Lesona 3 : Maneho ny ho avy Andriamanitra

Hodinihina mandritra ny herinandro : Dan. 2:1-16; Dan. 2:17-23; Dan. 2:24-30; Dan. 2:31-49.

Tsianjery : "Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery" - Dan. 2:20.

Misy bolongamben-dranomandry amin'ny habeny samihafa ao amin'ny rano manodidina  an'i Groenland. Misy fotoana ireo bolongan-dranomandry kelikely mizotra any amin'ny lalana fray, ary lalana fray hafa no izoran'ireo hafa izay lehibebe kokoa. Ny rivotra mitsoka no mitondra ireo kely kokoa; ny hery tosiky ny ranomasina kosa no mitondra ireo bolongan-dranomandry lehibe. Rehefa mieritreritra momba ny fisandratana sy ny fahalavoan'ireo firenena maro teo amin'ny tantara isika dia mitovy amin'ireo rivotra mitsoka eo amin'ny ranomasina sy ny hery tosiky ny ranomasina izany. Sary an'ohatra maneho ny herin'ny olombelona sy ny zava-drehetra izay miova ny rivotra; ny hery tosiky ny ranomasina kosa dia maneho ny fahefan'Andriamanitra. Maneho amintsika izany fa miasa eo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelonaAndriamanitra. Izao no nambaran'i EGW: "Nefa tahaka ireo kintana mihodinkodina eo amin'ny lalana midadasika nofaritana ho azy, dia tsy mirotoroto na mitaredretra ny fikasan'Andriamanitra" - IFM, t. 25.

Miakatra eo amin'ny fahefana ny fanjakana, kanefa mianjera avy eo. Toy ny hoe miseho noho ny herin'ny olombelona ny fijery izany, kanefa asehon'ny Dan. 2 amintsika fa Andriamanitra no mifehy ny tantaran'ny olombelona. Izy no mitantana izany hatrarnin'ny fiafarany.

Vakio ny fitantarana ny nofy nomen' Andriamanitra ny mpanjaka Nebôkadnezara ao amin'ny Dan. 2:1-16.Inona ny Ioza nananontanona an'i Daniela sy ny namany noho ny amin'izany nofy izany?

Nino ny lanjan'ny nofy ny olona tamin'ny andron'ny Baiboly. Ny sasany tamin'ireny dia nampitandrina ny amin'ny fotoan-tsarotra ho avy, ka izany no antony nampitebiteby ny mpanjaka Nebôkadnezara. Ary ny ratsy indrindra aza dia tsy tsaroany mihitsy ny nofy nonofisiny. Ninoan'ireo olon-kendrin'i Babilôna fa afaka manazava ny hevitry ny nofy ireo andriamanitra, kanefa tsy misy azon'izy ireo atao eo anatrehan'ity nofy ao amin'ny bokin'i Daniela ity satria hadinon'ny mpanjaka izany nofy izany. Raha ambara aminy ny nofy dia hitondra ny hevitr'izany izy ireo mba hahafaly ny mpanjaka. Eo anatrehan'ny toe-java.tra izay tsy mbola niseho tahaka izao, rehefa tsy nahay nilaza ny hevitry ny nofin'ny mpanjaka ireo olon-kendry ireo dia tsy maintsy niaiky fa "tsy misy mahay milaza izany eo anatrehan'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, izay tsy manam-ponenana amin'ny nofo" - Dan. 2:11.

Tezitra mafy tamin'ireo olon-kendry ireo ny mpanjaka ka nanome baiko an'i Arioka kapiteniny mba hamono ny olon-kendry rehetra tany Babilôna. Mampalahelo tokoa fa matetika ireo mpanjaka tamin'ny andron'ny Baiboly no nanao tahaka izany rehefa tezitra. Novonoin'i Dariosa I ny olon-kendry rehetra tany Persia rehefa reny ny amin'ny nikotrehan'izy ireo hanohitra azy. Ny mpanjaka Ksersesy indray dia namono ny injenierany rehetra noho ny tetezana iray izay nianjera. Vao avy nahavita ny fianarana nataony i Daniela sy ireo namany ary nampidirina ho ao amin'ny sehatr'ireo manam-pahaizana manodidina ny mpanjaka, raha namoaka ny didy fampamonoana i Nebôkadnezara. Mihatra amin'izy ireo koa, araka izany, izany didy izany. Maneho zava-mahaliana amintsika ny fiteny nampiasain'ny Baiboly, izay maneho fa nanomboka avy hatrany izany famonoana izany, ka i Daniela sy ireo namany no hovonoina manaraka. "(...) tamin'ny fanahy sy ny fahendrena" - Dan. 2:14, anefa no nitenenan'i Daniela tamin'i Arioka, ilay tompon'andraikitra amin'ny famonoana azy ireo. Tamin'ny farany dia nangataka fotoana tamin'ny mpanjaka i Daniela mba hamahana ny zava-miafin'ilay nofy. Nanome fotoana an'i Daniela ny mpanjaka. Nangataka andro taminy ihany koa ireo olon-kendry saingy tsy nomeny fotoana fanampiny. Tsy natoky azy ireo ny mpanjaka, kanefa natoky an'i Daniela. Niombon-kevitra tamin'ireo olon-kendry i Daniela fa tsy misy olona mahavaha zava-miafina tahaka izany, kanefa fantatr'ity mpaminany ity ny amin'ilay Andriamanitra izay afaka mampahafantatra ny nofy sy ny heviny.

Nanome fotoana an'i Daniela ny mpanjaka mba hahafahany manazava ny nofy. Inona no nataony voalohany raha vao avy niresaka tamin'ny mpanjaka? Nolazainy tamin'ireo namany izay hitranga raha toa ka tsy manampy azy ireo Andriamanitra, fa ho faty tokoa izy ireo. Koa nivavaka izy ireo, nangataka fanampiana tamin'Andriamanitra. Isaky ny tojo olana lehibe isika dia tokony hiaiky fa lehibe ny Andriamanitsika ka afaka mamaha na dia ny fihaikana saro-bahana indrindra aza.

Vakio izay voalaza momba ireo vavaka roa ao amin'ny Dan. 2:17-23. Inona ireo vavaka roa nataon'i Daniela sy ny namany?

Karazana vavaka roa no hita ao amin'ity toko ity. Ny voalohany dia vavaka fangatahana ataon'i Daniela amin'Andriamanitra mba haneho aminy ny nofy sy ny hevitr'izany (Dan. 2:17-19). Tsy voalaza eto ireo teny nentiny nangataka izany, saingy ambara amintsika fa nangataka famindrampo amin'Andriamanitry ny lanitra ny amin'izany zava-miafina izany" - Dan. 2:18, i Daniela sy ireo namany. Rehefa nivavaka izy ireo dia namaly ny fangatahany Andriamanitra ka naneho taminy ny nofin'ny mpanjaka sy ny heviny. Mahazo matoky isika fa isaky ny mangataka "famindrampo amin'Andriamanitry ny lanitra" isika dia ho re koa ny vavaka ataontsika, na dia tsy ao anatin'ny toe-javatra mampihorohoro tahaka izay hitantsika eto aza, satria Andriamanitsika koa ilay Andriamanitr'i Daniela.

Vavaka fisaorana sy fiderana no nipololotra avy teo am-bavan'i Daniela sy ireo namany teo anatrehan'ny famalian'Andriamanitra ny fangatahany. Midera an'Andriamanitra izy ireo noho ny maha-loharanon'ny fahendrena Azy sy noho ny nifehezany ny tantara sy ny fitondram-panjakana. Misy lesona manan-danja ho antsika eto: zavatra maro no angatahintsika amin'Andriamanitra, saingy mba tsaroantsika ve ny midera Azy noho ny namaliany ny vavatsika? Tsarovy ny tantaran'i Jesôsy sy ireo boka folo lahy izay nositraniny. Iray ihany anefa no niverina tamin'izy folo lahy mba "hanome voninahitra an'Andriamanitra" - Lio. 17:18. Maneho zavatra mampalahelo mikasika ny olombelona izany tantara izany. Matetika mantsy isika no tsy mahatsiaro hisaotra an'Andriamanitra noho ireo fanomezana sy fitahiana marobe atolony antsika. Tsy hoe mampahatsiahy antsika ny lanjan'ny fisaorana sy ny fiderana fotsiny ihany ny vavaka nataon'i Daniela, fa maneho koa ny toetr'ilay Andriamanitra izay ivavahantsika. Rehefa mivavaka Aminy isika dia mahazo matoky fa hanao izay mahasoa antsika indrindra Izy, ka izany no tokony hiderantsika sy hisaorantsika Azy mandrakariva.

Vakio ny Sal. 138. Inona no lesona azo sintonina avy amin'io vavaka fisaorana io, izay hanampy anao hianatra ny haneho fisaorana an'Andriamanitra, na inona na inona toe-java-misy?

Inona no ambaran'i Daniela ao amin'ny Dan. 2:24-30. Nahoana no zava-dehibe ny hitadidiantsika ireo teny ireo? (Vakio koa ny Jao. 5:15)

Ho valin'ny vavaka natao dia nambaran'Andriamanitra ny nofy sy ny hevitr'izany, ary tsy nisalasala i Daniela nilaza tamin'ny mpanjaka fa avy arnin'Andriamanitra any an-danitra" ny famahana izany zava-miafina izany. Mialoha ny hilazan'i Daniela ny nofy sy ny hevitr'izany dia nambarany aloha ny eritreritra sy ny tebitebin'ny mpanjaka raha tsy nahita torimaso tao amin'ny fandriany izy. Andriamanitra irery ihany no mahalala ny fisainana miafina sy ny fihetsehampo, ka izany fanambarana izany no nanampy ny mpanjaka hatoky kokoa ny hafatra nentin'i Daniela satria hitany fa Andriamanitra any an-danitra ihany no afaka maneho zava-miafina tahaka izany. Tsy vaovao tsara ho an'ny mpanjaka anefa ilay nofy; loza no mety hanjo an'i Daniela raha milaza izany, saingy nambarany ny mpanjaka ihany izany.

Vakio ny momba ny nofin'ny mpanjaka ao amin'ny Dan. 2:31-49. Ahoana ny fomba ilazan'ny nofy ny amin'ny hifaranan'ny fanjakan'i Nebôkadnezara?

Momba ny sarivongana anankiray ilay nofy. "Ny lohan'izany sary izany dia volamena tsara, ny tratrany sy ny sandriny dia volafotsy, ny kibony sy ny feny dia varahina, ny ranjony dia vy, ary ny tongony dia vy sy tanimanga"- Dan. 2:32,33. Tamin'ny farany dia nisy vato izay "namely ilay sary teo amin'ny tongony" - Dan. 2:34, ka nirodana sy torotoro tahaka ny akofa entin'ny rivotra izany. Rehefa izany dia nanazava ny amin'ireo karazana metaly i Daniela. Nambarany fa maneho fanjakana samy hafa amin'ny hoavy ny tsirairay avy amin'izy ireo. Hisolo toerana ny fanjakana eo alohany ny fanjakana tsirairay. Nazava tamin'i Nebôkadnezara ny hafatra: ho lavo i Babilôna sy ny heriny ary ny voninahiny rehetra ka hodimbiasan'ny fanjakana hafa, izay harahin'ny fanjakana maro hafa koa, mandra-pahatonga ny fanjakana iray tena hafa tanteraka amin'izy ireo: ny fanjakan'Andriamanitra izay haharitra mandrakizay.

Jereo fa tsy misy na iray aza haharitra mandrakizay eto amin'ity tany ity. Inona no ampianarin'izany antsika mikasika ny fanantenantsika ao amin'i Jesôsy? (vakio ny Jao. 6:54 sy ny 2 Kôr. 4:18).

Vakio indray ny amin'ilay nofy sy ny fanazavana izany (Dan. 2:31-49). Inona no asehon'ny fanazavana ny nofy amintsika momba an'Andriamanitra? Hatraiza ny fahafantarany ny hoavy?

Manampy antsika hahatakatra izay voalaza ao amin'ny Dan. 7 sy 8 ary 11 ny Dan. 2. Faminaniana apôkaliptika ny Dan. 2, izay maneho amintsika ny zavatra hitranga amin'ny hoavy.

Ny Ioha volamena dia sary an'ohatra maneho an'i Babilôna (626-539 TLK). Tsy misy metaly mahalaza tsara ny herin'i Babilôna sy ny hareny ankoatra izany. Nomen'ny Baiboly anarana hoe "ilay tanàna volamena" tokoa mantsy i Babilôna (Isa. 14:4). Misy sary an'ohatra iray hafa koa, izay maneho firenty, ilazana ny amin'i Babilôna: "Babylona dia kapoaka volamena teny an-tànan'i Jehovah" - Jer. 51:7; vakio ihany koa ny Apôk. 18:16. Milaza amintsika koa ilay mpahay tantara Hérodote fa rakotra volamena ny tanànan'i Babilôna.

Ny tratra sy sandry volafotsy dia maneho ny Medianina sy Persianina (539-331 TLK). Tahaka ny volafotsy izay tsy manan-danja noho ny volamena, no tsy hahatraran'ny fanjakan'ny Medianina sy Persianina koa ny voninahitra nananan'i Babilôna. Ho fanampin'izany, ny volafotsy koa dia tandindona maneho ny fanjakana persianina noho ny nampiasan'izy ireo izany teo amin'ny rafitry ny fandoavan-ketra.
Ny kibo sy fe varahina dia maneho an'i Grisia (331-168 TLK). Ambaran'ny Ezek. 27:13 fa nanao takalo tamin'ny fanaka varahina ny Grika. Vita tamin'ny varahina koa ny fiarovan-doha sy ny fiarovan-tratra ary ny famakin'ny miaramila grika. Notantarain'i Hérodote izay nambaran'i Psammétique I, mpanjakan'i ,Egipta, raha nahita ireo jiolahin-tsambo grika izy. Nilaza i Psammétique I fa tanteraka ny teny nolazaina mialoha ho fampitandremana ny amin'ireo "lehilahy varahina mivoaka avy amin'ny ranomasina" ireo.

Ny ranjo vy kosa dia maneho an'i Rôma (168 TLK-476 TRK) kosa. Maneho ny herin'ny fanjakana rômanina ny vy, araka ny fanazavan'i Daniela, ary naharitra noho ireo fanjakana rehetra teo alohany izany. Ny vy no metaly maneho indrindra izay nataon'i Rôma satria nanorotoro sy nandrava izay rehetra nijoro nanohitra azy izy.

Ny tongotra vy sy tanimanga dia maneho an'i Eorôpa voazarazara (476 TRK- Fiavian'i Jesôsy fanindroany), taorian'ny nivakian'ny fanjakana rômanina. Mpanjaka maro no niezaka hampiray an'i Eorôpa ho eo ambany fahefana iray ihany kanefa tsy nisy nahomby. Nasehon'i Daniela antsika fa hitoetra tahaka izany hatrany i Eorôpa mandra-panorin'Andriamanitra ny fanjakany, izay haharitra mandrakizay.

Vakio ny Dan. 2:34,35,44,45. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba ity tany ity? Ahoana no hifaranan'ny tantaran'ny zanak'olombelona?

Mifantoka amin'izay hitranga "any am-parany" - Dan. 2:28 ny nofin'ny mpanjaka. Na dia matanjaka sy manan-karena tokoa aza ny fanjakana vy (sy tanimanga), dia tsinontsinona eo anatrehan'ilay fanjakana vato izany. Sary an'ohatra maneho fanjakan'olombelona ny vy sy tanimanga. Ilay vato kosa dia tsy nataon'ny tanan'olombelona, ary asehon'ny nofy fa hitoetra mandrakizay izany. Sary an'ohatra maneho an'Andriamanitra izany vato izany (vakio ny Deo. 32:4; 1 Sam. 2:2; Sal. 18:31). Sary an'ohatra maneho an'i Jesôsy koa izany (Sal. 118:22; 1 Pet. 2:4,7). Araka izany dia tsy misy sary an'ohatra mahalaza kokoa ny fampiorenana ny fanjakan'Andriamanitra izay haharitra mandrakizay mihoatra noho ny vato.

Misy ireo izay milaza fa naorina nandritra ny asa nataon'i Jesôsy teto an-tany ilay fanjakana vato, ka ny fielezan'ny filazantsara no famantarana fa manenika izao tontolo izao ny fanjakan'Andriamanitra. Aorian'ny fahalavoan'ireo fanjakan-dehibe efatra anefa vao ho avy ilay fanjakana vato, rehefa tonga eo amin'ireo fanjakana mizarazara izay aseho amin'ny tongotra sy rantsan-tongotr'ilay sarivongana ny tantaran'ny tany. Mitsipaka ny fahatanterahan'izany mandritra ny taonjato voalohany izany toe-javatra izany, satria mbola teo ambany fanapahan'i Rôma - ilay fanjakana fahefatra - izao tontolo izao raha nanao ny asany teto an-tany i Jesôsy.

Namely ilay sarivongana ilay vato, na vatolampy, tao amin'ilay nofy. "(...),ary ilay vato namely ny sary dia tonga tendrombohitra lehibe nahafeno ny tany rehetra" - Dan. 2:35. Maneho ny tendrombohitra Ziona izany tendrombohitra izany, dia ilay toerana nisy ny tempoly izay fanehoana hita maso ny fanjakan'Andriamanitra tety an-tany tamin'ny andron'ny TT. Mahaliana fa tonga tendrombohitra koa ilay vato nendahana tamin'ny tendrombohitra. Tena misy io tendrombohitra io araka ny Soratra Masina, ary azo heverina fa manondro an'i Ziona any an-danitra izany. Io ilay fitoerana masina, izay hiavian'i Jesôsy mba hanorina ny fanjakany mandrakizay. Ao amin'i Jerosalema izay midina avy any an-danitra (Apôk. 21; 22:1-5) no hisehoan'ny fahatanterahan'izany fanjakana izany.

Marina avokoa hatreto izay voalazan'ny Dan. 2. Araka izany, nahoana isika no tokony hatoky izay ambarany mikasika ilay fanjakana farany?

Araka ny hitantsika dia vita tamin'ny volamena sy volafotsy ilay sarivongana ao amin'ny Dan. 2. Maneho ny haren'i Babilôna sy ny Medianina sy Persianina ireo rnetaly ireo. Vita tamin'ny varahina sy vy koa izany: nampiasa ny varahina ny Grika ary ny Rômanina kosa nampiasa ny vy. Nampiasain'izy ireo nanamboarana fitaovana samihafa sy fitaovam-piadiana ary vilany izany. Nanamboatra vilany tsara tarehy izay nampiasainy tamin'ny fiainana andavanandro ny Grika sy ny Rômanina. Matetika izy ireo no nanan sary mahafinaritra izay naneho ny finoany sy ny fomba fijeriny ny fiainana teo amin'ireny vilany ireny. Ny sarivongana ao amin'ny Dan. 2, araka izany, dia ohatra iray maneho ny zava-kanto sy ny hatsaran-tarehy ary ny hery hita teo amin'ireo fanjakana tamin'ny andron'ny Baiboly. Maneho ireo fanjakana samy hafa izay hifehy ny tany mandra-piavin'i Jesôsy koa ireo ampahany samy hafa amin'ilay sarivongana. Maneho indrindra ny sarin'i Eorôpa amin'ny andro farany ny tongotr'ilay sary. Rehefa izay dia mahita "ilay vato, izay "tsy nendahan-tanana" - Dan. 2:45 isika, sary an'ohatra lehibe manampy antsika hahatakatra zava-manan-danja iray: hamarana ny tantaran'ny tany sy ny voninahitr'olombelona rehetra Andriamanitra.

"Raha amin'ny fijerin'olombelona, dia toy ny korontan-javatra iray lehibe ny tantara (...). Asehon'i Daniela anefa fa ao ambadiky ny zavatra rehetra hitantsika Andriamanitra. Mijery izay toe-java-mitranga eto amin'ity tany ity avy any an-danitra Izy. Miasa ao am-po sy ao an-tsain'ireo mpitarika Izy ka mampitranga ny toe-javatra. Manao izay hahasoa indrindra Izy" - RD, t. 98, nasiam-panamboarana.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN -KEVITRA:

1. Mahafinaritra ny mahafantafra fa mifehy ny toe-javatra rehetra mitranga eto an-tany Andriamanitra. Maro tokoa ny fahoriana eo amin'ny fiainana, saingy hofaranany izany. Mandra-pahatonga izany anefa, inona no azontsika atao mba hampitsaharana ny fahoriana hitantsika manodidina antsika?

2. Nampahory loatra ny vahoakan'Andriamanitra ny mpanjaka Nebôkadnezara. Nahoana àry, araka ny hevitrao, i Daniela no niara-niasa akaiky tamin'izany mpanjaka izany ary nahatoky taminy?

3. Ilay vato ao amin'ny Dan. 2 dia maneho fa hanenika ny tany iray manontolo ny fanjakan'i Jesôsy, aorian'ny fiaviany fanindroany. Nahoana àry ny fiavian'i Jesôsy fanindroany no hany fanazavana mety ny amin'izay hataon'ilay vato amin'ny andro farany?