Lesona 5 : Ny votoatin'ny lalàna

Hodinihina mandritra ny herinandro: Neh. 5:1-5; Neh. 5:6-8; Neh. 5:7-12; Neh. 5:12,13; Neh. 5:14

Tsianjery: "Eny, masina hianareo, ampodio aminy anio ihany ny taniny sy ny tanim-boalobony sy ny tanin'olivany sy ny tranony sy ny ampahazaton'ny vola sy ny vary ary ny divay sy ny diloilo izay nampisamborinareo azy " - Neh. 5:11. 

Hatramin'izao isika olombelona dia mbola mitolona amin'ny resaka momba ny fananan-karena sy ny fahantrana ary ny tevana makadiry mampisaraka ny mpanankarena sy ny mahantra, sy ny zavatra azo atao manoloana izany. Nilaza tokoa i Jesôsy hoe: "Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva" - Mat. 26:11. Tena marina izany, saingy tsy fialan-tsiny tsy hanaovana na inona na inona mba hanampiana ireo malahelo ireo. Ny mifanohitra amin'izay aza satria tena mananatra antsika ny Baiboly hanao ny anjarantsika eo amin'ny fanampiana azy ireny. Tsy afaka ny hihevitra ny tenantsika ho Kristianina isika raha tsy manao izany.

Hitantsika ao amin'ny tantaran'i Nehemia io olana momba ny malahelo io. Niharan'ny fitsapana sy fanenjehana ireo babo niverina an-tanindrazana rehefa nanorina indray an'i Jerosalema izy ireo. Mahagaga anefa fa na dia tao anatin'izany aza, dia mipoitra ihany io lohahevitra io. Ary tsy momba ny fahantrana sy ny mahantra ihany, fa momba ny olana goavana kokoa, dia ny fampahorian'ny mpanankarena ny mahantra. Nitranga io olana io mialoha ny namaboan'ny Babilônianina ny Jiosy, ary mbola nipoitra indray rehefa niverina an-tanindrazana izy ireo.

Amin'ity herinandro ity isika dia hijery ny fomba namahan'i Nehemia io olana io teo amin'ny fireneny. Ahoana no nanampian'i Nehemia ny malahelo? 

Vakio ny Neh. 5:1-5. Inona no mitranga eto? Inona no mampitaraina ny olona?

Toa niray ny vahoaka jiosy teo ambany fitarihan'i Nehemia raha nanohitra ireo mpanenjika avy any ivelany izy ireo. Nampahery azy ireo hatrany izy mba hanohy ny fanorenana. Tsy ny zavatra rehetra anefa no nandeha ara-dalana tao anatin'io firenena izay niatrika fanenjehana sy niaro ny tenany manoloana ireo famelezana avy any ivelany ireo. Nampiasa ny mahantra tokoa mantsy ny mpitarika sy ny mpanankarena jiosy mba hahazoana vola. Tena vao mainka niharatsy ny fandehan-javatra hany ka nitaraina nitady fanampiana ny fianakaviana mahantra maro. Misy fianakaviana sasany nitaraina fa tsy nanana sakafo hamahanana ny zanany izy ireo. Misy sasany koa nitaraina fa noho ny mosary teo amin'ny firenena dia nataony antoka ny fananany ka tsy manana na inona na inona intsony izy ankehitriny. Nisy fianakaviana hafa koa nitaraina fa tsy maintsy nisambotra vola izy ireo mba handoavana ny hetran'ny Persianina. Nivarotra ny zanany ho andevo mihitsy aza izy ireo mba hahazoana vola.

Toa ny mosary sy ny fandoavana hetra no antony fototra nahatonga io olana io. Nahatonga ireo fianakaviana mahantra hitady vonjy amin'ny namany ireo zavatra anankiroa ireo. Nitaky hetra nitentina talenta volafotsy 350 isan-taona avy tamin'ny Joda tokoa mantsy ny fanjakana persianina (Vakio ny naoty mahakasika ny Neh. 5:1-5 ao amin'ny Andrews Study Bible, t. 598). Raha tsy afaka nandoa ilay ampahany efa voatondro amin'ilay hetra ny lohan'ny fianakaviana iray dia tsy maintsy nanao antoka ny fananany na nisambotra vola aloha izy. Raha tsy mahazo vola ao anatin'ny herintaona anefa izy, dia tsy maintsy nanao zavatra mba hanonerana ilay trosa. Ny famarotana ny sasany amin'ny fianakaviany no safidy manaraka. Efa namoy ny taniny izy, ary izao indray dia tsy maintsy mandefa olona avy amin'ny fianakaviany, ny zanany izany ankapobeny, hanompo ilay mpampisambo-bola. Koa niasa mba handoavana ilay trosa ireo zaza ireo.

Misy fotoana eo amin'ny fiainana izay ahazoantsika olana noho ny safidy ratsy ataontsika ihany. Misy fotoana koa anefa izay mamparary antsika na mahalatsaka antsika an-katerena ara-bola, saingy tsy noho ny fahadisoantsika. Ny tantaran'i Nehemia etsy ambony dia mitantara fotoana izay nanambakan'ny lalan'ny fanjakana ny olona, ka nitarika ho amin'ny fahantrana lalina. Nihanahantra hatrany ny olona, ary tsy nisy fomba nivoahany avy tamin'izany.

Tsy nanao ny rariny tamin'ny olona mandrakariva ny fanjakana, na tamin'ny andron'i Nehemia na amin'izao androntsika izao. Mametraka lalàna izay mahatonga ny olona hisambo-bola tsy ho voaveriny akory izy ireo. Miresaka momba io olana io ny Baiboly. Inona no hafatra tokony horaisintsika raha fantatsika fa miresaka momba izany matetika ny Baiboly? 

Vakio ny Neh. 5:6-8 (ary vakio koa ny Eks. 21:2-7). Nahoana no tezitra mafy i Nehemia, araka izay asehon'ireo andininy ireo?

Fantatsika amin'izao androntsika izao fa tsy mety ny manandevo olona. Tamin'ny andron'ny Baiboly anefa dia toe-javatra ara-dalana teo amin'ny fiainana andavanandro izany. Mety ho lasa andevo ny ray na reny iray, ary mety hivarotra ny zanany ho andevo koa. Raha araka ny fiarahamonina sy ny lalàna mifehy, dia nanan-jo hivarotra ny zanany lahy na ny zanany vavy ny ray aman-dreny. Tia fahafahana anefa Andriamanitra, koa nametraka lalàna momba ny andevo Izy: tsy maintsy mamotsotra ny andevony ny tompon'andevo isaky ny fito taona. Tahaka izany no niarovan'Andriamanitra ny olona tsy ho andevo mandrakizay sy nanehoany ny faniriany ny hiveloman'ny olona an-kalalahana. 

Navelan'Andriamanitra hampisambotra vola ny malahelo ny olony, araka ny lalana nomeny. Tsy ara-dalana kosa anefa ny mampanjana-bola (vakio ny Eks. 22:25-27; Lev. 25:36,37; Deo. 23:19,20 mba hahitana ireo lalàna ara-Baiboly izay manohitra ny fampanjanaham-bola). Kely anefa ny zanabola notakin'ireo mpampisambotra jiosy raha oharina amin'izay notakin'ireo firenena manodidina azy ireo. Iray isan-jato isam-bolana ihany no nasaina naloan'ny mpisambo-bola, izany hoe roa ambin'ny folo isan-jato ao anatin'ny herintaona. Asehon'ireo lahatsoratra mezopotamianina tany amin'ny taonjato fahafito fa ireo mpampisambo-bola tany Mezopotamia dia nitaky zanabola dimampolo isan-jato amin'ny fisamborana volafotsy ary zato isan-jato amin'ny fisamborana vary, ao anatin'ny herintaona! Tena vola be izany. Koa tena kely ilay zanabola roa ambin'ny folo isan-jato nampiharin'ireo mpampisambotra jiosy raha oharina amin'ny fanaon'ireo firenena tany Mezopotamia ireo. Ankapobeny anefa, araka ny Tenin'Andriamanitra, ny zavatra tokana nahadiso ny mpampisambo-bola jiosy dia ny fitakiana zanabola (Neh. 5:10), ary mahagaga fa tsy niresaka momba izany akory ny olona tao amin'ny fitarainany. Araka ny efa nolazaintsika dia iray isan-jato isam-bolana monja ilay zanabola, saingy efa nilaza Andriamanitra fa tsy tokony hampanjana-bola mihitsy ny vahoakany. Ankoatra izay fahadisoana tokana izay, dia araka ny fenitry ny fiarahamonina sady nifanaraka tamin'ny fitakian'ny lalàna ny zavatra rehetra. Koa nahoana ary i Nehemia no "tezitra indrindra"? Mariho fa tsy namaha ilay olana avy hatrany izy, fa naka fotoana mba handinihana lalina izany.

Tena mahavariana, hentitra tokoa i Nehemia teo amin'ny fiatrehana ilay olana. Tsy navelany tamin'izao fotsiny ny fitarainana. Marina fa tsy naka zanabola betsaka tahaka izay notakin'ireo mpampisambo-bola tany amin'ny firenen-kafa ireo mpampisambotra jiosy, saingy niteny i Nehemia fa tsy mety ihany ny nataon'izy ireo. Nandika ny toe-tsain'ny lalàna izy ireo teto amin'ity trangan-javatra ity. Mandritra ny fotoan-tsarotra, dia adidin'ny olona ny mifanampy. Miandany amin'ny ampahorina sy ny mahantra Andriamanitra, ka tsy maintsy naniraka mpaminany mba hanohitra ny faharatsiana sy ny herisetra ampiharina amin'ny malahelo.

Amin'ny fomba ahoana no mety anarahantsika izay rehetra voalazan'ny lalàna kanefa mandika ny toe-tsaina ao ambadik'izany ihany isika, na dia tsy fanahy iniantsika aza izany? (Jereo ny Mika 6:8)

Hitantsika omaly fa nampisambo-bola ireo Jiosy mahantra ny mpanapaka sy ny manan-kaja teo amin'ny firenena, saingy nitaky zanabola tamin'ny vola nampisamboriny izy ireo. Tsy nankasitraka izany i Nehemia, ka nananatra azy ireo izy hoe: "Samy mampanàna zavatra amin'ny rahalahinareo avy hianareo" - Neh. 5:7. Tsy nahitam-bokatra anefa ilay fananarana. Noho izany, tsy nijanona teo i Nehemia fa notohizany hatrany ny fiadiany ho an'ireo ampahorina teo amin'izy ireo. Azony natao ny nilaza fa efa niezaka nampianatra ireo manan-kaja sy mpanapaka izy, saingy tsy nahomby izany, ka voatery izy hamela amin'izao ilay olana. Na izany na tsy izany, ny mpanankarena sy ny matanjaka teo amin'ny firenena rahateo no nifanehatra taminy. Tsy afa-po anefa izy raha tsy nisy vahaolana napetraka, na dia nahazoany fahavalo matanjaka aza ny dingana nataony.

Vakio izay nolazain'i Nehemia ao amin'ny Neh. 5:7-12. Nahoana izy no tezitra noho ny zavatra nitranga? Inona ireo antony nomeny ho fanoherana izany? Inona no nampiasainy mba handresena lahatra ny olona hanitsy ny tsy mety?

Niantso fivoriambe i Nehemia, ka tonga avokoa ny vahoakan'ny Isiraely rehetra mba hiresaka momba ilay olana. Tsy isalasalana fa nanantena izy fa hahatsiaro ho menatra noho ny fitondrantenany ireo mpanapaka rehefa eo avokoa ny olona rehetra, ary angamba tsy hanohy ny fampahoriany intsony.

Nifantoka tamin'ny fanandevozana aloha ny resak'i Nehemia voalohany. Jiosy maro, ary tena ampoizina fa tao anatin'izany koa i Nehemia, no nividy ny fahafahan'ny Jiosy namany izay nandevozin'ny vahiny. Koa manontany ireo manan-kaja sy mpanapaka izy ankehitriny: araka ny hevitr'izy ireo, mety ve ny mividy sy mivarotra ny olon'izy ireo ihany? Mety ho an'ny Jiosy ve ny mividy Jiosy hafa ho afaka amin'ny fanandevozana tany amin'ny firenen-kafa mba handevozina ao amin'ny taniny indray?

Tsy namaly ireo mpanapaka satria hitany fa nitombina tsara ny tenin'i Nehemia; noho izany dia notohizan'i Nehemia ny resany. Izao indray ny fanontaniany: "Moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika va hianareo noho ny fanaratsian'ny jentilisa fahavalontsika?" - Neh. 5:9. Rehefa izay dia niaiky i Nehemia fa izy koa dia nampisambotra vola sy vary tamin'olona. Koa hoy izy: "Kanefa, aoka re isika tsy hitaky zanabola amin'izy ireo intsony - Neh. 5:10 (DIEM). Asehon'ny teniny fa nandrara ny fitakian'ny vahoakan'Andriamanitra zanabola amin'ireo Jiosy namany ny lalana. Nasehony koa fa tiany hifampitsinjo ny olona rehetra eo ambany fitarihany amin'ny maha-governora azy. Mahatalanjona tokoa fa nitovy avokoa ny valintenin'izy rehetra. Nanaiky ny hamerina ny zavatra rehetra amin'ny olona ny mpanapaka. 

Jereo ny fifanekena teo amin'ny mpanapaka sy ny malahelo ao amin'ny Neh. 5:12,13. Nahoana I Nehemia no nanonona ozona tamin'ireo olona tsy mahatanteraka ny anjarany amin'ilay fanekena? 

Nanaiky ny hampody sy hamerina izay nogiazany ireo mpanapaka, saingy tsy afa-po tamin'ny teny fotsiny i Nehemia. Nila porofo mivaingana izy; noho izany, nasainy nanao fianianana teo anatrehan'ny mpisorona izy ireo. Hahatonga ny fianianan'izy ireo ho ara-dalana koa io fihetsika io. Koa afaka mitondra ireo mpanapaka ireo eo anatrehan'ny fitsarana i Nehemia any aoriana any raha toa ka tsy mihazona ny teny nomeny izy ireo. 

Fa nahoana moa i Nehemia no nanonona ozona tamin'izay rehetra tsy mahatanteraka ilay fanekena? Fanao mahazatra tamin'ny androny izany mba hanampiana ny rehetra hahatakatra ny lanjan'ny lalana na ny fitsipika iray. Ampoizina koa fa tsy handika ny lalana ny olona rehefa nisy ozona nampifandraisina tamin'ny fandikana izany. Hita fa tsapan'i Nehemia ny tena maha-manan-danja io fanekena io ka nilainy ny hanao zavatra mba hanampiana ny olona hanatanteraka ny teny nomeny. Hitanao ve fa nikopaka ny lambany teo am-pofoany i Nehemia (Neh. 5:13)? Nasehony tamin'io fihetsika io fa izay rehetra manohitra io fianianana io dia hahavery ny zavatra rehetra. Hakopak'Andriamanitra hiala amin'ny tranony sy ny taniny izany olona izany (Neh. 5:13).

Vakio ny Nom. 30:2; Deo. 23:21-23; Mpitt. 5:4,5; Lev. 19:12; ary Gen. 26:31. Inona no ampianarin'ireo andininy ireo antsika momba ny fianianana sy ny fahamasinan'izany ho an'ireo olona ireo? 

Misy hery ao amin'ny tenintsika: na hery ho amin'ny fiainana na hery ho amin'ny fahafatesana. Noho izany, ilaintsika ny mitandrina tsara izay lazaintsika sy ampanantenaintsika fa hataontsika. Zava-dehibe koa ny ifanarahan'ny tenintsika amin'ny asantsika. Firifiry moa ny olona diso fanantenana noho ny Kristianina izay mitory ny fahamarinana kanefa tsy miaina izany akory?

Saintsaino ny fiantraikan'ny tenintsika eo amin'ny hafa. Ahoana no ianarantsika ny hitandrina ny amin'izay Iazaintsika, sy ny fotoana ilazantsika izany, ary ny fomba ilazantsika izany?

Vakio ny tantara ao amin'ny Neh. 5:14-19, dia valio ny fanontaniana manaraka. Nilaza ny lalana tao amin'ny firenena fa tsy maintsy mandoa hetra amin'i Nehemia ny olona ho fanampiana azy hividy ny sakafony. Tokony nandoa io vola io tamin'i Nehemia ny olona satria izy no goverinora. Tsy nanery ny olona handoa izany hetra izany na oviana na oviana anefa izy. Inona no antony nomen'i Nehemia ny amin'ny tsy fanereny ny olona handoa ny "anjara-fiveloman'ny governora" - Neh. 5:18?

...................................................................................................................................................................................................................................

..................................................................................................................................................................................................................................

Ampoizina fa taorian'ny fiverenany tany amin'ny lapan'ny mpanjaka Artaksersesy no nanoratan'i Nehemia ny tantara ao amin'ireo andininy ireo, taorian'ny naha-goverinora azy tany Joda nandritra ny roa ambin'ny folo taona. Navela hanangom-bola avy tamin'ireo olom-peheziny izy nandritra io fotoana io mba hividianany sakafo, saingy tsy nitaky io zony io na oviana na oviana i Nehemia. Izy ihany no nandoa ny sakafony. Tsy izany ihany, fa nanome izay nilain'ny fianakaviany sy izay rehetra tao amin'ny lapany tao Joda koa izy. Koa tamin'ny fotoana nifaranan'ny asany amin'ny maha-governora, dia tsy isalasalana fa very vola betsaka izy. Tsy nangoron-karena velively izy, tsy nanao araka izay handrandrain'ny olona amin'ny toeram-boninahitra tahaka izany, fa nahafoy harena sy fananana mihitsy kosa aza. Efa nanan-karena izy, ka izany no nahafahany nanome hanina isan'andro ho an'ny olona maro. Naneho fahalalahan-tanana izy ka nanome izay nilain'ny olona maro hafa nandritra io fotoana io (Neh. 5:17,18).

Inona no ambaran'i Nehemia ao amin'ny Neh. 5:19? Ahoana no anehoan'io hevitra io ny filazantsara?

..................................................................................................................................................................................................................................

..................................................................................................................................................................................................................................
Maneho amintsika ohatra iray ny amin'ny olona mametraka ny Tompo sy ny asany mialoha ny tombontsoany manokana i Nehemia. Lesona tsara ho antsika rehetra izany, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainantsika manokana. Mora ny miasa ho an'ny Tompo rehefa tsy mitaky sarany betsaka avy amintsika izany. Fa firy amintsika no hametraka an'Andriamanitra mialoha ny raharahantsika manokana tahaka izay nataon'i Nehemia?

Vakio ny Fil. 2:3-8. Amin'ny fomba ahoana, amin'izao ankehitriny izao mihitsy, no ahafahanao maneho eo amin'ny fiainanao ireo fitsipika momba ny fandavan-tena aseho eto?

Vakio ny "Tsiny amin'ny fakana an-keriny", ao amin'ny MM, tt. 529-534.

"Dia feno fahatezerana i Nehemia raha nahare izany teny izany. Tezitra indrindra aho, hoy izy, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany'. Fantany fa, raha tiany ny hahalamina ny toe-javatra, dia tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra matotra ho amin'ny fahamarinana izy. Koa tamin'ny hery sy ny fanapahan-kevitra izay nampiavaka azy no nanombohany ny asa avy hatrany mba hanalefahana ny manjo ireo rahalahiny" - MM, t. 531.

"Misy fomba anankiray naorin'i Kristy izay manafoana ny fianianana: Ampianariny fa ny tena marina dia tokony hambara amin'ny teny tsotra toy izao: 'aoka ny teninareo ho Eny, eny; Tsia tsia: fa izay mihoatra noho izany dia avy amin'ny ratsy' - Mat. 5:37" - S, t. 60.

"Helohin'ireo teny ireo ny teny tsy misy heviny sy tsy ilaina akory izay saika manjary fitenenana ratsy an'Andriamanitra. Helohin'ireo ny teny mamitaka, ny fiolakolahana hialana amin'ny marina, ny teny mandoka foana, ny laza masaka, ny fanafenana ny marina amin'ny varotra, izay hita matetika amin'ny fiainan'ny olona sy ny raharahan'izao tontolo izao. Ampianarin'ireo teny ireo, fa tsy misy olona izay to hiseho amin'izay tsy toetrany, na miteny tsy mifanaraka amin'ny fihetsehan'ny fony, ka azo lazaina ho marina" - t. 61.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :

1. Nahoana ny fitiavan-tena no fototry ny olantsika olombelona, dia ireo olana izay mifandraika amin'ny vola sy ny fifandraisana amin'ny hafa? Ahoana no ahafahantsika miaro ny fontsika amin'izany?

2. Ahoana no ahafahan'ny vahoakan'Andriamanitra misoroka ny fieremana? Inona no torohevitra omen'Andriamanitra mba hialana amin'izany? Diniho ireto andininy manaraka ireto: Isa. 58:3-12 sy Mika 6:6-8.