Lesona 4 : Ny ambaran'ny salamo sy ny ohabolana momba ny famindrampo

Hodinihina mandritra ny herinandro: Ezra 4, 5; Neh. 4, 6.

Tsianjery: «Nefa ny mason"Andriamaniny nitsinjo ny loholon'ny Joda, ka tsy nahasakana azy ireo, mandra-pahatongan'ny teny ho any amin'i Dariosy sy ny nahazoany ny valiny ny amin'izany raharaha izany." - Ezra 5:5.»

Narafitra arakaraka ny lohahevitra resahiny ny Ezra 3,4,5, 6 ary ahitana vanim-potoana samy hafa nisian'ny fanoherana ny fananganana ny tempoly. Hanampy amin'ny fahazoana ny hafatra an-kapobeny ny fahalalana izany fizarazarana araka ny lohahevitra izany.

Ao amin'i Ezra 7:1 no anononana voalohany indrindra ny anaran'i Ezra. Niova ny toe-javatra rehefa tonga tany Jerosalema izy ny taona 457 TLK, nanomboka nanangana ny tanàna sy ny mandany ny olona, saingy niatoato izany asa izany. Telo ambin'ny folo taona taorian'izay no nahatongavan'i Nehemia nirahin'i Artaksersesy tamin'ny taona 444 TLK), ka novitaina hatramin'ny farany ny fananganana ny manda. Na dia mafy aza  ny fanoherana dia tontosa tao anatin'ny 52 andro izany asa izany (Neh, 6:15).

Lohahevitra  rniverimberina ao amin'ny bokin'i Ezra sy i Nehemia ny fanoherana ny asan'Andriamanitra; tsy mahagaga, araka izany, raha niteraka fanoherana sy fanenjehana ny fananganana an´i Jerosalerna sy ny tempoly. Na aiza na aiza eto amin'izao tontolo izao, amin'izao andro izao, dia misy ny fanoherana ny asan'ny Tompo. Miezaka mafy i Satana mba tsy hielezan'ny filazantsara haingana satria loza mananontanona ho an'ny fanjakany izany. Ahoana no niatrehan'ny  Jiosy ao amin'ny boki'i Ezra sy i Nehemia?

Vakio ny Neh. 4. Mona no nasain'i Nehemia nataon'ireo Jiosy ao amin'io toko io? Ninoany ve fa tsy misy na inona na inona tokony hatao satria miaro azy Andriamanitra? Raha tsy izany, ahoana no nataon'ireo vahoakan'Andriamanitra ireo mba hanoherana ny famelezana atao aminy? Nahoana no zava-dehibe ny fahavononany hiady? Nahoana izany no tsara kokoa noho ny hoe tsy manao na inona na inona?

Nanomboka nanao ny asa indray ny olona taorian'ny fiatoatoan'izany. Nivavaka ny Jiosy; rehefa izay dia nifidy lehilahy maromaro hiaro ny vahoaka i Nehemia. Mifandimby ireo mpiarnbina ireo amin'ny alina sy amin'ny antoandro mba ho vonona raha misy ny fanafihana. Nanao fandaminana ho an'ireo olona manodidina ny manda koa i Nehemia ka nanome fitaovam-piadiana azy mba hahatonga ny fianakaviana rehetra ho vonon-kiady. Ho fanampin'izany dia nozarainy ho vondrona roa ireo mpanompony: ny iray manao ny asa ary ny iray hafa kosa mihazona ny fitaovam-piadiana. Nisy koa ny fitaovana manokana ho an'ireo izay nanorina ny manda, satria izy ireo no akaikin'ny loza indrindra. Ny tsirairay tamin'izy ireo dia nihazona sabatra amin'ny tanany ilany ary ny ilany kosa manisy biriky na vato sy rihitra amin'ny manda. Niomana hiatrika ny fanafihana izy ireo. Nanao ny anjarany izy, ary Andriamanitra no nandray an-tanana ny ambiny. Nampahery ny finoan'i Nehemia ny fiarovan'Andriamanitra; tsy nipetra-potsiny izy na izany aza ka niandry an'Andriamanitra hanao ny zava-drehetra. Niomana araka izay azony natao indrindra izy ireo.

Misy andininy roa ao amin'ny bokin'i Nehemia izay mameno herim-po sy fanantenana ny fontsika. "Aza matahotra an'ireo fa i Jehovah, ilay lehibe sy mendrika hatahorana no ataovy an-tsaina. Ary miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo." Neh. 4:14, DIEM; sy ny hoe "Fa hiady ho antsika ny Andriamanitsika" (jereo ny Neh. 4:19,20 - DIEM). Anisan'ireo fanambarana mampahery indrindra ao amin'ny Baiboly izany.

Azon'ny Jiosy natao tokoa ny nisafidy hampiato ny fananganana noho ny fanoherana, saingy tsy natahotra intsony izy ireo. Inoany amin'izao fa hiady ho azy Andriamanitra. Tsarovy izany teny fikasana izany rehefa enjehina noho ny finoanao ianao na noho ny fanaovana ny asan'Andriamanitra; hiady ho anao Andriamanitra.

Nony farany dia tsapan'ny Jiosy fa momba azy ireo Andriamanitra, ka nanome azy ireo herim-po hanohizana ny asa izany finoana izany.

Nahoana no zava-dehibe ny fahafantarana fa araka ny sitrapon'Andriamanitra ny zavatra ataonao? Izao no fanontaniana manan-danja mipetraka, araka izany : ahoana no hahafantarako fa araka ny sitrapon'Andriamanitra izay ataoko? 

Vakio ny Neh. 6:1-13. Nahoana no "asa lehibe" ny fahitan'i Nehemia ny asa natao tany Jerosalema (Neh. 6:3)? Inona no nataon'ireo fahavalon'Andriamanitra mba hanakanana azy amin'izany?

Ambaran'ny Neh. 6 fa imbetsaka ireo fahavalon'Andriarnanitra no nifofo ny ain'i Nehemia. Nandefa taratasy ho an'i Nehemia i Sanbala sy i Gasema; nambarany taminy fa maniry ny hihaona aminy izy ireo. Any amin'ny tany lemak'i Ono no nambarany fa hanaovana izany fihaonana izany, izay tanin'ny fahavalo; mampiseho mazava ny tanjon'ilay fanasana izany. Tsapan'i Sanbala sy i Tobia ary i Gasema fa mila manafaingana ny tetiny izy; tsy ho ela mantsy dia ho vitan'ny Jiosy ny fananganana ny manda, ary harindrina ny vavahady. Tsy hanam-potoana hampiatoana ny Jiosy intsony ireo fahavalon'Andriamanitra ireo rehefa mitranga izany. Miaro ny Jiosy ihany koa ny mpanjaka Persianina, ka tsy azon'izy ireo atao ny hamely ny Jiosy amin'izao. Raha vitany anefa ny mamono an'i Nehemia, ilay mpitarika ny vahoakan'Andriamanitra, dia mety ho azony sakanana mandrakizay ny Jiosy. Tsy nijanona teo ireo fahavalon'Andriamanitra ireo; na dia tsy namaly ny taratasiny aza i Nehemia dia mbola nanohy nanoratra taminy ihany izy ireo. Izao no namalian'i Nehemia ny taratasy rehetra: "Asa lehibe no ataoko (...) nahoana no hilaozako midina any aminareo ny asa ka hatsahatra?" Neh. 6:3.

Raha ny fijerin'izao tontolo izao dia asa lehibe ny asan'i Nehemia amin'ny maha-mpitondra kapoakan'ny mpanjaka azy; asa manana ny hajany izany, iray tamin'ny asa ambony indrindra tao amin'ny fanjakana izay naha-mpanolo-tsaina ny mpanjaka azy. Ny fanorenana tanana efa rava kosa, izay tsy misy lanjany eo amin'izao tontolo izao, izany ve no antsoiny hoe asa lehibe? Noraisin'i Nehemia ho "lehibe" sy manan-danja kokoa ny asa ho an'Andriamanitra satria tsapany fa ny voninahitry ny anaran'Andriamanitra mihitsy no voatohintohina tao Jerosalema.

Nametraka ny fandaminana mikasika ny asa fisoronana Andriamanitra rehefa nanorina ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny fitoerana masina. Mba hihazonana ny fahamasinan'ny fitoerana masina sy hahatonga izany hiavaka ao an-tsain'ny olona, dia ny mpisorona ihany no nomena alalana hanao ireo raharaha tao amin'ny fiangonana. Sarotra amintsika ny hahita ny fahamasinan'Andriamanitra, raha ny herin'ny tenantsika; koa nandray fepetra Andriamanitra mba hanampiana ny Isiraelita hiditra eo amin'ny fanatrehany amim-panajana fatratra. Fantatr'i Nehemia fa azon'ny rehetra atao ny miditra eo amin'ny kianjan'ny tempoly, saingy tsy toy izany ny efitra ao anatiny. Rehefa nilaza ny amin'ny fihaonana ao anatin'ny tempoly i Semaia, dia tsy hoe naneho ny maha-mpaminany sandoka azy fotsiny ihany, tamin'ny soso-kevitra nataony izay mifanohitra amin'ny toromarika nomen'Andriamanitra, fa naneho ny maha-mpamadika azy koa.

Inona avy ireo fomba hihazonantsika ny fahatsapana ny fahamasinan'Andriamanitra, na dia tsy misy aza ny fitoerana masina eto an-tany amin'izao fotoana izao? Ahoana no mahatonga ny fahatsapana ny fahamasinan'Andriamanitra, izay mifanohitra amin'ny fahotantsika, hitarika antsika ho eo amin'ny hazo fijaliana? 

Vakio "Ireo mpamboatra ny manda", "Tsiny amin'ny fakana an-keriny" ary "Teti-dratsy nataon'ireo mpanompo sampy", tt. 521-540, ao amin'ny MM.

"Sarin'ny fotoan-tsarotra andalovan'ny mpanompon'Andriamanitra amin'izao andro izao ny fanoherana sy ny fahakiviana nataon'ny fahavalo sy ny sakaiza manody, izay nihatra tamin'ireo mpiasa tamin'ny andron'i Nehemia. Tsy ny fankahalana sy ny fahasiahan'ny fahavalo ihany no isedrana ny kristiana, fa ny tsy fitiavana sy ny fanoherana tsy misy antony ary ny fangatsiahana sy ny famadihana ataon'ireo mihambo ho sakaiza sy mpiara-miasa koa." - MM, tt. 527,528.

"Tsy nahalavo an'i Nehemia tea amin'ny fahefany ny fahavalo, satria nampiseho herim-po tamin'ny fitiavany fatratra ilay asa masina tahaka ny tamin'ny nanehoany ny fitokisany an'i Jehovah izy. Manjary mora resin'ny fakam-panahy ny fanahy miroanahana; fa izay mikatsaka fahalavorariana ambony indrindra kosa, na manana zava-kendrena iray mihazona ny sainy, dia tsy tokony hisangisangy ny ratsy. Hihamatanjaka ny finoany fa tsy hihamalemy na oviana na oviana, satria mahay manavaka ombieny ombieny ny fitiavana tsy hita lany izay mitarika ny zava-drehetra ho amin'ny fanatanterahana ny fikasan'Andriamanitra izy. Ny tena mpanompon'Andriamanitra marina dia miasa amin'ny fanapahan-kevitra tsy mety ho reraka na dia kely akory aza, fa mitarika mandrakariva ny fijeriny mankany amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana izy ireny." - t. 540. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Raiso ny toeran'i Zerobabela sy i Jesoa ary ireo mpitarika hafa rehefa nisy lehilahy maromaro nanatona azy ireo nilaza ny hanampy azy. Rehefa mijery izany isika dia mahita fa nety tokoa ny nandavany izany fanampiana izany. Amin'ny maha-Advantista antsika, ahoana no hahafantarantsika hoe rahoviana isika no tokony na tsy tokony hiara-miasa amn'ireo olona any ivelan'ny fiangonana na ireo tsy mpiray finoana amintsika? Ahoana no hahafantarantsika fa mety ny safidy ataontsika? Inona no fitsipika ara-Baiboty mety hitari-dalana antsika?

2. Asehon'ny tantaran'ny Baiboly amintsika ny loza mananontanona rehefa manary ny finoantsika isika. Matetika ny olona no tsy manao izay marina intsony mba hahazoany harena sy fahefana na koa laza. Mampalahelo fa maneho ny fahamarinan'izany ny tantaran'ny Isiraely iray manontolo. Inona no fahamarinana ara-Baiboly azontsika arahina mba hanampy antsika tsy hamerina ny fahadisoana nataon'ny Isiraely? Inona no hanampy antsika hitoetra ho marina amin'ireo zavatra inoantsika?