Lesona 7 : Ilay Andriamanitsika be famindrampo

Hodinihina mandritra ny herinandro : Neh. 9:1-3; Asa. 10:1-23; Neh. 9:9-22; Neh. 9:23-31; Neh. 9:32-37.
Tsianjery: « "Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo" Ohab. 28:13. »

Rehefa vita ny andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo, dia novorin'ny mpitarika indray ny vahoaka. Andro masina jiosy izany, ary andro firavoravoana, entina hanampiana ny Jiosy hahatsiaro izay rehetra nataon'Andriamanitra ho azy tany Egipta. Nanavotra azy ireo ho afaka tamin'ny fanandevozana Izy ary rehefa izay dia nikarakara azy ireo nandritra ny efapolo taona tany an'efitra. Araka ny hitantsika tamin'ny herinandro lasa dia nankalaza io andro io tamim-pifaliana ny Jiosy. Nasain'ireo mpitarika nivory indray ny vahoaka ankehitriny. Fotoana izao hiaiken'izy ireo ny fahotany amin'Andriamanitra sy hibebahany eo anatrehany.

Hitantsika tany aloha tany fa nasain'ny mpitarika natsahatry ny olona ny tomaniny sy ny alahelony noho ny fahotany. Tsy midika anefa izany fa tsy misy lanjany ny fahalahelovana noho ny fahotantsika sy ny fiaikena izany. Koa ankehitriny, satria efa avy nankalaza izany andro firavoravoana izany izy ireo, dia tonga izao ny fotoana handalovan'ny olona amin'ny fiaikena marina ny fahotany.

Ny filaharan'ny trangan-javatra aseho eto dia tsy voatery hidika fa tahaka izany mandrakariva no anatanterahana ny firavoravoana sy ny fiaiken-keloka. Ary tsy midika koa izany fa tsy maintsy arahina foana ny mifanohitra amin'izay, izany hoe fiaiken-keloka aloha vao firavoravoana. Mety hanaraka ilay filaharana hoe fiaiken-keloka aloha vao fankalazana isika, saingy angamba tokony hiseho eo amin'ny fiainantsika aloha ny fankalazana an'Andriamanitra. Milaza tokoa mantsy ny Rom. 2:4 fa "ny fahamoram-panahin'Andriamanitra" no mitaona antsika hibebaka. Koa tokony hanainga fiderana sy firavoravoana ny "fahamoram-panahin'Andriamanitra". Etsy an-kilan'izany anefa, dia mampahatsiahy antsika koa io fahamoram-panahiny io fa mila an'Andriamanitra isika mba hamela ny helotsika sy hanadio antsika ary hanavao antsika koa.

Hitantsika ao amin'ny Neh. 9:1-3 fa niavaka tamin'ny olona hafa firenena rehetra ny vahoakan'Andriamanitra. Nahoana no nanao izany izy ireo?

Tian'i Nehemia ho tsapan'ny olona fa fotoam-pifaliana io fotoana io. Nitarika ny olona ho amin'ny fifadian-kanina anefa izy ankehitriny. Nanetry ny tenany teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo ary namafy vovoka teny amin'ny lohany no sady nitafy lamba fisaonana. Tsy niharoharo tamin'ny firenen-kafa izy ireo. Nahoana? Satria tsy meloka noho ny fahotana mahameloka ny zanak'Isiraely ireo firenen-kafa ireo, ary satria fantatry ny Jiosy fa ny fahotany no ilaina havelan'Andriamanitra. Niaiky ny fahotan'ny fireneny izy ireo, dia ny fahotana izay nitarika azy ireo ho amin'ny fahababoana.

Niara-nivavaka sy niaiky ny helony ny vahoakan'Andriamanitra. Asehon'ny vavak'izy ireo fa takany ny toetry ny fahotana, izay tena ratsy tokoa. Azon'ny Isiraelita natao ny ho tezitra noho ny nanotan'ny razany ka nitarihany ny firenena iray manontolo ho babo. Azon'izy ireo natao koa ny nandany fotoana nitarainana noho ny safidin'ny mpitarika azy, na koa nitaraina noho ny tsy fahampiana toe-panahy araka an'Andriamanitra nasehon'ireo taranaka tany aloha tany. Izay tokoa mantsy no nitarika azy ireo ho eo amin'ny toerana misy azy ankehitriny, dia vondron'olona vitsy niverina avy tany amin'ny fahababoana. Tsy nanao izany anefa izy ireo, tsy nitahiry fankahalana na nimonomonona fa nitodika tany amin'Andriamanitra tamim-panetren-tena sy fiaiken-keloka.

Voalazan'i Nehemia 9:3 fa namaky ny teny tao amin'ny bokin'ny lalàna na ny Torah, nandritra ny adiny efatra ny olona. Rehefa izay dia niaiky ny fahotany sy niankohoka tamin'Andriamanitra nandritra ny adiny efatra hafa indray izy ireo. Io no fotoana fahatelo namakiana ny Torah. Zava-dehibe eo amin'ny fiaiken-keloka ny mamaky ny Baiboly. Manakaiky antsika Andriamanitra rehefa mamaky ny Baiboly isika, ka afaka miresaka amintsika sy mampianatra antsika ny Fanahy Masina. Manova ny eritreritsika sy ny fisainantsika ny fahamarinana ao amin'ny Teniny ary mampahery sy manandratra antsika koa izany. Nitaraina mafy sy nitomany ny Isiraelita, satria rehefa manokana fotoana iarahana amin'Andriamanitra isika dia hahatsapa ny fahatsarany sy ny fahamoram-panahiny. Mahatonga antsika hitolagaga tokoa izany satria mifidy ny hiaraka amintsika Izy, dia Ilay Mpahary izao tontolo izao, na dia eo aza ny tsy fahamendrehantsika. Koa tsapantsika fa tsy hafa amin'ireo razantsika ara-panahy isika eo amin'ny finoana rehefa tsy manana an'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Ilay Andriamanitra miasa ao anatintsika ihany no mahatonga antsika hanana ilay toetra tokony hananantsika. 

Vakio ny ampahany manaraka amin'ny vavaka, ao amin'ny Neh, 9:9-22. lnona no tsy itovian'io ampahany faharoa io amin'ny ampahany voalohany? 

Niova ilay vavaka. Niala avy tamin'ny fiderana an'Andriamanitra noho ny fahatokiany izany, ka tantarain'ny olona indray ankehitriny ny tsy fahatokian'ny Isiraelita taorian'ny nanafahan'Andriamanitra azy ireo avy tany Egipta sy nandehanany tany an'efitra nandritra ny efapolo taona. Notanisain'ny olona ireo zava-mahagaga rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraelita nandritra io fotoana io. Mampalahelo anefa ny valinteny nasetrin'ny "razanay" manoloana ireo fanomezana ireo. Avonavona, toetra mafy hatoka, ary tsy firaharahana ireo asa feno famindrampo nataon'Andriamanitra teo aminy tokoa mantsy no nasetrin'izy ireo izany.

Dingana iray manan-danja eo amin'ny fiaiken-keloka sy ny fibebahana ny fanekena ny tsy fahatanterahan'ny olombelona sy ny tsy fahampian'ny fanokanan-tena marina amin'Andriamanitra. Ary na dia miresaka momba ny olona efa talohantsika elabe aza ireo andininy ireo, dia tsy misy afaka milaza isika fa tsy manana olana amin'ireo lafiny ireo. 

Mazava loatra fa eto no miditra ny filazantsara, na ho antsika na ho azy ireo. Tsy maintsy miaiky ny fahotantsika isika, saingy tsarovy fa tsy mamonjy antsika izany. Ny finoantsika ny fahafatesan'i Kristy ho antsika irery ihany no mamonjy antsika. Ny fiaiken-keloka sy ny fibebahana koa dia zava-dehibe eo amin'ny fanekentsika fa tsy maintsy hamarinin'i Kristy irery ihany isika. "Rehefa manaiky an'i Kristy ho Mpamonjintsika amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny finoana isika, dia mamela ny fahotantsika ny Tompo. Esoriny koa ny sazy notendrena ho amin'ny fandikana ny lalàna. Koa mijoro eo anatrehan'Andriamanitra toy ny olo-marina ilay mpanota mibebaka. Mahazo sitraka amin'Andriamanitra io olona io ankehitriny, ary manana firaisana amin'ny Ray sy ny Zanaka amin'ny alalan'ny Fanahy Masina" — S1M, b. 3, t. 191.

Mahatonga antsika hiaiky ny fahotantsika sy hibebaka ny amin'izany tokoa ny fahamoram-panahin'Andriamanitra. Noho izany, tsy maintsy vonona ny hahafoy azy ireny amin'ny alalan'ny herin'Andriamanitra koa isika.

Asehon'ny vavaky ny vahoaka fa takatr'izy ireo izay nitranga fahiny: mafy hatoka ny Isiraelita, saingy mahari-po Andriamanitra. Nanao jery todika ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra ho an'ny firenen'ny Isiraely tamin'ny lasa ny vahoaka, ka hitany fa mbola hikarakara azy ireo koa Izy amin'izao ankehitriny izao sy amin'ny hoavy. Izany no antony tena maha-zava-dehibe ho an'ny olona ny mahatsiaro mandrakariva izay nataon'Andriamanitra taminy teo amin'ny fiainany. Rehefa hadinon'izy ireo izany, dia tojo olana izy ireo.

Mety kivy ianao na koa matahotra ny amin'ny hoavy. Nahoana anefa no tsy maintsy matoky an'Andriamanitra ianao na dia izany aza? 

Vakio ny Neh. 9:23-31. Ahoana no amaritana ny lsiraelita raha oharina amin'ny fahatsaran'Andriamanitra lehibe? 

Ity ampahany manaraka amin'ny vavaka ity dia mifantoka amin'ny fiainan'ny Isiraelita tany Kanana, na ilay tany nampanantenain'Andriamanitra fa homena azy ireo. Nomen'Andriamanitra tany, tanana, tanimboaloboka, ary saha vonona ny ho ampiasaina izy ireo, saingy noraisiny ireo ho toy ny azoazo mora foana izany. Voalaza eo amin'ny fiafaran'ny Neh. 9:25 fa: "nihinana izy ka voky ary nihanatavy". Manana heviny manokana ny hoe voky sy nihanatavy saingy teny tsy ampiasaina firy ao amin'ny Baiboly izany (vakio ny Deo. 32:15 sy Jer. 5:28). Isaky ny ampiasaina anefa izany dia maneho heviny ratsy momba ny olona iray.

Mety ho "nifalifaly tamin'ny fahatsaranao lehibe" - Neh. 9:25, ny olona, saingy tsy firavoravoana tamin'Andriamanitra ny firavoravoany, fa tamin'izay rehetra nananany. Hita miharihary fa tsy mitarika antsika hiara-mandeha akaiky kokoa amin'Andriamanitra ny fananana ny zavatra rehetra. Imbetsaka isika no mety hihevitra hoe: "Tena ho sambatra aho raha mba manana an'izato sy izatsy". Nomen'Andriamanitra ny Isiraelita fahiny avokoa izay rehetra nilainy, saingy mampalahelo fa tsy nahatonga azy ireo ho tia an'Andriamanitra kokoa ny "fifaliany". Matetika dia matetika no mora amintsika ny mifantoka amin'ireo zavatra omena antsika ka adinontsika mora foana ilay Mpanome. Fahadisoana tena goavana izany.

Mazava loatra fa tsy midika izany fa tsy afaka ny hifaly amin'ireo zavatra nomen'Andriamanitra antsika isika. Maniry Izy ny hifaliantsika amin'ny fanomezany, saingy tsy miantoka fifandraisana akaiky Aminy io fifaliana amin'ny zavatra omeny antsika io. Mety ho lasa vato mahatafintohina tokoa mantsy ireo zavatra ireo raha tsy mitandrina isika. 

Na izany aza, hitantsika ao amin'io Neh. 9 io fa niaiky ireo fomba nanehoany tsy fahatokiana tamin'Andriamanitra ankehitriny ireo mpitarika. Nanao jery todika ny tantaran'ny fireneny izy ireo, ary notanisainy manokana ireo heloka vitan'izy ireo fray firenena. Misy fahotana anankiroa lehibe nisongadina satria miverimberina ao izany: (1) nahafoy ny lalan'Andriamanitra ny Isiraely, ary (2) nanenjika ny mpaminaniny.

Tsapan'ireto mpitarika ireto tokoa fa tena zava-dehibe teo amin'ny fitomboany ho firenena sy olona masina ny lalan'Andriamanitra sy ny mpaminaniny. Manamafy io fehin-kevitra io ny vavak'izy ireo rehefa nilaza ireo mpitarika fa: "ny fitsipikao" dia "mahavelona ny olona mankato azy"- Neh. 9:29. Mamerina ny tenin'i Mosesy ao amin'ny Lev. 18:5 ireo mpitarika ireo eto. Nohamafisin'izy ireo koa fa ny Fanahy no niteny tamin'ny alalan'ny mpaminany. Nomen'Andriamanitra antsika ny didiny mba hananantsika fiainana be dia be, ary nirahiny ny mpaminaniny mba hitarika antsika hahatakatra ny fahamarinany. 

Vakio ny fiafaran'ilay vavaka ao amin'ny Neh. 9:32-37. Inona no nifantohan'ny famaranana izany vavaka fiaiken-keloka izany? 

Nivadika ho fiderana an'Andriamanitra noho ny toetrany indray ilay vavaka: lehibe sady mahery no mahatahotra Izy, ary mitandrina ny fanekeny sy ny famindrampony. Toa tena miaiky amin'ny fony manontolo izy ireo fa tsara taminy Andriamanitra. 

Nangataka zavatra tamin'Andriamanitra koa ny olona, izay nataony tamin'ny endrika fanekena amin'Andriamanitra. Inona no nangatahiny? Andeha hovakintsika ny momba izany: "Koa ankehitriny, ry Andriamanitray o, Andriamanitra lehibe sady mahery no mahatahotra, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindramponao, aoka tsy ho kely eo imasonao ny fahoriana rehetra izay nanjo anay"- Neh. 9:32.

Tsy maintsy nandoa hetra tamin'ny mpanjaka persianina izay nifehy azy ny vahoaka jiosy tany Jerosalema. Ankoatra izay, nampahory azy ireo ny fahavalony. Reraka izy ireo noho izany hetra sy fampahoriana etsy sy eroa izany. Tsy maintsy niaritra fanagejana nifanesy izy ireo, ka nangataka an'Andriamanitra mba hampitsahatra ny olany. 

Mahaliana tokoa fa "andevo" na "mpanompo" no iantsoan'izy ireo ny tenany (Neh. 9:36). Asehonlo voambolana io fa takatry ny olona ny ilan'izy ireo mankatoan'Andriamanitra amin'ny fahafenoany. Tsy nankato Azy ny Isiraelita talohan'izy ireo. Asehon'ny voambolana hoe "andevo" koa fa maniry ny ho mahatoky amin'Andriamanitra sy amin'ny lalany izy ireo. Ary, amin'ny maha-mpanompo an'Andriamanitra azy, dia mangataka izy ireo ny mba hidirany an-tsehatra ho azy ireo.

Ahoana no namaritan'ny vahoakan'Andriamanitra ny fanandramana niainany tamin'io fotoana io? Hoy izy ireo: "ozoim-pahoriana mafy izahay" - Neh. 9:37. Azo ampitovina amin'ny fahoriana niainan'ny Isiraelita tany Egipta izany (Neh. 9:9). Nidera an'Andriamanitra ao anatin'ny vavaka nataony izy ireo satria tsy nitazam-potsiny ny fahoriany tany Egipta Izy fa nijery izany tokoa. Koa mangataka an'Andriamanitra izy ireo ankehitriny mba hiditra an-tsehatra ka hamonjy azy ireo, tahaka izay nataony tamin'ny lasa. Fantatr'izy ireo fa tsy mendrika izany izy ireo satria tsy nisy na iray aza nahatoky Taminy - na mpanjaka, na andriana, na mpisorona, na mpaminany, na razana. Koa miantehitra amin'ny fahasoavana sy ny famindrampon'Andriamanitra aminy ihany izy ireo, fa tsy amin'ny tenany na amin'ny asan'ny razany.

Vakio ny Rom. 5:6-8. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo ny zavatra izay nangatahin'ny Jiosy tamin'ny andron'i Nehemia tamin'Andriamanitra? Inona no fanantenana sy fampaherezana omen'ireo andininy ireo antsika? 

Vakio ny "Fiaiken-keloka", tt. 44-50, ao amin'ny TH.

Ao amin'ny Neh. 9:25 dia niresaka momba ny nifalian'ny razany tamin'ny fahatsaran'Andriamanitra lehibe ny Hebreo. Ny voambolana hoe "nifaly" dia avy amin'ny voambolana hebreo mitovy amin'ny anarana hoe Edena (Gen. 2:15). Ny voambolana hoe "Edena" dia midika hoe fahafinaretana. Koa ny Saha Edena dia tena Saham-pahafinaretana tokoa. 

I Edena araka izany dia sary an'ohatra anehoana ny drafitr'Andriamanitra ho fanavaozana ny zava-drehetra. Nanangana ny vahoaka hebreo Andriamanitra, nifidy azy ireo mba ho vahoakany manokana, mba hanampiana azy ireo hamorona Edena vaovao eto an-tany. Tsy nankato an'Andriamanitra anefa izy ireo ka lasa babo tany Babilôna. Na izany aza anefa, na taorian'ny fahababoany sy ny fiverenany an-tanindrazana aza, dia mbola fanirian'Andriamanitra hatrany ny hahatanteraka ny drafiny ho an'ny olona. Nampanantena azy ireo izy hoe: "Fa Jehovah mampionona an'i Ziona; eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy ka manao ny efitra ao ho tahaka an'i Edena"- Isa. 51:3. Tena nifaly tamin'ireo fitahiana sy fanomezana nampanantenain'Andriamanitra azy ny Isiraely fahiny. Mampahatsiahy ambangovangony ireo zava-tsoa maro tao Edena ireo fitahiana ireo. Nomen'Andriamanitra azy ireo izany fitahiana izany mba hifaliany, ary dia nataon'ny Isiraely fahiny tokoa izany. Tsy ny fifaliana tamin'izany fanomezan'Andriamanitra izany no fahotan'izy ireo, fa ny fanadinoany an'Andriamanitra (Ezek. 23:35). Ny fahatsarany anefa no nogohan'izy ireo tamin'izay. Manjary tanjona kendrena ny fitahiana fa tsy fitaovana ho amin'ny tanjona iray, dia ny haneho an'Andriamanitra amin'ireo manodidina. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Vakio ny tenin'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 13:22. Inona no tiany hambara amin'ny hoe "fitaky ny harena"? Ahoana no ifandraisan'izany amin'ny vavaka fiaiken-keloka nianarantsika tamin'ity herinandro ity?

2. Diniho misimisy kokoa ny foto-pinoana momba ny famoronana. Ao amin'ny Neh. 9, dia miresaka momba an'Andriamanitra ho Ilay Mpamorona sy Mpamelona izao rehetra izao ny vahoaka. Nahoana no tena manan-danja eo amin'ny finoantsika io fahamarinana io?

3. Fantatsika fa mpanota isika, saingy tsy tokony havelantsika hampiasa izany maha-mpanota antsika izany i Satana mba hanakiviana antsika ka hanariantsika ny toky fa afaka mamonjy antsika Andriamanitra. Ahoana no hanamafisantsika orina ny finoantsika ny heriny ho famonjena antsika?