny fivavahana intelo isan'andro, nitodika nanandrify an'i Jerosalema. Voalazan'ilay lalàna persianina fa tsy misy na iza na iza afaka mivavaka amin'olona na andriamanitra ankoatra ny mpanjaka, mandritra ny telopolo andro. Tsy nanafina na nanarontsarona ny fiainam-bavaka nananany anefa i Daniela nandritra izany fotoana izany. Izy irery no nanohitra ny didin'ny mpanjaka teo anatrehan'ireo goverinora sy tandapa am-polony maro. Nasehony tamin'ny fiainam-bavaka miharihary nananany fa ambony noho ny fankatoavana ny mpanjaka sy ny didiny hentitra ny fankatoavana an'Andriamanitra.

Vakio ny Asa. 5:27-32. Mazava tokoa ny fananarana etoana, kanefa nahoana isika no tokony hahazo antoka fa mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra tokoa izay ataontsika rehefa manao zavatra manohitra ny lalàn'olombelona isika? (Eritrereto ny amin'ireo olona izay nisafidy ny ho faty toy izay hamadika ny finoana na rafi-pivavahana izay inoantsika fa tsy marina!)

 

Vakio ny Dan. 6:11-23. lnona no nambaran'ny mpanjaka tamin'i Daniela, izay maneho ny maha-vavolombelon'Andriamanitra mahatoky an'i Daniela?

Tazan'ireo mpanao teti-dratsy ireo taty aoriana kely fa nivavaka i Daniela, izany hoe manao araka izay andraran'ilay didim-panjakana. Rehefa nitondra ny fiampangana teo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo dia tamin'ny fomba fanaovana tsinontsinona no niresahany ny amin'i Daniela: "ilay Daniela, isan'ny babo avy amin'ny taranak'i Joda" - Dan. 6:14. Eo imason'izy ireo dia tsinontsinona ilay anankiray amin'ny tandapa ambony tao amin'ny fanjakana, ilay tian'ny mpanjaka indrindra, fa "babo" fotsiny ihany. Ankoatra izany dia manao izay hahatezitra ny mpanjaka amin'i Daniela izy ireo amin'ny filazana fa i Daniela "dia tsy manaiky anao, na ny lalàna izay nasianao sonia , ry mpanjaka ô" - Dan. 6:14. Tsapan'ny mpanjaka izao fa voafandrika izy raha nanasonia ilay didim-panjakana. Ambaran'ny Soratra Masina fa "nanao izay tratry ny heriny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro" - Dan. 6:15, izy. Tsy misy na inona na inona azony atao anefa mba hanavotana ilay mpaminany amin'ny famaizana efa voalaza. Tsy maintsy ampiharina antsakany sy andavany ilay lalàn'ny Medianina sy Persianina tsy azo ovana. Tamim-pahalainana no nanomezan'ny mpanjaka baiko ny hanipazana an'i Daniela ao an-davaky ny liona. Na dia nanao izany aza anefa i Dariosa dia nitaratra fanantenana ny teny nambarany, izay toy ny vavaka nanao hoe: "Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao" - Dan. 6:17. 

Tsy ambaran'ny Baiboly amintsika izay nataon'i Daniela tao an-davaky ny liona, saingy azo antoka fa nivavaka izy. Nanome voninahitra ny finoany Andriamanitra ka nandefa ny anjeliny mba hiaro azy. Tsy nahitana ratra i Daniela rehefa tonga ny maraina; vonona hiatrika ny asany indray izy. Izao no nambaran'i EGW: "Tsy nanakana ireo fahavalon'i Daniela hanipy azy tao an-davaky ny liona Andriamanitra. Navelany ny devoly sy ireo olon-dratsy hanatanteraka ny fikasany hatramin'izany fomba izany. Ny mba hamirapiratra bebe kokoa ny fanafahana ny mpanompony sy ho faharesena tanteraka ho an'ireo fahavalon'ny fahamarinana sy ny fahitsiana no anton'izany" - MM, t. 444.

Tsara fiafara ny tantaran'i Daniela, saingy ahoana ny amin'ireo tantara tsy tahaka izany (vakio ny Mar. 6:14-29)? Ahoana no tokony hahatakarantsika ireny tantara ireny? 

Midera an'Andriamanitra ny mpanjaka ao amin'ny Dan. 6:24-28. Inona no nambarany tamin'izany? 

Nidera an'Andriamanitra i Dariosa, ary ampahany manan-danja tao amin'ny tantara izany fiderana nataony izany. Asehony amin'izany ny fahatakarany fa mifehy ny toe-javatra Andriamanitra. Araka izay efa hitantsika dia nidera an'Andriamanitra ihany koa i Nebokadnezara (Dan. 2:20-22; Dan. 3:28,29; Dan. 3:31-33; Dan. 4:31-34). Tahaka ny nanomezan'i Nebokadnezara voninahitra an'Andriamanitra no nanaovan'i Dariosa izany. Nanao lalàna  vaovao ihany koa ny mpanjaka, izay mibaiko ny "hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'Andriamanitr'i Daniela" - Dan. 6:27. 

Nanao fahagagana Andriamanitra mba hanavotana ny ain'i Daniela; novaliany soa ny finoany. Nofaizin'Andriamanitra ireo lehilahy ratsy fanahy, ary hitan'ny rehetra fa manam-pahefana tokoa Izy ary mifehy ny zava-drehetra. Maneho amintsika izay hiseho eto amin'izao tontolo izao amin'ny andro farany izany tantara izany: hamonjy ny olony Andriamanitra ary hanafay ny ratsy fanahy. Haseho ho hitan'ny tany sy ny lanitra ny fahefana sy ny voninahitr'Andriamanitra. Vakio ny Dan. 6:25. Inona no olana hitanao ao amin'io toko sy andininy io? Inona no maha-olana izany? Ny amin'ny vady aman-janak'ireo mpitarika ireo no olana. Raha ny fantatsika mantsy dia tsy manan-tsiny izy ireo kanefa natsipy tao an-davaky ny liona niaraka tamin'ireo tandapa be fialonana ireo. Ahoana no hanazavantsika izany? :

Voalohany, tokony ho fantatsika fa ny lalàna persianina dia milaza fa afaka manasazy ny mpanao ratsy ny mpanjaka, ary tafiditra ao anatin'izany ny fianakavian'ireo. Tamin'ny andron'ny TT, raha misy olona iray manao ratsy dia tompon'andraikitra amin'izany heloka izany koa ny fianakaviany iray manontolo. Tsy midika izany fa mety io fiheverana io, saingy manampy antsika hahatakatra fotsiny ny fitondrana ny toe-javatra teo ambany lalàna persianina izany.

Faharoa, tokony homarihintsika fa mitantara ny toe-javatra ny Baiboly, fa tsy hoe mankasitraka ny fihetsiky ny mpanjaka tsy akory. Raran'ny Baiboly aza ny famonoana ny zanaka noho ny amin'ny heloky ny ray aman-dreniny (Deo. 24:16). Eo anatrehan'ny tsy rariny tahaka izany sy ireo maro hafa, inona no fampaherezana azonao sintonina avy amin'ny toko sy andininy tahaka ny 1Kôr. 4:5? Inona no ambaran'izany, ary nahoana no zava-dehibe ny hevitra asongadiny? 

Antsoina hoe "Firaketana ireo olo-malazan'ny finoana" ny Heb. 11, ary rariny ny anaovana izany. Maneho amintsika ny finoana sy ny asa lehibe nataon'ireo vahoakan'Andriamanitra izany. Milaza amintsika ny bokin'ny Hebreo fa nisy ny mpanompon'Andriamanitra izay "nanakombona ny vavan'ny liona" - Heb. 11:33. Azo antoka fa i Daniela no asehon'io toko sy andininy io. Mahafinaritra ny tantaran'i Daniela, saingy tokony hotsaroantsika miaraka amin'izay koa fa tsy ireo maherifon'ny finoana rehetra no afa-niala tamin'ny fahafatesana tahaka an'i Daniela. Maneho amintsika koa ny Heb. 11 fa maro ny olona niaritra fahoriana sy fahafatesana noho ny finoany. Asain'Andriamanitra mijoro ho vavolombelony amin'ny alalan'ny fahafatesana noho ny finoany tokoa mantsy ny sasany amin'ireo mpanompony. Koa tsy mampianatra antsika ny tantaran'i Daniela fa hanao fahagagana mandrakariva Andriamanitra mba hamonjena izay rehetra tojo zava-tsarotra. Maro ny lehilahy sy vehivavy maty noho ny finoany an'i Jesôsy, kanefa fitsipika manan-danja no ampianarin'ny tantaran'i Daniela antsika: mifehy ny zava-drehetra mitranga Andriamanitra. Amin'ny fiavian'i Jesôsy fanindroany dia hamonjy ireo zanany rehetra amin'ny fahotana sy ny fahafatesana Izy. Hianarantsika bebe kokoa ny amin'izany ao amin'ny toko manaraka ao amin'ny bokin'i Daniela. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Mpandinika frantsay nanana ny lazany i Jean Paul Sartre. Nambarany fa miezaka mafy ny hitovy amin'Andriamanitra ny olombelona. Ahoana no hanampian'izany fanambarany izany antsika hahatakatra ny antony nahalavo an'i Dariosa mpanjaka tao amin'ny fandrika nataon'ireo mpitarika be fialonana? Nahoana isika no tokony hitandrina mba tsy ho lavo ao anatin'izany fandrika izany? Nahoana izany no mampidi-doza? Inona avy ireo fomba hafa ataontsika olombelona mba hitoviantsika amin'Andriamanitra? 

2. Inona no asehonao amin'ny hafa momba ny fahatokianao amin'Andriamanitra sy ny lalàny? Andeha atao hoe nametrahana izao fanontaniana izao ireo olona mahafantatra anao: "Hitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitre ve [ny anaranao] raha hamoizany ny asany na ny ainy mihitsy aza izany?" Inona no mety ho valin'izany?

3. Inona no hitanao eo amin'i Daniela, izay nahatonga azy ho mpanompon'Andriamanitra mahatoky? Nahoana Andriamanitra no nampiasa azy tamin'ny fomba lehibe mba hanao ny asany ety an-tany? Miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra, ahoana no hahatonga anao ho tahaka an'i Daniela? 

4. Fomba ahoana no mety ho nanamarinana an'i Daniela, teo onatrehan'ilay didim-panjakana, raha nanapa-kevitra ny hanova ny fomba fivavahany izy? Sa mety ho marimaritra iraisana mampidi-doza izany? Raha eny, nahoana?