Lesona 1: Topimaso momba ny tantara tamin’ny andron’i Zerobabela sy i Nehemia

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jer. 25:11-12;Ezra 4:1–7;Ezra 7:1–10;Ezra 7:11–28;Ezra 7:6,10.

Tsianjery: « Izao no lazain'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin'ny tany dia efa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema izay any Joda. » - Ezra 1:2.

Nanoratra didy manokana i Artaksersesy ao amin’ny Ezra 7:11–28. Inona avy ireo zavatra nasainy nataon’ny vahoakan’Andriamanitra? Nahoana no zava-dehibe ho an’ny vahoakan’ny Isiraely ireo baikon’ny mpanjaka ireo? 

Mitovy amin’ny didy navoakan’ny mpanjaka Kyrosy Voalohany ihany ny didy navoakan’ny mpanjaka Artaksersesy. Nilaza tamin’ny Jiosy ny mpanjaka Artaksersesy fa afaka miverina any an-tanindrazana avokoa izy ireo. Nampirisika indrindra ny taranaka mpisorona izy mba hiverina any Jerosalema. Firy ny Jiosy niverina tany amin’ny fireneny? Avy amin’ny firaketan’ny Murashu (izay mirakitra ny zava-niseho teo amin’ny tantara) no ahazoantsika ny valin’izany. Asehon’io firaketana io fa nijanona tany Persia ny ankamaroan’ny Jiosy (araka izay aseho ao amin’ny tantaran’i Estera mpanjakavavy rahateo). Nisy ihany anefa Jiosy sasany izay niandry io tombontsoa io mba hanombohana fiainam-baovao tao amin’ny tanindrazany. Koa nanoratra tamin’ny mpitahiry volany tany amin’ny faritra any an-dafin’i Eôfrata amin’ny fanjakany ny mpanjaka. Nasainy nomen’ireo mpitahiry vola ireo an’i Ezra izay rehetra nilainy mba hananganana indray an’i Jerosalema sy izay rehetra “hahatsara tarehy ny tranon'i Jehovah any Jerosalema” - Ezra 7:27. Nila fitsarana koa ny vahoakan’Andriamanitra. Ny lalàn’Andriamanitra dia mahatonga ny firenena iray ho azo antoka ho an’ny olona ny miaina ao aminy, ary ao anatin’izany no anomezan’Andriamanitra ny olony drafitra manokana momba ny fitsarana sy ny mpitsara eo amin’ny taniny. Koa nasain’ny mpanjaka hanaraka tsara izay rehetra nolazain’ny lalàn’Andriamanitra i Ezra. Ankoatra izay, dia nanamora ny fanarenan’i Ezra sy ny Jiosy ny fireneny koa izy. 

Hitantsika fa nihevitra manokana ny fanorenana indray an’i Jerosalema sy ny tempolin’Andriamanitra ny mpanjaka Artaksersesy. Midika ve izany fa lasa mpino an’Andriamanitra izy? Antsoin’ny mpanjaka hoe “Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema” - Ezra 7:15, Andriamanitra. Inona no ambaran’izany filazana izany? Midika izany fa tahaka ny andriamanitra iray eo an-toerana izay nila fampitoniana amin’ny alalan’ny fanomezana fotsiny ihany no fahitan’i Artaksersesy an’i Jehôvah. Tsy tiany ho tezitra aminy sy ny zanany io “andriamanitra eo an-toerana” io (Ezra 7:23). Ankoatra izany, mety nisy antony hafa koa nahatonga ny mpanjaka ho tena tsara fanahy tamin’ny Jiosy. Nandritra io fotoana io, dia ny mpanjakan’i Persia koa no nifehy an’i Egipta. Tamin’ny taona 457 TlK anefa dia nikomy tamin’ny fanjakana persianina ny Egiptianina. Koa ampoizina fa nikendry izay hahatonga ny Jiosy ho mahatoky aminy io mpanjaka io. Izay no mety nahatonga azy nanampy ny Jiosy hanorina indray ny tanànany sy ny tempolin’Andriamanitra, fa tsy misy na inona na inona ao amin’ny Baiboly izay manaporofo fa tonga mpino an’Andriamanitra ny mpanjaka. Na izany aza, ohatra iray maneho ny herin’Andriamanitra ny mpanjaka Artaksersesy. Asehony amintsika fa afaka mampiasa olona na dia tsy mpino Azy aza Izy mba hanatanterahana ny sitrapony eto an-tany. 

Mpaminaninʼny TT i Jeremia. Tao aminʼny asasorany no nampanantenanʼAndriamanitra ny olony fa hiverina any aminʼny fireneny izy ireo aorianʼny fahababoana mandritra ny 70 taona any Babilôna. Nifidy ny mpanjaka Kyrosy Andriamanitra (Isa. 45:1) mba hahatanteraka io fiverenana io. Izy no mpanjakanʼi Persia, ary namoaka didy izy taminʼny taona 538 TlK, ho fanafahana ny vahoakanʼAndriamanitra mba hahazoany miverina any aminʼny fireneny sy hanangana indray ny tempolinʼi Jehôvah. 

Andriamanitra (fa tsy i Kyrosy) no nilaza ny aminʼny fanorenana indray anʼi Jerosalema hoe: “Hatsangana hianao”, sy ny aminʼny tempoly hoe: “Haorina indray ny fanorenanao” – Isa. 44:28. Andriamanitra no nanome toky ny aminʼny fananganana indray anʼi Jerosalema, ka nohetsehiny ny fonʼi Kyrosy mba hanome lalana ny fanorenana ny tempoly. 

Mampahery mandrakariva koa ny mahita fa natoky ny teny fikasanʼAndriamanitra ny vahoakany: “Dia niainga ny lohan'ny firenen'i Joda sy Benjamina sy ny mpisorona sy ny Levita, dia izay rehetra efa namporisihin'Andriamanitra hiakatra hanao ny tranon'i Jehovah any Jerosalema” – Ezra 1:5. Eto isika dia mahita ohatra matanjaka ny aminʼny fatokianʼny olona ny asa lehibe sy feno fahasoavana ataonʼAndriamanitra. Manao ny asa lehibe indrindra isika rehefa takatsika hoe iza moa Andriamanitra ary inona no nataony ho antsika, sy rehefa fantatsika ny fomba fidirany an-tsehatra amim-pitiavana rehefa tojo fahasahiranana ny olony. 

Vakio ny Jer. 25:11,12; Jer. 29:10 ary Dan. 9:1,2. Miresaka momba ny fiverenan'ny vahoakan'Andriamanitra voalohany avy tany amin'ny fahababoana ireo andininy ireo. Oviana no nitranga izany? Iza no mpaminany nanambara mialoha io fiverenana io, taona maro talohan'ny nitrangan'izany? 

Nanainga an'i Kyrosy Andriamanitra mba hamela ny fiverenana voalohany, ho fanatanterahana ny faminaniana nolazain'i Jeremia. Nampanantena Andriamanitra tao anatin'izany faminaniana izany fa hiverina any Joda ny olony rehefa avy babo any Babilôna mandritra ny 70 taona. Nilaza koa i Jeremia fa havela ho lao mandritra ny 70 taona ny firenen'ny Joda. Nitranga nanomboka teo ho eo amin'ny 606/605 TlK hatramin'ny 537/536 TlK izany. Aorian'izay fotoana izay anefa dia hanokatra lalana ho an'ny olony Andriamanitra mba hiverenany any an-tanindrazany. Tamin'ny fiafaran'ny 70 taona, raha nandalina ny asasoratr'i Jeremia i Daniela, dia hitany fa tonga ny fotoana hanatanterahan'Andriamanitra ny teny fikasany amin'ny olony, dia ny fiverenan'izy ireo an-tanindrazana izany. 

Hitantsika ao amin'ny Dan. 9 anefa fa malahelo i Daniela, satria efa ho tapitra ny 70 taona, saingy tsy nahita fiovana miharihary izy, ary niakatra teo amin'ny fahefana ankehitriny ny fanjakan-dehibe vaovao persianina. Toa kely ny fanantenana ny amin'ny hahatanterahan'ny teny fikasan'Andriamanitra. Koa nitomany sy nitodika tany amin'Andriamanitra izy, ka nangataka taminy ny mba hanehoany famindrampo amin'ny olony sy hanatanterahany ny teny fikasany. Nanome toky an'i Daniela Andriamanitra ao amin'ny Dan. 9:24–27 fa manara-maso akaiky ny zava-drehetra Izy ary manomana hoavy efa vita drafitra koa. Haniraka Mpamonjy ho amin'ny olony Izy, dia Mpamonjy izay ho faty ho azy ireo mba hanavotra azy ho afaka amin'ny fahotany. Tahatahaka izao ny tenin'Andriamanitra tamin'i Daniela: “Ry Daniela, aza matahotra! Satria azo antoka fa ho avy tokoa ilay tena Mpanafaka (Jesôsy), dia haniraka mpanafaka ho anareo koa Aho ankehitriny”. Fotoana fohy taorian'izay dia nohetsehin'Andriamanitra ny fon'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, mba hanome baiko ny hanafahana ny vahoakan'Andriamanitra ka hahafahan'izy ireo miverina any an-tanindrazany. Mihazona ny teny fikasany mandrakariva Andriamanitra! (Vakio ny Dan. 10 mba hahitanao ohatra hafa). 

Voarakitra ao amin'ny Ezra 1 ny fanambaran'i Kyrosy fa afaka miverina malalaka any Jerosalema sy hanangana ny tranon'i Jehôvah ny firenen'i Isiraely. Tany anelanelan'ny 539-537 TlK no nanomezany io baiko io. Tsy hoe navelan'i Kyrosy handeha fotsiny ihany izy ireo, fa nataony koa izay nahazoana antoka fa niverina niaraka tamin'ny fanomezana sy fanatitra izy ireo. Naveriny tamin'ny vahoakan'Andriamanitra koa ireo fanaka izay nangalarin'i Nebôkadnezara avy tao an-tempolin'Andriamanitra. Mampahatsiahy antsika ny fotoana nialan'ny Isiraelita avy tao Egipta, taona maro talohan'izao, io trangan-javatra io. Nohetsehin'Andriamanitra koa ny fon'ny Egiptianina mba hanolotra fanomezana maro ho an'ny vahoakany rehefa niala avy tao Egipta izy ireo. Olona teo ho eo amin'ny dimy alina no nandrafitra io vondron'olona voalohany niverina tany Joda io, ary inoana fa tafiditra tao anatin'izany ny vehivavy sy ny ankizy. 

Hitantsika ao amin’ny Ezra 7:1–10 sy Ezra 8:1–14 fa ny mpanjaka Artaksersesy Voalohany no namela an’i Ezra hiverina tany Jerosalema (tamin’ny taona 457 TlK) sy hitondra izay rehetra maniry ny hiverina miaraka aminy. Tsy dia mahafantatra zavatra betsaka momba ny fisakaizan’i Ezra tamin’ny mpanjaka isika, na koa hoe niasa tao amin’ny lapa ve izy sa tsia. Mitanisa ny anaran’ireo lohan’ny fianakaviana niara-niverina tamin’i Ezra tany Jerosalema ny Ezra 8. Nanomboka tamin’ny mpisorona ny lisitra, narahin’ny taranaky ny mpanjaka, ary nifarana tamin’ny sarambabem-bahoaka jiosy. Fianakaviana roa ambin’ny folo no voatanisa amin’ny fomba manokana, izay mampahatsiahy antsika ireo fokon’ny Isiraely roa ambin’ny folo.

Ahitana eo ho eo amin’ny lehilahy dimanjato sy arivo ny lisitra ao amin’ny Ezra 8, ary raha ampiana ny zaza amam-behivavy dia eo ho eo amin’ny dimy arivo hatramin’ny enina arivo ny fitambaran’ny olona rehetra. Tena vitsy lavitra noho ny tarika voalohany izay niara-niverina tamin’i Zerobabela sy i Josoa io tarika iray io.

Vakio ny Ezra 7:1–10. Inona no ampianarin’izany antsika momba an’i Ezra?

Mpanora-dalàna i Ezra, izany hoe nandalina sy nandika ny lalàna tamin’ny andron’ny Baiboly, no sady avy amin’ny taranaka mpisorona. Amin’ny maha-mpisorona azy, dia taranak’i Arôna izy, ilay rahalahin’i Mosesy sady mpisorona voalohany teo amin’ny firenen’ny Isiraely. Tsy fantatsika raha niasa amin’ny maha-mpanora-dalàna ho an’ny mpanjaka Artaksersesy i Ezra, saingy inoantsika kosa fa niara-niasa akaiky tamin’ny mpanjaka izy satria izy no nofidin’ny mpanjaka hitarika ilay antokona Jiosy hiverina any Jerosalema.

Hitantsika ao amin’ny Ezra 7:6 fa “nahay ny lalàn'i Mosesy” i Ezra. Voalaza koa fa mpampianatra tsara izy, no sady nanokana ny fiainany iray manontolo mba handinika ny lalàna (Ezra 7:10). Ny voambolana nadika hoe “nahay” dia avy amin’ny voambolana hebreo midika ara-bakiteny hoe “haingana”, izay maneho fa tena kinga saina sy mora mahataka-javatra i Ezra. Fantatra tamin’ny fahalalany sy ny fahaizany momba ny lalàn’Andriamanitra izy. Koa tsy mahagaga raha nifidy azy ny mpanjaka mba ho mpitarika! Asehon’izany fifidianany an’i Ezra izany koa fa nanana herim-po sy fahaiza-mitarika i Ezra.

Mariho fa i Ezra dia “nampiomana ny fony hitady ny làlan'i Jehovah ka hankatò izany” - Ezra 7:10. Ahoana no hampiharantsika io foto-kevitra io eo amin’ny fiainantsika ankehitriny?

Ny fanorenana indray ny tempolin’Andriamanitra no andraikitra nankinina tamin’ny antokona Jiosy voalohany niverina tany an-tanindrazany. Handinika momba ireo olona niezaka nampitsahatra ny asan’izy ireo isika any amin’ny lesona aoriana. Hiresaka kosa ny amin’ireo mpanjaka persianina nifandimby nandritra ny fotoana nanorenan’ny vahoakan’Andriamanitra ny tempoly sy nananganany indray ny tanàna isika amin’ity anio ity. Zava-dehibe ny mahafantatra ny tantara nandritra ny fotoana niainan’i Ezra sy i Nehemia, satria hanome antsika fanazavana lalina kokoa momba ny hafatra nentin’izy roalahy ireo izany.

Vakio ny Ezra 4:1–7. Miresaka momba ireo mpanjakan’i Persia nifehy nandritra ny fotoana nisian’ny fanakanana ny Jiosy tsy hanangana indray ny tempolin’Andriamanitra izany. Iza no anaran’ireo mpanjaka persianina ireo? 

Ireto avy ireo mpanjaka persianina izay nifehy nandritra ny vanim-potoan’i Ezra sy i Nehemia. Voalamina arakaraka ny fotoana nanjakan’izy ireo izany lisitra izany. Manomboka amin’i Kyrosy izany, izay nanorina ny fanjakan-dehibe persianina sy nandresy an’i Babilôna tamin’ny taona 539 TlK: 

- Kyrosy Faharoa, izay nantsoina koa hoe “Lehibe” (539–530 TlK) 
- Kambisesy Faharoa (530–522 TlK) 
- Dariosy Voalohany (522–486 TlK) 
- Kserksesy Voalohany (485–465 TlK) (Fantatra koa amin’ny hoe Ahasoerosy ao amin’ny bokin’i Estera, ary izy rahateo no vadin’i Estera) 
- Artaksersesy Voalohany (465–424 TlK) 

Rehefa mandinika ny bokin’i Ezra sy i Nehemia isika, dia tena zava-dehibe ny mahafantatra fa tsy milahatra araka ny fotoana nanjakany ny fisehoan’ireo mpanjaka ireo ao amin’ny Ezra. Ao amin’ny Ezra 4 dia i Artaksersesy Voalohany no manjaka. Ao amin’ny Ezra 5 sy 6 kosa dia i Dariosy Voalohany no mpanjaka. Rehefa mijery ny lisitr’ireo mpanjaka etsy ambony anefa ianao, dia hitanao fa nanjaka talohan’i Artaksersesy i Dariosy. Midika izany fa ireo tantara ao amin’ny Ezra 4:6–24 dia nitranga taorian’ireo tantara ao amin’ny Ezra 5 sy 6, na dia ny toko faha-4 aza no mandeha aloha. Ny fahafantaranao izany dia hanampy anao tsy hikorotan-tsaina, rehefa mamaky ny momba ireo mpanjaka persianina ianao. Dia ho takatrao tsara kokoa ihany koa ny hafatra nentin’i Ezra sy i Nehemia. 

Impiry ianao no efa very hevitra noho ny zavatra novakinao tao amin’ny Baiboly? Nahoana no tokony hatoky an’Andriamanitra sy ny Baiboly mandrakariva ianao, na dia tsy takatrao avokoa aza ny zavatra vakinao? (Vakio ny Isa. 55:8,9).

Vakio ny Ezra 7:6,10. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny lanjan’ny fanabeazana ara-pivavahana? 

Ny fanokanan-tenan’i Ezra tamin’ny fony iray manontolo ho an’Andriamanitra sy ny fanapahan-keviny ny hianatra sy hampihatra ary hampianatra ny Tenin’Andriamanitra (Ezra 7:6,10) no nanomana azy ho amin’ny asa fanompoana lehibe kokoa tao Isiraely. 

Izao no nosoratan’i Ellen G. White: “Tamin’ny naha-taranak’i Arona azy no nahazoan’i Ezra ny fiofanana ho mpisorona. Nilozoka nandinika koa ireo bokin’ny mpanana ody sy mpanandro ary olon-kendrin’ny fanjakan’ny Mediana sy Persiana izy. Na izany aza anefa dia tsy afa-po tamin’ny toetra amam-panahy nananany izy, fa nitady fatratra hampifanaraka ny fiainany tamin’ny Tompo, ka naniry mafy hahazo fahendrena avy any ambony mba hahafahany manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Koa dia ‘nampiomana ny fony izy hitady ny lalàn’i Jehovah ka hankatò izany’. Nanosika azy hianatra tsara ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra izany, - dia araka izay voatantara ao amin’ny soratra navelan’ireo mpaminany sy mpanjaka. Nodinihiny ireo boky misy tantara sy tononkira ao amin’ny Baiboly hahalalany ny antony namelan’Andriamanitra an’i Jerosalema holevonina sy ny namelany ny Jiosy hobaboina tany amin’ny tanin’ny mpanompo sampy” – MM, t. 496.

“Tsy niova ny ezaka nataon’i Ezra hamelomana indray ny fitiavana handinika ny Soratra Masina. Lany tamin’ny asa mafy natokana hiarovana sy hampielezana ny Tenin’Andriamanitra ny fiainany manontolo. Nangoniny daholo ny bokin’ny lalàna rehetra izay hitany, ka nasainy nadika sy nozaraina. Koa ny fahamarinana naely sy napetraka teo an-tanan’ny besinimaro tamin’ny fomba toy izany, dia nitondra fahalalana tsara tsy azo notombanana” – t. 497. 

Mariho fa nianatra ny fomban’ireo mpanompo sampy i Ezra, ary hitany fa tsy marina izany. Noho izany, niezaka nahafantatra ny marina avy tamin’ilay loharanon’ny fahamarinana izy, izay tsy inona fa ny Tenin’Andriamanitra sy ny “lalàn’i Jehovah”. Tsy isalasalana fa tsy maintsy “nanary” zavatra maro avy tamin’izay nianarany tamin’ireo olon-kendry sy mpanao ody izy, satria diso avokoa ny ankamaroan’ny zavatra nampianarin’izy ireo. Na izany na tsy izany, inona tokoa moa no azon’ny “bokin’ny mpanana ody sy mpanandro” ampianarina azy? 

Inona avy ireo zavatra efa noraisintsika avy tamin’ireo olon-kendrin’izao vaninandro izao, izay mety ilaintsika ihany koa ny “manary” azy?

Vakio ny “Ezra, mpisorona sady mpanora-dalàna”, MM, tt. 495-503. 

Diniho ny asa feno fahazotoana nataon’i Ezra: “Izy no nanjary mpilaza ny hevitry ny tenin’Andriamanitra, ka nampianatra ny fitsipika mifehy ny lanitra tamin’izay rehetra nanatona azy. Ny nampianatra no vaindohan-draharaha nataony mandra-pahafatiny, na tao amin’ny lapan’ny Mediana sy Persiana izany, na tao Jerosalema. Arakaraka ny nampitany ny fahamarinana fantany tamin’ny hafa no nampitombo ny fahaizany niasa. Ary nanjary lehilahy tia vavaka sady nafana fo koa izy. Noho ny naha-vavolombelon’Andriamanitra azy no nampiasany teo amin’izao tontolo izao ny herin’ny fahamarinan’ny Baiboly izay nanandratra ny fiainana isan’andro” – MM, t. 497 

“Eo amin’ny fanavaozana tokony hatao amin’izao androntsika izao, dia ilaina ny lehilahy toa an-dry Ezra sy Nehemia izay tsy hanalefaka na hanarontsarona ny fahotana, - dia lehilahy tsy hitsoaka ady eo amin’ny fiarovana ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy hanala tsiny ny ratsy ireo misahana izany andraikitra izany ary tsy hanarona azy amin’ny kapaotin’ny fanaovan-tsoa sandoka. Ho fantatr’izy ireo fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra ary ny tsy fanekena lembenana aseho amin’ireo olona vitsivitsy sasany dia porofon’ny famindrampo hatao ho an’ny maro. Ho fantatr’izy ireo kosa fa ny Fanahin’i Kristy dia haseho mandrakariva ao amin’izay mitsotra ny fahotana” – MM, t. 551. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1 Nomen’Andriamanitra teny fikasana mahafinaritra maro isika. Eo an-kilan’izany, tsy manery antsika handray ny fitiavany sy ny famindrampony Izy. Inona ireo safidy mety ataontsika amin’izao fotoana izao izay mety hisakana ny fahatanterahan’ny teny fikasany eo amin’ny fiainantsika? 

2. Vakio ny vavak’i Daniela ao amin’ny Dan. 9:1–23. Inona ireo fitsipika hitanao eto izay mety hanampy anao eo amin’ny fanandramanao manokana miaraka amin’Andriamanitra? Izany hoe: inona no nataon’i Daniela, nanao ahoana ny fihetsiny, ary inona no nangatahiny? Inona koa no hitanao eto izay azo ampiharina amintsika ankehitriny? 

3. Tao amin’ny lesona Alakamisy dia nianarantsika avy tamin’ny asasoratr’i Ellen G. White fa zava-dehibe ho an’ny asa fanompoan’i Ezra tokoa ny Tenin’Andriamanitra. Nianarantsika koa fa niasa mafy izy mba hampielezana izany tamin’ny olona. Inona no ampianarin’izany antsika momba ny lanjan’ny Baiboly ho an’ny fiangonantsika sy ny fiainantsika ankehitriny?