Lesona 1 : Mamaky ary mahatakatra

Hodinihina mandritra ny herinandro : Lio. 24:25-27; Dan. 7:6; Nom. 14:34; Ezek. 4:5,6; Dan. 9:23.
Tsianjery : "Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin'Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?" - Asa. 8:30.

Ny bokin'i Daniela no hianarantsika mandritra ity telovolana ity; io ilay boky izay nahatonga ny fahaterahan'ny fiangonantsika izany. Zava-dehibe ny fitadidiana fitsipika sasantsasany rehefa mamaky ny bokin'i Daniela satria manampy amin'ny fitarihan-dalana antsika eo amin'ny fianarana izany.

Voalohany, tokony hotsaroantsika mandrakariva fa ny bokin'i Daniela dia momba an'i Jesôsy , tahaka ny Baiboly iray manontolo ihany.

Faharoa, tokony homarihintsika tsara ny fomba nanoratan'i Daniela izany boky izany. Ahoana no nandaharany ireo lohahevitra resahiny? Inona no mandeha aloha? Inona no manaraka izany? Zava-dehibe izany firafitra izany satria manampy antsika hahatakatra ny hevitra tian'ny boky hampitaina.

Fahatelo, tokony ho takatsika ny fahasamihafana eo amin'ny faminaniana apôkaliptika sy ny faminaniana tsotra. Hanampy antsika hanavaka ireo faminanian'i Daniela amin'ny an'ny hafa tahaka ny an'i Isaia sy Amôsa ary Jeremia izany.

Fahefatra, rehefa mianatra ireo faminanian'i Daniela mikasika ny fotoana isika, dia tokony ho takatsika fa mahakasika fe-potoana lava ny farninanian'i Daniela, ary faritana araka ny fitsipika andro iray mira taona fray.

Fahadimy, tokony hotsaroantsika fa tsy hoe manambara izay hitranga amin'ny hoavy ihany ny bokin'i Daniela fa mitory ireo fahamarinana manan-danja ho an'ny fiainantsika ankehitriny ihany koa.

Ahoana no anehoan'ny Baiboly an'i Jesôsy amintsika? Vakio ny Lio. 24:25-27; Jao. 5:39, ary ny 2 Kôr. 1:19,20.

I Jesôsy no ivon'ny Soratra Masina iray manontolo, ary tafiditra ao anatin'izany ny Daniela. Maneho ny fanandramana niainan'i Daniela ny Dan. 1, fanandramana izay mifandraika amin'izay niainan'i Jesôsy amin'ny lafiny maro izany. Nandao ny lanitra Izy ka nonina teto an-tany, ary niady tamin'ny herin'ny maizina. I Daniela koa dia nalana tao amin'ny tranony ka nentina nankany Babilôna, ary nanohitra ny faharatsiana tany. Nomen'Andriamanitra fahendrena mba hananany fiainam-pahamasinana i Daniela sy ireo namany tany Babilona; hita taratra teo amin'i fiainan'i Jesôsy ihany koa izany fahendrena izany. Maneho amintsika vato anankiray ny toko faharoa. Sary an'ohatra maneho ny fahamarinana amin'ny andro farany izany, izay maneho ny fanjakan'i Kristy hisolo toerana ireo fanjakana rehetra eto an-tany. Ny toko fahatelo dia maneho an'i Jesôsy tao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra, niaraka tamin'ireo mpanompony mahatoky. Ny toko fahefatra indray dia maneho amintsika fa nesorin'Andriamanitra teo amin'ny fiandrianany nandritra ny fotoana vitsivitsy i Nebôkadnezara mpanjaka. Tian'Andriamanitra ho takatry ny mpanjaka fa "ny Avo Indrindra no manapaka amin'ny fanjakan'ny olona" - Dan. 4:29.

Mampahatsiahy antsika ny teny hoe "ny Avo Indrindra no manapaka" fa omen'Andriamanitra Ray an'i Jesôsy ny fahefana sy ny fanjakana ao amin'ny Dan. 7. Maneho amintsika ny fiafaran'ny fanjakan'i Babilôna sy ny fiandrianan'i Belsazara mpanjaka ny toko fahadimy. Nandresy ny Babilônianina ny Persianina tamin'ny alina izay nanaovan'ny mpanjaka Belsazara fanasana feno fanaranam-po tamin'ny filan'ny nofo. Maneho amintsika ny hoavy ny faharavan'i Babilona, izay handresen'i Jesôsy sy ny anjeliny an'i Satana sy i Babilônan'ny andro farany. Miresaka ny amin'ireo mpitarika ratsy fanahy izay nikotrika ny famelezana an'i Daniela tamin'ny lainga nataon'izy ireo ny Dan. 6; mampahatsiahy antsika ny lainga niampangan'ny mpitarika ara-pivavahana Jesôsy  izany. Nanao izay hiarovana an'i Daniela i Dariosa mpanjaka kanefa tsy nahomby, tahaka izany koa i Pilato raha nanao izay hanavotana an'i Jesôsy tamin'ny fahafatesana (Mat. 27:17-24). Maneho an'i Kristy, ilay Zanak'olona izay mandray ny fanjakana ka manjaka amin'ny olony, ny toko fahafito. Ny toko fahavalo kosa dia maneho an'i Kristy amin'ny maha-Mpisoronabe Azy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra. Ny toko fahasivy dia maneho Azy, ilay sorona, ka ny fahafatesany no manamafy ny fanekena eo amin'Andriamanitra sy ny vahoakany. Maneho an'i Kristy amin'ny maha-Mikaela Azy ny toko faha-10 hatramin'ny 12, izay niady tamin'ny herin'ny ratsy ary nanavotra ny vahoakan'Andriamanitra tsy ho azon'ny herin'ny fahafatesana ary nandresy tamin'izany.

Koa aoka ho ao an-tsaintsika mandrakariva fa i Kristy no ivon'ny bokin'i Daniela. Misy hatrany ny toe-javatra na hevitra izay manondro an'i Kristy ao amin'ireo toko tsirairay.

Raha ao anatin'ny ady sarotra na ny fitsapana na koa ny fotoam-pifaliana sy fahombiazana aza isika, ahoana no hianarantsika hihazona an'i Kristy ho ivon'ny fiainantsika? Nahoana no zava-dehibe ny fanaovantsika izany?

Nosoratan'i Daniela tamin'ny teny hebreo ny ampahany sasany amin'ny bokiny, ary teny arameanina kosa ny ambiny. Nosoratana tamin'ny teny arameanina ny toko faharoa hatramin'ny fahafito, izay manana firafitra manokana afaka manampy antsika hahatakatra ny hafatra fonosiny. Manampy antsika hahatakatra ny boky iray manontolo izany. Andeha hojerentsika izany firafitra izany.

A. Ny nofin'i Nebokadnezara momba ireo fanjakana efatra (Dan. 2)

              B. Nanavotra ireo naman'i Daniela tamin'ny lafaoro nirehitra afo Andriamanitra (Dan. 3)

                         D. Fitsarana an'i Nebokadnezara (Dan. 4)

                         D'. Fitsarana an'i Belsazara (Dan. 5)

              B'. Namonjy an'i Daniela tao an-davaky ny liona Andriamanitra (Dan. 6)

A'. Ny nofin'i Daniela momba ireo fanjakana efatra (Dan. 7)

Manampy antsika hahita ny hevitra manan-danja indrindra ao amin'ny Dan. 2--7 io firafitra io, hitantsika eo amin'ny fisasahan'ny toko izany, dia ny toko faha-4 sy 5. Nesorin'Andriamanitra teo amin'ny fanjakana nandritra ny fotoana voafetra i Nebokadnezara ao amin'ny toko faha-4. Ao amin'ny toko faha-5 kosa dia nesoriny mandrakizay teo amin'ny fanjakany i Belsazara. Koa ny hevitra manan-danja indrindra ao amin'ny Dan. 2--7 dia ny fifehezan'Andriamanitra ny tany. Izy no mametraka ny mpanjaka eo amin'ny fanjakany, ary Izy no manaisotra.

Iray amin'ireo fomba mahomby indrindra amin'ny fampitana hafatra sy fanazavana tsara ny hevitra iray ny famerimberenana izany. Ohatra amin'izany ny nanomezan'Andriamanitra an'i Farao nofy anankiroa mikasika ny hoavin'i Egipta (Gen. 41 : 1 -7). Tamin'ilay nofy voalohany dia nohanin'ireo ombivavy mania ireo ombivavy matavy. Tamin'ny nofy faharoa, ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-vary fito vokatra sy be voa. Hevitra iray ihany no avohitr'ireo nofy roa ireo: fito taona zina harahin'ny fito taona mosarena.

Mampiasa izany drafitra izany koa Andriamanitra ao amin'ny bokin'i Daniela. Faminaniana efatra momba ny fotoana no asehon'i Daniela antsika, izay anomezan'Andriamanitra hafatra ho antsika ao amin'ny faminaniana tsirairay. Misy fahasamihafana avy ireo faminaniana ireo kanefa maneho amintsika vanim-potoana iray ihany eo amin'ny tantaran'ny tany. Hitantsika eo amin'ny fafana etsy ambany izany rafitra izany, izay maneho amintsika fa mifehy ny toe-javatra Andriamanitra.


 DAN. 2

DAN.7

DAN. 8; 9

DAN.10, 11, 12

                          Babilôna

 

Babilôna

 

                   -

 

                       -

 

Medianina sy Persianina 

 

    Medianina sy Persianina 

 

 

Medianina sy Persianina 

 

Medianina sy Persianina 

 

Grisia

 

Grisia

 

Grisia

 

Grisia


Mametraka ny fanjakany   Andriamanitra

Mitsara ireo ratsy fanahy nodimandry ny vahokan'Andriamanitra mandritra ny arivo taona

Manadio ny fahotana ao amin'ny tempoly any an-danitra Andriamanitra

 

Mitsangana i Mikaela


 

Tsy mitovy karazana amin'ny ankamaroan'ny hafa-paminaniana izay nambaran'ireo mpaminanin'ny TT ny fahitana ara-paminaniana voarakitra ao amin'ny bokin'i Daniela. Maneho amintsika izay hiseho amin'ny hoavy izany raha toa ka hafatra tsotra avy amin'Andriamanitra ho an'ny vahoakany ny ankamaroan'ireo faminaniana ao amin'ny Zava-dehibe ny fahatakarana ny maha-samy hafa ny faminaniana momba ny andro farany amin'ireo faminaniana hafa.

Manana toetra manokana mampiavaka azy ny faminaniana momba ny andro farany, izay tsy ananan'ny faminaniana tsotra. Hotanisaintsika etsy ambany izany :

Nofy sy fahitana. Eo amin'ny faminaniana momba ny andro farany dia mampiasa nofy Andriamanitra mba hampitana ny hafany amin'ny mpaminaniny. Mandefa ny teniny amin'ny mpaminany kosa izy amin'ny faminaniana tsotra. Miverina in-1600 ny hoe "ny tenin'i Jehovah" ao amin'ireo asa soratry ny mpaminanin'ny TT . Mety ho voafaoka ao amin'izany koa ny fahitana na ny nofy.

Sary an'ohatra. Voafetra ihany ny sary an'ohatra hita ao amin'ny faminaniana tsotra, ary matetika ahitana tandindona izay tena misy eo amin'ny fiainana izany. Tandindona sy sary an'ohatra ankoatra ny zava-misy eo amin'ny fiainan'ny olombelona kosa no asehony ao amin'ny faminaniana momba ny andro farany, tahaka ny fitambaran'ny biby roa samy hafa na koa biby mampatahotra misy tandroka na elatra.

Ny fiandrianan'Andriamanitra sy ny maha-tsy misy fepetra izany. Matetika ny faminaniana tsotra no niankina tamin'ireo safidy izay hataon'ny Isiraely; tsy tahaka izany anefa ny faminaniana apôkaliptika izay tsy maintsy hitranga na ahoana na ahoana. Asehon'Andriamanitra ao amin'ireo faminaniana momba ny andro farany ireo ny amin'ireo fanjakana izay hifehy ny tany, nanomboka tamin'ny andron'i Daniela hatramin'ny fiafaran'izao tontolo izao. Tsy miankina amin'ny safidin'olombelona ny faminaniana apokaliptika; na inona na inona safidintsika hatao dia tsy maintsy hitranga izany amin'ny fotoana nambaran'Andriamanitra fa hitrangany.

Vakio ny Jona 3:3-10; Hôs. 3:4,5; Amô. 8:11 ary ny Zak. 9:1. Faminaniana tsotra ve ireo sa faminaniana apokaliptika? Hazavao. Ahoana ny amin'ny Dan. 7:6?

Manampy antsika hahafantatra ny antony maha-samy hafa ny faminaniana tsotra amin'ny faminaniana momba ny andro farany izany. Voalohany dia hitantsika fa mampiasa fomba maro samy hafa Andriamanitra mba hampitana ny fahamarinany (Heb. 1:1). Faharoa, manampy antsika hahatakatra kokoa ny Baiboly ny fampahafantarana mikasika ny faminaniana, ka ho hitantsika mazava kokoa ny hatsaran'izany. Fahatelo, manampy antsika hahatakatra araka ny tokony ho izy ny faminanian'ny Baiboly izany fahalalana izany hahafahantsika manazava izany amin'ny hafa (2 Tim. 2:15).

Inona no fomba tsara indrindra hahatakarana ny faminanian'i Daniela na ny faminaniana apokaliptika? Isika dia mino fa maneho ny tantara avy amin'ny andron'i Daniela hatramin'ny fiafaran'izao tontolo izao ny faminaniana ao amin'ny bokin'i Daniela, saingy tsy ny rehetra no miombon-kevitra amin'izany. Ahoana ary no hanazavan'izy ireo ny faminaniana? (1) Milaza ny olona sasany fa manambara toe-javatra efa nitranga ny faminaniana ao amin'ny bokin'i Daniela, ka sokajiny ho ao amin'ny vanim-potoana lasa avokoa izany. (2) Ny hafa indray mino fa toe-javatra hiseho amin'ny hoavy ihany no asehon'izany faminaniana izany. (3) Misy koa anefa ireo olona izay mino fa sary an'ohatra ihany ireo faminaniana mikasika ny fotoana, ary ambaran'izy ireo fa fahamarinana ara-panahy ihany no asehon'izany sary an'ohatra izany ka tsy inoany fa maneho antsika mikasika ny tantara na ny hoavy izany. Tahaka antsika koa, ireo mpamaky lay advantista - anisan'izany i Ellen G. White - dia nino fa maneho ny tantara nanomboka tamin'ny andron'i Daniela hatramin'ny fiafaran'izao tontolo izao ireo faminaniana ao amin'ny Daniela.

Hianatra ireo faminaniana momba ny fotoana ao amin'ny Dan. 2; 7; 8 ary 11 isika; ho hitantsika ao amin'izany fa ny toko tsirairay dia mampiseho ny tantara nanomboka tamin'ny andron'i Daniela hatramin'ny andro farany. Ahitana fomba fijery samy hafa sy fahalalana vaovao hatrany ao amin'ny tsirairay avy amin'ireo toko ireo.

Vakio ny Nom. 14:34 sy ny Ezek. 4:5,6. Inona no asehon'ny "andro" iray araka ny mahazatra amin'ny fomba fiteny ara-paminaniana?

Rehefa mandinika ny Daniela isika dia tokony hahatsiaro fa refesina araka ny fitsipika hoe andro iray mira taona iray ny fe-potoana ara-paminaniana. Izany hoe ny andro iray amin'ny faminaniana dia mitovy amin'ny taona iray amin'ny fotoana eo amin'ny tantara. Araka izany, ny faminaniana mikasika ny 2300 maraina sy hariva dia tokony horaisina amin'ny hevitry ny hoe 2300 taona (Dan. 8:14). Tahaka izany koa, ny faminaniana momba ny 70 herinandro dia tokony horaisina amin'ny hevitry ny hoe 490 taona (Dan. 9:24-27).

Antony telo manan-danja no maha-marina ny fitsipika momba ny andro iray mira taona iray. (1) Sary an'ohatra ireo nofin'i Daniela ka azo antoka fa tahaka izany koa ny fotoana voalaza ao amin'izany nofiny izany. (2) Maneho ny toe-java-mitranga manomboka amin'ny andron'i Daniela hatramin'ny fiafaran'izao tontolo izao ireo nofy ireo; tokony hifanaraka, araka izany, ny fotoana voalaza ao amin'izany hafatra izany sy ny toe-javatra. (3) Hamafisin'ny Daniela ny fitsipika momba ny andro iray mira taona iray. Ohatra mazava maneho izany ny faminaniana ny amin'ny 70 herinandro, izay nanomboka tamin'ny fotoana nanjakan'i Artaksersesy hatramin'ny nahatongavan'i Jesôsy Ilay Mesia. Hitantsika fa ny fomba tsara indrindra hahatakarana ny faminaniana momba ny fotoana dia ny fampiasana ny fitsipika momba ny andro iray mira taona iray.

Maherin'ny 2500 taona lasa izay no nanoratan'i Daniela ny bokiny, kanefa misy fahamarinana manan-danja ho an'ny olona amin'izao andro izao ao amin'izany boky izany. Lesona telo avy amin'ny bokin'i Daniela no hojerentsika.

Mifehy ny fiainantsika Andriamanitra. Na dia ratsy aza ny toe-javatra dia mifehy izany Andriamanitra ary miasa eo amin'ny fiainantsika mba hahasoa antsika. Misy tokoa ny fitoviana eo amin'ny fanandramana niainan'i Daniela tany Babilona sy ny an'i Josefa tany Egipta ary ny an'i Estera tany Persia. Samy lasan-ko babo tany amin'ny firenen-kafa ireo tanora telo ireo ary teo ambany fahefana matanjak'ireo firenena mpanompo sampy. Mety ho marefo sy narian'Andriamanitra ny fahitan'ny mpitazana tsotra azy ireo, kanefa nampahery azy ny Tompo ary nampiasa azy tamin'ny fomba mahery vaika. Azontsika atao ny manao jery todika ny tantaran'i Daniela sy i Josefa ary i Estera rehefa tojo fitsapana sy fahoriana ary fanenjehana isika. Afaka mahazo antoka isika fa mbola mitoetra ho Tompontsika hatrany Andriamanitra; tsy manary antsika Izy na dia ao anatin'ny fitsapana sy ny fizahan-toetra aza.

Mifehy ny tantara Andriamanitra. Misy fotoana ahatsapantsika alahelo noho ny faharatsiana misy eo amin'ny fiainana, kanefa mazava ny hafatra ao amin'ny bokin'i Daniela: mifehy ny toe-javatra Andriamanitra. Maneho izany fahamarinana izany amintsika ny toko tsirairay avy ao amin'ny bokin'i Daniela. Izao no nambaran'i EGW: "Ataon'ny boky momba ny tantara izay inoantsika fa miankina amin'ny herin'ny olombelona ny fitomboan'ny firenena sy ny fanjakana. Tian'ireo boky momba ny tantara ireo ny hinoanao fa noho ny fahefana sy ny fanirian'ny olombelona no mampisy ny toe-javatra eto an-tany, kanefa maneho ny marina amintsika ny Baiboly. Asehony amintsika fa manatanteraka ny drafiny Andriamanitra. Mahari-po Izy ary mangina, raha miasa ao anatin'ny olombelona mba hanatanteraka ny drafiny." - Ed, t. 173, nasiam-panamboarana.

Maneho ohatra ho an'ireo vahoakany amin'ny andro farany Andriamanitra. Ohatra ho antsika i Daniela sy ireo namany, izay maneho amintsika ny fomba hijoroana ho mahatoky amin'Andriamanitra rehefa tsy mankatò Azy ny manodidina antsika. Misy fotoana mety hahatsapantsika fa ilaintsika ny miala amin'ny fahamarinana mba hahitana fahombiazana, kanefa ohatra ho antsika i Daniela sy ireo namany izay maneho antsika ny fomba itokiana amin'ny lalàn'Andriamanitra. Mampahery antsika hijoro izy ireo rehefa mamely antsika noho ny finoantsika ny hafa. Asehon'i Daniela antsika koa fa azontsika hatsaraina ny fiainan'ireo olona eo amin'ny fiarahamonina misy antsika kanefa tsy mila miala amin'ny fahamarinana isika mba hanaovana izany.

Vakio ny Dan. 9:23; Dan. 10:11,12 ary ny Mat. 10:29-31. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo momba ny halehiben'ny fiheveran'Andriamanitra ny fahoriana sy ny fijaliana atrehintsika?

"Notendrena ho mpitari-dalana izay rehetra maniry hahafantatra ny sitrapon'Ilay Mpanao azy ny Baiboly. Nomen'Andriamanitra ny olona ny teny azo antoky ny faminaniana; ny anjely, ary Kristy mihitsy aza, no tonga nampahafantatra an'i Daniela sy Jaona ny zavatra tsy maintsy ho tonga faingana. Ireo zava-dehibe mikasika ny famonjena antsika ireo dia tsy navela ho fonosin'ny zava-miafina. Tsy nambara tamin'ny fomba hahavery heuitra sy handiso lalana izay tena mikasika tokoa ny fahamarinana izany. Hoy Jehovah amin'ny alalan'ny mpaminany Habakoka: `Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fafana, mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza' - Hab. 2:2. Mazava ho an'izay rehetra mandinika izany amin'ny fo mivavaka ny tenin'Andriamanitra. Ny fanahy tena tsotra rehetra dia ho tonga eo amin'ny fahazavan'ny fahamarinana. fahazavana no voafafy ho an'ny marina' - Sal. 97:11. Ary tsy misy fiangonana afa-mandroso amin'ny fahamasinana raha tsy mikatsaka fatratra ny fahamarinana toy ny fitady harena nafenina ny mambra ao" - HM, tt. 542, 543.

"Diniho ny tantaran'i Daniela sy ireo namany, izay nonina teo amin'ny toerana izay nanaovan'ny devoly ezaka mba hanotany hatrany. Nanome voninahitra an'Andriamanitra anefa izy ireo teo amin'ny fiainany andavanandro. Nanapa-kevitra ny hanalavitra ny faharatsiana izy; nolaviny ny hanaraka ny lalan'ny fahotana. Nitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra izy ka nomen'Andriamanitra fitahiana lehibe" - MR, [lah. 224], b. 4, tt. 169,170, nasiam-panamboarana.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :

1. Asehon'ny bokin'i Daniela amintsika fa mifehy ny zava-mitranga rehetra Andriamanitra. Fantany koa ny fomba hiafaran'ny zava-drehetra. Inona no fampaherezana sy fanantenana entin'Izany ho antsika? Fantatry ny Tompo avokoa ny fisainanao rehetra; maneho izany fa tena akaiky anao Izy. Inona no fampaherezana entin'izany ho anao?

2. Resaho ao amin'ny kilasy ny amin'ireo karazana faminaniana: ny faminaniana tsotra sy ny faminaniana apokaliptika. Inona no ohatra hafa amin'ireo karazam-paminaniana roa ireo hitanao ao amin'ny Baiboly?