Lesona 8: Ny kely indrindra amin'ireo

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mat. 5:2-16; Mat. 5:38-48; Lio. 10:25-27; Lio. 16:19-31; Mat. 25:31-46. 

Tsianjery : "Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko" - Mat. 25:40. 

Nasehon'i Jesôsy fa nihevitra ny hafa Izy nandritra ny androm-piainany rehetra, indrindra ireo izay maratra sy ireo tsy mahafantatra an'Andriamanitra. Koa tokony hanantena isika fa manan-javatra maro holazaina momba ny tokony ho fikarakarantsika ny hafa Izy.

Lesona hampiharina ny fampianaran'i Jesôsy, izay nifantoka tamin'ny hevitry ny hoe miaina amin'ny maha-mpanara-dia an'Andriamanitra. Araka izany, mibaiko antsika i Jesôsy mba hanao ny rariny, ary haneho fahalemem-panahy sy famindrampo. Izany no nataony fony Izy tety an-tany. Raha manaraka ny ohatra nomeny isika, dia hanompo ny hafa, tahaka izay nataony.

Niresaka momba ny fanjakan'Andriamanitra koa i Jesôsy. Nilaza Izy fa tena zava-misy ny fanjakan'Andriamanitra, ary azontsika atao ny ho isan'izany dieny izao sahady. Fomba fiainana izany, saingy manana fitsipika hafa noho izay hitantsika ao amin'ireo fanjakana eto an-tany izany. Faritan'ireo fampianaran'i Jesôsy ny drafitr'Andriamanitra ho an'io fanjakan'ny lanitra io. Tafiditra ao anatin'izany drafitra izany ny lanjan'ny fanompoantsika Azy. sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa, raha eo am-panompoana Azy. Hitantsika koa fa ny fanompoana ny hafa - fanomezana izay ilainy sy fanandratana azy ireo - dia fomba iray anompoantsika mivantana an'Andriamanitra. 

Ny toriteny teo an-tendrombohitra no toriteny - na andiam-pampianarana - lava indrindra nataon'i Jesôsy . Toko anankitelo no mandrafitra io toriteny io, izay iresahany momba ny fanjakan'Andriamanitra. Natombony tamin'ny fanambarana soatoavina maro izany toriteniny izany, ary lasa fantatra amin'ny hoe "Ireo Fahasambarana" ireo soatoavina ireo. 

Vakio ireo soatoavina miisa sivy nambaran'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 5:2-16. Inona no itovian'izy ireo? 

Mifono fahamarinana ara-panahy lalina ireo soatoavina miisa sivy ireo. Hanova ny fomba fiainantsika koa izany. Nilaza i Jesôsy fa ilaintsika ny mahatsapa ny fahantrana ao anatintsika sy eo amin'izao tontolo izao. Niresaka momba ny fankatoavana an'Andriamanitra, ny fahamarinana, ny fanetren-tena, ny famindrampo, ny fampihavanana, ary ny fahadiovam-po koa Izy. Rehefa manatanteraka ireo rehetra ireo isika dia hitondra fiovana eo amin'ny fiainantsika sy ny fiainan'ny hafa. Nasain’i Jesôsy ho tonga toy ny fanasina (sira) sy fahazavana koa ny mpianany (Mat. 5:13-16), dia ho fitahiana ho an'ny olona koa izy ireo. Mitondra fiovana eo amin'ny tontolo itondrantsika azy ny fanasina sy ny fahazavana rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy. Mampatsiro ny sakafo ny sira, no sady mihazona izany tsy ho simba. Tandindona maneho ny tsara tokony hataontsika sy tokony ho toetsika manoloana ny olona manodidina antsika izany. Tandindona tahaka izany koa ny fahazavana. Mamirapiratra ao anaty haizina izany, ka mampiharihary ireo loza miafina ao anaty haizina. Mahatonga ny trano na tanana iray ho azo antoka ny fahazavana, ary manampy antsika hahita ny lalantsika mody amin'ny alina. Asain'i Jesosy ho tonga toy ny fahazavana amin'ny alina maizina isika, ka hoy Izy: "Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra" -Mat. 5:16. 

Na ny fanasina na ny fahazavana dia samy manondro antsika ny andraikitsika amin'ny maha-mpianatr'i Kristy antsika. Ilaintsika ny manatsara ny fiainan'ny olona manodidina antsika. Fanasina sy fahazavana isika rehefa malahelo noho ny fahotana, manana fahadiovam-po, manetry tena, maneho famindrampo, mampihavana, ary miaritra ny fanenjehana.

Amin'ny lafiny inona no iasan'ny fiangonanareo tahaka ny fanasina sy fahazavana eo amin'ny fiarahamonina misy anareo? Lasa toerana tsara kokoa ve ny fiarahamoninareo noho ny fiasan'ny fiangonanareo ao? Amin'ny lafiny inona? 

Rehefa mandinika ny fampianaran'i Jesôsy isika, dia tsara ny mitadidy ny olona niresahany sy ny toe-javatra niainan'izy ireo. Nisy vahoaka maro tonga mba hihaino ny toritenin'i Jesôsy (vakio ny Mat. 4:25;Mat. 5:1). Mpanapaka jiosy sy mpitarika ara-pivavahana ny sasany tamin'izy ireo, fa ny ankamaroany kosa dia olon-tsotra. Sarotra ny fiainan'ireo olon-tsotra ireo satria tsy dia nanan-tsafidy maro ny banana fiainana tsara kokoa izy ireo, no sady nandoa hetra betsaka tamin'ny fanjakana romanina. Ankoatra izay, nilaza tamin'izy ireo koa ny mpitarika ara-pivavahana fa tsy maintsy nanao fombafomba maro izy ireo mba hovonjena.

Nampianatra fomba fiainana tsara kokoa an'ireo olona ireo i Jesôsy . Niriny ny hiainan'izy ireo amim-pahamendrehana sy herim-po, na dia miry zava-tsarotra mitranga aza. Afaka mamaky ny sasantsasany aminareo fampianaran'i Kristy isika ao amin'ny Mat. 5:38-48. Nilaza Izy hoe: "atodiho any aminy koa ny takolakao ilany" - Mat. 5:39 (DIEM). Hoy koa Izy: "Ary izay te-hiady aminao ka ta-haka ny akanjonao, dia avelao ho azy koa ny lambanao" - Mat. 5:40. Ary mbola nampiany hoe: "Ary na zovy na zovy no hanery anao handeha maily iray, mandehana miaraka aminy maily roa" - Mat. 5:41. Fantatsika tsara ireo teny ireo, izay ampianaran'i Jesôsy antsika lesona tena manan-danja.

Fanandramana nahazatra ny ankamaroan'ny mpihaino an'i Jesôsy ireo toe-javatra nofaritany teto ireo. Matetika ireo olona ireo no nihetraketrahan'ny tompony mafy. Maro tamin'izy ireo no nanan-trosa betsaka ka nanolotra ny taniny sy ny tranony tamin'ny mpampitrosa azy. Matetika ny miaramila rômanina no nanery azy ireo hiasa mafy. Nampianarin'i Jesôsy anefa izy ireo mba haneho fahitsiana amin'ireo olona mampahory azy ireo. Tsy azontsika fehezina izay ataon'ny olona manana fahefana amintsika, saingy azontsika fehezina ny fihetsitsika rehefa mampahory antsika izy ireo. Nampianarin'i Jesôsy fa manana fahafahana hifidy izay lazainy sy ataony mandrakariva ny olona. Koa raha mifidy ny haneho fahalemem-panahy sy fahalalahan-tanana ireo olon-tsotra ireo, dia hampiharihary ny faharatsian'ny fampahoriana sy ny tsy rariny natao taminy izy ireo, ary hanampy ny olona hahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra.

Ampitahao ireo fitsipika manan-danja hita ao amin'ny Mat. 5:38-48 sy Rôm. 12:20,21.  Ahoana no ampiharantsika ireo fitsipika ireo eo amin'ny fiainantsika?

Nofintinin'i Jesôsy tao anaty fitsipika iray antsoina hoe Lalàna Volamena avokoa ny "Ialàna sy ny mpaminany" rehetra. Nolazainy fa mamintina ny hevitry ny lalan'i Mosesy rehefra sy ny fampianaran'ny mpaminany rehetra io Lalàna Volamena io, izay mivaky toy izao: "Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany" - Mat. 7:12. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manatanteraka izay asain'i Jesôsy ataontsika ao amin'io Lalàna Volamena io, na manao ahoana na manao ahoana ny saran'izany? 

Vakio ny Lio. 10:25-27. Nametraka fanontaniana tamin'i Jesôsy ny mpahay lalàna hoe: Inona no ataoko mba hahazoako ny fiainana mandrakizay? Hoy i Jesôsy namaly: "Inona no voasoratra ao amin`ny lalàna? Manao ahoana no famakinao azy?" -Lio. 10:26. Namaly ilay mpahay lalàna fa mibaiko antsika ny lalàna hitia an'Andriamanitra sy hitia ny olona rehetra. Ahoana no ifandraisan'ireo didy anankiroa ireo?

Rehefa nametraka fanontaniana tamin'i Jesôsy ny olona, dia matetika Izy no tsy nanome ny valinteny nandrasan'izy ireo. Asehon'ny Lio. 10:25-27 fa nandany fotoana betsaka niadiana hevitra momba ny Lev. 19:18 ireo mpitarika ara-pivavahana tamin'ny androny. Izao no voasoratra ao amin'izany: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao". Niady hevitra momba ny velarana sy ny fetran'io fitsipika hoe "namanao" io ireo mpitarika ara-pivavahana ireo.

Tian'i Jesôsy hitia ny namany ny mpianatra, saingy tiany hanao soa amin'ny olona rehetra koa izy ireo. Koa tiany ho takatr’izy ireo ny hevitry ny voambolana hoe "namana". Hoy Izy: "Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina" - Mat. 5:44,45.

Nahoana no nametraka ny fanontaniana tamin'i Jesôsy ilay mpahay lalàna? Satria te hitsapa ny fatran'ny fahalalan'i Jesôsy ny lalàna izy. Nomen'i Jesôsy valinteny sahaza izy tamin'izany. Nametraka fanontaniana iray hafa indray ilay mpahay lalàna: "Iza ary no namako?" Lio. 10:29. Novalian'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny tantaran'ilay Samaritana tsara fanahy izany. Io tantara io no maneho ny valin'ny fanontaniana napetrak'ilay mpahay lalàna. Nambaran'i Jesôsy tamin'izany fa ny namantsika dia izay rehetra mila ny fanampiantsika (vakio ny Lio. 10:36,37).

Vakio ny tantara nataon'i Jesôsy momba ilay Samaritana tsara fanahy ao amin'ny Lio. 10:30-37. Niresaka momba ny lehilahy anankitelo izay nahita lehilahy iray notafihin'ny jiolahy teny antsisin-dalana Izy. Inona no nataon'ny lehilahy tsirairay raha nahita io lehilahy nila ny fanampiany io izy? Inona no lesona noezahin'i Jesôsy nampianarina momba izay tokony hataontsika rehefa mahita olona mila fanampiana isika?

"Ny tantaran'ny Samaritana tsara fanahy no entin'i Kristy manazava ny toetry ny tena fivavahana. Asehony fa tsy rafitra, na fanekem-pinoana, na fombam-pivavahana izany, fa fanatanterahana asam-pitiavana amin'ny fitondrana ny soa lehibe indrindra ho an'ny hafa, amin’ny hatsaram-po tena izy"- IFM, t. 533. 

Ao amin'ny fanoharana momba ilay lehilahy mpanankarena sy i Lazarosy (vakio ny Lio. 16:19-31) no ampitahan'i Jesôsy ny fiainan'ny lehilahy anankiroa: ny iray manan-karena, ny iray mahantra fadiranovana. Tamin'ny andron'i Jesôsy  dia nangataka teo ivelan'ny tranon'ny mpanankarena ireo olo-mahantra. Nanantena izy ireo fa halala-tanana ny mpanankarena ka hizara aminy ny ampahany bitika amin'ny hareny mba hanamaivanana ny fahoriany. Ao amin'ity tantara ity anefa dia voalaza fa "noho ny fitiavan-tenany, dia tsy nampiraika azy ny fahorian'ny rahalahiny" - HF, t. 220. Maty izy roa tonta ireo taty aoriana. Raha nitsara azy ireo Andriamanitra, dia natsimbadiny tanteraka ny zavatra tsy rariny rehetra teto an-tany teo amin'ireo lehilahy anankiroa ireo. Nanapa-kevitra Andriamanitra fa hahavery ny zavatra rehetra ilay mpanankarena, fa i Lazarosy kosa hahazo ny fiainana mandrakizay.

Ampitahao ny tantara ao amin'ny Lio. 16:19-31 sy ny tantara ao amin'ny Lio. 12:13-21. Inona no fitoviana sy fahasamihafana ao amin'ireo tantara roa ireo? Ary Inona no ampianarin'izy roa ireo antsika? 

.................................................................................................................................................................................................................

.................................................................................................................................................................................................................

Tsy misy porofo ao amin'ireo tantara ireo fa lasa nanan-karena noho ny fanaovana zavatra tsy mety ireo lehilahy ireo. Angamba niasa mafy izy ireo, nitantana tsara ny fananany, ary notahin'Andriamanitra. Nisy zavatra toa tsy nandeha araka ny tokony ho izy anefa teo amin'ny fihetsiny manoloana ny fiainana, Andriamanitra, ny vola, ary ny hafa. Nandoa ny saran'izany tamin'ny famoizany ny fiainana mandrakizay izy ireo.

Mampianatra lesona manan-danja antsika i Jesôsy ao amin'io fanoharana io. Misy fiantraikany eo amin'ny fiainantsika ho avy ny sandy ataontsika eto amin'ity fiainana ity. Fomba iray anehoana ny safidintsika sy ny zavatra manan-danja amintsika ny fihetsika asetrintsika ireo izay mitady na mila ny fanampiantsika. Nampianatra i Jesôsy fa ny fakam-panahy avy amin'ny harena - na ny fananana izany na ny fihazonana izany na ny fikatsahana izany - dia mety hampanalavitra antsika amin'ny fanjakany, hahatonga antsika ho tia tena, ary hahatonga antsika hihevitra fa tsy mila an'Andriamanitra intsony isika. Miantso antsika i Jesôsy mba hikatsaka ny fanjakany aloha ary hizara ny fitahiana azontsika amin'ireo manodidina antsika, indrindra ireo malahelo.

Na mpanankarena ianao na mahantra.  Inona no azonao atao mba tsy hamelana ny vola hifehy ny fiainanao? 

Nanao toriteny hafa indray i Jesôsy ao amin'ny Mat. 24 sy 25, ho valin'ny fanontaniana hafa koa. Tamin'ity indray mitoraka ity dia ny mpianatra no nametraka ny fanontaniana. Valinteny hafa tamin'izay nandrasan'izy ireo indray no nomen’i Jesôsy azy ireo. Tahaka izao no zavatra nitranga. Nanatona an’i Jesôsy ny mpianany ka nanontany Azy ny momba ny faharavan'ny tempolin'i Jerosalema sy ny fotoana hiverenan'i Jesôsy (jereo ny Mat. 24:1-3). Ny toriteny ao amin'ny Mat. 24  sy ny fanoharana ao amin'ny Mat. 25 no valintenin'i Jesôsy. Avy eo Izy dia niresaka momba ny famahanana ny noana, fanomezan-drano ny mangetaheta, fampiantranoana ny vahiny, fampitafiana ny mitanjaka, fikarakarana ny marary, ary ny famangiana ny any an-tranomaizina. Rehefa izay dia nanome toky azy ireo Izy hoe: "Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko" - Mat. 25:40; vakio koa ny Mat. 25:45).

Eto dia manampy antsika ny tenin'i Jesôsy mba hahatakarantsika ny asany farany amin'ny maha-Mpitsara antsika Azy . Mamaly mivantana ny fanontanian'ny mpianatra momba ny andro farany Izy ao amin'ny Mat. 24  Nanome azy ireo famantarana sy fampitandremana momba ny faharavan'i Jerosalema sy ny fiavian'ny andro farany Izy ao amin'izany. Nohamafisiny kosa anefa fa ilain'izy ireo ny hiambina mba tsy hisy hamitaka azy ireo ny amin'ny zavatra hitranga mialoha ny fiverenany. Ao amin'ny ampahany voalohany amin'ny Mat. 25 kosa indray dia mampiasa ny fanoharana momba ny virijina hendry sy adala i Jesôsy mba hanehoana amin'ny mpianatra fa ilain'izy ireo ny hiomana amin'ny fiverenany. Mety hiseho amin'ny fotoana tsy ampoizina na koa hitarazoka ela anefa izany fiverenany izany, ka izany no ilany fiomanana. Ny fanoharana momba ireo mpanompo anankitelo kosa indray dia maneho fa tokony hiaina araka ny tokony ho izy sy hamokatra isika raha eo am-piandrasana ny fiverenan'i Kristy. Ary farany ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy dia maneho ny asa tokony hilofosan'ny vahoakan'Andriamanitra.

Vakio ny Mat. 25:31-46. Inona no ambaran'i Jesôsy ao amin'ireo andininy ireo? Nahoana no tsy fampianarana momba ny famonjena amin'ny alalan'ny asa izany? Ary Inona no ampianarin`ny teniny momba ny hevitry ny hoe famonjena amin'ny alalan'ny finoana? 

Milaza i Jesôsy fa izay ataontsika ho an'ny hafa dia ataontsika Aminy. Tokony hanova ny fifandraisantsika amin'ny hafa sy ny fihetsitsika io fahamarinana io. Alaivo sary an-tsaina izany hoe manasa an'i Jesôsy hisakafo na mamangy Azy any amin'ny hopitaly na any an-tranomaizina izany. Nilaza Izy fa manao izany isika rehefa manao izany fanompoana izany amin'ny olona ao amin'ny fiarahamonintsika. Tombontsoa tsy mampino tokoa no atolony antsika amin’izany fomba izany!

Vakio "Ny Samaritana tsara fanahy", tt. 533-540, sy "Ny kely indrindra amin'ny rahalahiko", tt. 685-690, ao amin'ny IFM; "Tevana makadiry ajadona", tt. 219-232, "Iza no namako?", tt. 329-341, ao amin'ny HF. 

"Narodany ny efitra fisarahana sy ny fitiavan-tena ary ny hambom-po, fa nampianariny azy kosa ny fitiavana ny ankohonan'olombelona manontolo. Nasondrony hiala avy amin'ny gadra namatoran'ny fitiavan-tena azy ny olona: nofoanany ny kifariparitra sy ny fiavakavahana rehetra. Tsy nasiany fahasamihafana na ny vahiny sy ny tompon-trano, na ny fahavalo sy ny sakaiza. Nampirisihiny ny olona mba hiondrika hery ireo fanahy mila vonjy, ka handray izao tontolo izao ho adidy tsy maintsy hiasana" - S, tt. 40,41. "Ny marik'ity fitsipika volamena ity no tena marika hotratrarin'ny Kristianina; ny latsaka noho izany dia fahadisoan-kevitra. Ny fivavahana izay mahatonga ny olona hihevitra ny olombelona ho ambany, nefa i Kristy efa hihevitra an'ireo ho ambony indrindra ka nanolotra ny tenany ho azy; ny fivavahana izay mitarika antsika tsy hihontsona amin'ny fahoriana sy ny fijaliana ary ny rariny tokony ho an'ny hafa, dia fivavahana sandoka. Amin'ny fanamaivanantsika ny fiantsoan'ny mahantra, ny mijaly, ny mpanota, dia miseho ho mpamadika an'i Kristy isika. Noho ny andraisan'ny olona ny anaran'i Kristy, nefa ny fiainany mandet ny toetr'izany Tompo izany, no mahakely hery ny fivavahana kristianina eto amin'izao tontolo izao" - S, t. 121. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Inona no andininy nianarantsika tamin'ity herinandro ity tianao indrindra? Nahoana? 

2. Jereo izay nosoratan'i Ellen G. White: "ny fivavahana izay mitarika antsika tsy hihontsona amin'ny fahoriana sy ny fijaliana ary ny rariny tokony ho an'ny hafa, dia fivavahana sandoka". Marina fa zava-dehibe ny fahamarinana, ary manana ny fahamarinana tokoa isika. Nahoana anefa no zava-dehibe koa ny mahatsiaro fa ilaintsika ny miaina izany fahamarinana izany?

3. Vakio indray ireo andininy ao amin'ny lesona Alakamisy. Inona koa no zavatra takin'ny fananana ny fahamarinana?