Vakio indray ny amin'ilay nofy sy ny fanazavana izany (Dan. 2:31-49). Inona no asehon'ny fanazavana ny nofy amintsika momba an'Andriamanitra? Hatraiza ny fahafantarany ny hoavy?

Manampy antsika hahatakatra izay voalaza ao amin'ny Dan. 7 sy 8 ary 11 ny Dan. 2. Faminaniana apôkaliptika ny Dan. 2, izay maneho amintsika ny zavatra hitranga amin'ny hoavy.

Ny Ioha volamena dia sary an'ohatra maneho an'i Babilôna (626-539 TLK). Tsy misy metaly mahalaza tsara ny herin'i Babilôna sy ny hareny ankoatra izany. Nomen'ny Baiboly anarana hoe "ilay tanàna volamena" tokoa mantsy i Babilôna (Isa. 14:4). Misy sary an'ohatra iray hafa koa, izay maneho firenty, ilazana ny amin'i Babilôna: "Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan'i Jehovah" - Jer. 51:7; vakio ihany koa ny Apôk. 18:16. Milaza amintsika koa ilay mpahay tantara Hérodote fa rakotra volamena ny tanànan'i Babilôna.

Ny tratra sy sandry volafotsy dia maneho ny Medianina sy Persianina (539-331 TLK). Tahaka ny volafotsy izay tsy manan-danja noho ny volamena, no tsy hahatraran'ny fanjakan'ny Medianina sy Persianina koa ny voninahitra nananan'i Babilôna. Ho fanampin'izany, ny volafotsy koa dia tandindona maneho ny fanjakana persianina noho ny nampiasan'izy ireo izany teo amin'ny rafitry ny fandoavan-ketra.
Ny kibo sy fe varahina dia maneho an'i Grisia (331-168 TLK). Ambaran'ny Ezek. 27:13 fa nanao takalo tamin'ny fanaka varahina ny Grika. Vita tamin'ny varahina koa ny fiarovan-doha sy ny fiarovan-tratra ary ny famakin'ny miaramila grika. Notantarain'i Hérodote izay nambaran'i Psammétique I, mpanjakan'i ,Egipta, raha nahita ireo jiolahin-tsambo grika izy. Nilaza i Psammétique I fa tanteraka ny teny nolazaina mialoha ho fampitandremana ny amin'ireo "lehilahy varahina mivoaka avy amin'ny ranomasina" ireo.

Ny ranjo vy kosa dia maneho an'i Rôma (168 TLK-476 TRK) kosa. Maneho ny herin'ny fanjakana rômanina ny vy, araka ny fanazavan'i Daniela, ary naharitra noho ireo fanjakana rehetra teo alohany izany. Ny vy no metaly maneho indrindra izay nataon'i Rôma satria nanorotoro sy nandrava izay rehetra nijoro nanohitra azy izy.

Ny tongotra vy sy tanimanga dia maneho an'i Eorôpa voazarazara (476 TRK- Fiavian'i Jesôsy fanindroany), taorian'ny nivakian'ny fanjakana rômanina. Mpanjaka maro no niezaka hampiray an'i Eorôpa ho eo ambany fahefana iray ihany kanefa tsy nisy nahomby. Nasehon'i Daniela antsika fa hitoetra tahaka izany hatrany i Eorôpa mandra-panorin'Andriamanitra ny fanjakany, izay haharitra mandrakizay.