Lesona 6: Miankohofa eo anoloan’ny Mpahary

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 115:1-8;Deo. 10:17-22;Isa. 1:10-17;Isa. 58;Mar. 12:38-40.

Tsianjery: "Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra? Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ny namanao hianao?" Isa. 58:6,7. 

Na dia ny famakiana kimaimaika ny asasoratr'ireo mpaminanin'ny TT aza dia efa ahitana fa nihevitra ny fitondrana ny mahantra sy ny ampahorina izy ireo. Tezitra mafy mihitsy izy ireo noho ny zavatra ratsy nataon'ireo firenena manodidina tamin'ireo mahantra (vakio ny Amô.1sy 2). Mbola tezitra mihoatra noho izany anefa izy ireo noho ireo asam-paharatsiana ataon'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ireo mahantra sy malahelo, kanefa dia nomen'Andriamanitra fitahiana betsaka tokoa izy ireo. Raha ny tantarany sy ny lalana nomen'Andriamanitra azy ireo, dia tokony ho nahalala zavatra betsaka kokoa ireo olona ireo. Tsy izany mandrakariva anefa no nitranga, ka nanan-javatra maro holazaina momba izany toe-javatra izany ireo mpaminany.

Mahaliana ny mahita fa nanan-javatra maro nolazaina momba ny fiankohofana koa ireo mpaminanin'Andriamanitra. Ary rehefa niresaka momba izany izy ireo, dia matetika no niresaka momba ny rariny sy ny tsy rariny natao tamin'ny mahantra. Araka ny ho hitantsika, ny fiankohofana marina dia tsy zavatra mitranga mandritra ny fombafomba ara-pivavahana any am-piangonana fotsiny ihany. Ny tena fiankohofana marina koa dia mahafaoka ny fanandratana ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy izay ampahorin'ny olona na tsy misy mpiahy. 

Tsy ela akory taorian'ny nitondran'Andriamanitra ny olony hivoaka avy tao Egipta, dia nihaona tamin'izy ireo teo an-tendrombohitra Sinay Izy. Teo no nanomezany azy ireo ny Didy Folo, ary ny roa voalohany amin'izany dia momba ny fandrarana tsy hiankohoka ea anoloan'andriamani-kafa sy tsy hanaovana sarin-javatra voasokitra hatao sampy (vakio ny Eks. 20:2-6). Ho setrin'izany, dia nampanantena ny vahoaka fa hankato ny zavatra rehetra nandidian'Andriamanitra azy sy hivelona amin'ny maha-vahoakany azy (vakio ny Eks. 24:1-13).

Rehefa izay dia niakatra teny an-tendrombohitra efa ankevitry ny enina herinandro i Mosesy mba hihaona amin'Andriamanitra. Koa nanomboka nanontany tena ny olona ny amin'izay nanjo an'i Mosesy. Rehefa izay dia nanery an'i Arôna izy ireo mba hanao andriamanitra volamena ho azy, amin'ny endrika ombilahy kely. Namono biby hatao fanatitra ho an'io "andriamaniny" vaovao io ny olona. Taorian'izay dia "nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao" - Eks. 32:6. Na Jehôvah  na i Mosesy dia samy tezitra mafy noho ny fialan'ny olona tena haingana tokoa tamin'Andriamanitra ka niankohofany tamin'ny sampy vita amin'ny volamena. Ary toa ny vavaka fifonana nataon'i Mosesy ho an'ny Isiraely ihany no namonjy azy ireo tsy hiharan'ny famaizana mendrika azy (vakio ny Eks. 32:30-34).

Tsy io anefa no fotoana tokana nahalavoan'ny Isiraely tao anaty fanompoan-tsampy. Voamariky ny fotoam-panompoan-tsampy ombieny ombieny tokoa mantsy ny tantaran'ireo mpanjakan'ny Isiraely sy Joda. Nitarika ny vahoakan'Andriamanitra hanao zavatra tena ratsy teo amin'ny fiankohofana taminireo andriamanitra ireo ny sasany tamin'ireo mpanjaka ireo. Koa naniraka ny mpaminaniny Andriamanitra mba hiantso ny olona hiverina Aminy. Matetika koa, teo anivon'ireo antso ho amin'ny fifohazana sy fanavaozana ireo, dia niantso ny vahoakan'Andriamanitra koa ireo mpaminany ireo mba hitsinjo ny mahantra sy ny malahelo ary ny tsy misy mpiahy.

Vakio ny Sal. 115:1-8. Inona no lesona manan-danja ampianarin'ny mpanoratra eto? 

Amin'ny maha-olombelona antsika, dia lasa mitovy amin'ny zavatra na ny olona iankohofantsika sy ifantohantsika isika. Koa mandeha ho azy fotsiny raha mihena ny fitsinjovan'ny vahoakan'Andriamanitra ny hafa sy ny rariny rehefa niala tamin'ny fiankohofana tamin'ilay Andriamanitry ny fahamarinana izy ireo. Koa rehefa nifidy ny hiankohoka tamin'andriamani-kafa izy ireo, dia niova ny fihetsiny nanoloana ny zavatra maro, ary tao anatin’izany ny fitondrany ny hafa. Ho nizara ny fitiavan'Andriamanitra tamin'ireo olona sahirana teo amin'izy ireo ny vahoakany raha nitoetra ho mahatoky Taminy izy ireo. Ahoana no hahatonga antsika ho tahaka izay zavatra iankohofantsika? 

Manerana ny Baiboly dia asaina miankohoka eo amin'Andriamanitra ny vahoakany. Omen’ny Baiboly koa anefa ny antony tokony hanaovantsika izany. Asaina miankohoka eo Aminy isika satria Izy no Andriamanitra, ary nanao zava-mahagaga ho antsika Izy. Malemy fanahy Izy, be famindrampo, ary marina. Rehefa ampahatsiahivina antsika ny toetr'Andriamanitra sy izay nataony ho antsika ,indrindra fa teo amin’ny hazo fijalian'i Kristy ary izay ampanantenainy fa hataony, dia hanana antony hiankohofana Aminy sy hiderana Azy mandrakariva isika.

Vakio ny Deo. 10:17-22; Sal. 101:1; Sal. 146:5-10; Isa. 5:16; ary Isa. 61:11. Inona no antony manosika ny fiankohofana amin'Andriamanitra sy ny fiderana Azy ao amin'ireo andininy ireo?

Tsy vaovao tamin'ny vahoakan'Andriamanitra ireo antony hiankohofana Aminy ireo. Nanana fanandramam-piankohofana maro sady matanjaka ny Isiraely taorian'ny nanafahan'Andriamanitra azy ireo avy tao Egipta. Santionany amin'izany, ohatra, rehefa avy niampita ny Ranomasina Mena ny olona, dia notarihin'i Mosesy sy Miriama tao anatin'ny fiderana an'Andriamanitra izy ireo. Nidera Azy izy ireo noho izay rehetra nataony mba hanavotana azy ireo (vakio ny Eks. 15).

Tsy azo hadinoina ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny famindrampony, araka izay aseho ao amin'ny toe-javatra tahaka ireo. Koa naverimberin'ny vahoakan'Andriamanitra notantaraina ireo tantara mahagaga ireo. Mahita santionany amin'ny fiankohofan’ny vahoakan'Andriamanitra Aminy koa isika ao amin'ny Deo. 10:17-22. Nifampitantara ireo zava-mahagaga nataon'Andriamanitra izy ireo.

Araka ny efa nolazaintsika, Andriamanitra dia manao ny rariny, ary, voalohany indrindra, ampahany amin'ny toetrany izany. "Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny"- Joba 34:12. Manao ny rariny Andriamanitra, ary mihevitra ny rariny Izy. Antony iray hiankohofana Aminy sy hiderana Azy izany.

Faharoa, hitantsika eo amin'ny asam-pahamarinana ataony ho an'ny olona sy ho an'ireo mahantra sy ampahorina ny rariny ataon'Andriamanitra. Tsy famaritana ny toetrany fotsiny ny rariny asehon'Andriamanitra, fa tena zava-misy mihitsy. Asehon'ny Baiboly tokoa mantsy fa tonga any amin'Andriamanitra ary reny "ny fitarainan'ny malahelo" sy "ny fitarainan'ny ory" - Joba 34:28. Miasa mafy koa Izy mba hanarenana ny tsy mety izay hita miharihary eto amin'izao tontolo izao. Oviana no hitrangan'izany amin'ny fahafenoany? Rehefa hitsara ny olona rehetra sy hanavao ny zavatra rehetra Andriamanitra.

Nanana antony maro hiderana ny Tompo ny vahoakany tamin'ny andron'ny TT. Manana antony maro kokoa noho izy ireo anefa isika. Inona no antony omen'ny hazo fijaliana antsika ho fiderana an'Andriamanitra? 

Nisy fotoana tamin'ny andron'ny TT izay nialan'ny vahoakan'Andriamanitra tamin'ny fanompoan-tsampy ka niverenan'izy ireo Taminy. Tsy araka izay tena tian'Andriamanitra anefa ny fiankohofan'izy ireo. Matetika tokoa mantsy ny fiankohofan'izy ireo no nafangarony tamin'ny fanompoan-tsampy sy ny fivavahan'ny firenena manodidina azy. Koa tsy marina ny fiankohofan'izy ireo. Nambaran'ireo mpaminany fa tsy ampy izany mba hampialana azy ireo amin'ny fanaovany ratsy eo amin'ny fiainany andavanandro. Nilofo mafy ny olona mba ho mpivavaka tamin'ny alalan'ny fombafombam-piankohofany, saingy tsy nahasarona ny fitarainan'ny mahantra sy ny ampahorina ny hiram-piderana nataon'izy ireo. 

Nasehon'i Amôsa tamin'ny olona tamin'ny androny ny faharatsiana tao am-pon'izy ireo. Hoy izy: "Mihanoa izao, hianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany" - Amô. 8:4. Hitan'i Amôsa ny fanirian'ny olona ny hahavitan'ny fombafombany ara-pivavahana mba hahafahany manokatra indray ny tsenany sy miverina amin'ny raharaham-barony feno hafetsena. Hoy ireo olona ireo: "hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo" - Amô. 8:6.

Vakio ny Isa. 1:10-17; Amô. 5:21-24; ary Mika 6:6-8.  Inona no nolazain'i Jehôvah tamin'ireo olona mpivavaka ireo momba ny fombafombam-pivavahany?

Mampiasa ny mpaminaniny Andriamanitra mba hiresahana amin'ny olony. Nihomehezan'Andriamanitra ny fiankohofan'izy ireo. Nahoana? Satria, araka ny efa nianarantsika, tsy nihevitra ny mahantra ny olony, kanefa nisy olona sahirana teny amin'ny manodidina azy ireo rehetra teny. Tsy nanao zavatra mba hanampiana azy ireny ny vahoakan'Andriamanitra. Milaza Andriamanitra ao amin'ny Arno. 5: 21- 24 fa halany sy laviny ny fombafombam-pivavahan'izy ireo. Milaza koa Izy fa "tsy ho hanitra ankasitrahana" Aminy ny fivoriany masina, ary tsy misy vidiny Aminy ny fanatiny sy ny hirany. Hoy i Mika manontany: "Ho sitrak’ i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, na renirano diloilo iray Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho?" - Mika 6:7. Mazava loatra fa tsia! Milaza zavatra mahatsikaiky fotsiny izy mba hisarihana ny fifantohan'ny olona. Raha ny marina, tena irin'Andriamanitra ny olony mba "hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanztrao amin'ny fanetren-tena" - Mika 6:8. 

Nampianarin'ireo mpaminanin'Andriamanitra fa misy fifandraisana manokana eo amin'ny fiankohofana sy ny fanaovana ny rariny. Mampianatra koa izy ireo fa ampahany manan-danja eo amin'ny fiankohofana ny fiheverana ny mahantra sy ny ampahorina ary ny fanampiana ny sahirana. Maneho miharihary io fifandraisana io ny Isa. 58.

Vakio ny Isa. 58. Araka izay asehon'io toko io, inona no tsy nety teo amin'ny fifandraisana teo amin'Andriamanitra sy ny olony?

Araka ny efa hitantsika teo aloha, dia niantefa tamin'ireo olona nandray anjara mavitrika teo amin'ny fivavahana io tsikera io. Toa mitady amim-pahamatorana an'Andriamanitra izy ireo, saingy tsy mandaitra izany, raha ny marina. Koa nilaza tamin'izy ireo Andriamanitra fa tokony hiezaka izy ireo hanova ny fomba fiankohofany, ka hanandrana fomba hafa hanompoana Azy. Tian'Andriamanitra ny olony raha hiankohoka Aminy amin'izao fomba izao: "Hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra" - Isa. 58:6. Tian'Andriamanitra koa izy ireo raha hamahana ny noana sy hanome fialofana ho an'ireo tsy manam-pialofana, ary hanampy ny olona sahirana. Ireo no fomba tian'Andriamanitra hiankohofan'ny olony Aminy.

Tsy ireo ihany anefa no fomba fiankohofana, saingy ireo asam-pahalemem-panahy ireo no lazain'Andriamanitra fa ankasitrahany kokoa noho ny fomba niankohofan'ny olony Taminy. Mampianatra antsika ireo asa ireo fa tsy mifantoka amin'ny tenantsika fotsiny ny fiankohofana, fa zavatra mitondra fitahiana ho an'ny olona rehetra manodidina ilay mpiankohoka amin'Andriamanitra. "Ny tanjon'ny fivavahana dia ny hanafaka ny olona amin'ny herin'ny fahotana, sy ny hanaisotra ny hevitra mibahana mialoha sy ny fampahoriana, ary ny hampiroborobo ny rariny sy ny fahafahana ary ny fiadanana" - SDABC, b. 4, t. 306. 

Mampanantena Andriamanitra ao amin'ny Isa. 58:8-12 fa hitahy ny olony rehefa miankohoka Aminy amin’io fomba io izy ireo. Milaza tokoa mantsy Izy fa raha mikarakara ny hafa ny vahoakany, dia ho hitany fa hiara-miasa amin'izy ireo Andriamanitra ka hitondra fanasitranana sy fanavaozam-piainana amin'ny alalan'izy ireo. Mahaliana tokoa fa maneho fifandraisana eo amin'io karazana fiankohofana io sy ny fitandremana amim-pahafinaretana ny Sabata ny Isa. 58. Maneho ny fifandraisana matanjaka eo amin'ny fitandremana ny Sabata sy ny fanompoana an'Andriamanitra koa izany. Hoy i Ellen G. White raha nanoratra momba ireo andininy ireo: "Mipetraka eo amin'ireo mpitandrina ny Sabata ny andraikitry ny fanaovana asam-pamindrampo sy fikarakarana ny hafa" - WM, t. 121 

Nanome tsiny Jesôsy noho ny fiarahany mihinana amin'ny "mpanota" ny sasany tamin'ny mpitarika ara-pivavahana tamin'ny androny. Novalian'i Jesôsy tamin'ny famerenana teny tao amin'ny Hôsea izy ireo. Nasainy niverina tamin'ireo bokiny ara-pivavahana koa izy ireo ka hamantatra izay tena tian'Andriamanitra holazaina rehefa niteny Izy hoe: "Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà" - Mat. 9:13, avy amin'ny Hos. 6:6.

Araka izay ho hitantsika, nivelona fiainam-pikarakarana sy fanompoana ny hafa i Jesôsy. Naneho io fahamarinana lehibe io ny fifandraisany tamin'ny hafa sy ny fahagagam-panasitranana nataony ary ny ankamaroan'ny fanoharany. Nasehony tamin'ny alalan'ireo fa ny fiainana ivelomana tahaka izany no fomba tsara indrindra hanehoana ny finoana sy ny fahatokiana amin'Andriamanitra. Tsy hafa amin'ireo mpitarika ara-pivavahana tamin'ny andron'i Isaia ireo mpitarika ara-pivavahana tamin'ny andron'i Jesôsy ireo. Nino izy ireo fa mahavonjy azy ireo ny asany sy ny fivavahany. Etsy an-danin'izany anefa dia nanararaotra sy nanambaka ny mahantra ary nanao tsinontsinona ny malahelo izy ireo. Tsy nifanaraka tamin'ny asany ny fivavahany. Tezitra i Jesôsy noho izany, ka tsy mba nafeniny azy ireo ny fanamelohany sy ny fankahalany ny fihatsaram-belatsihy tahaka izany.

Vakio ny Mar. 12:38-40. Mampitandrina i Jesôsy ao amin'ireo andininy ireo hoe: "Mitandrema ny amin'ny mpanora-dalàna izay (...) mandany ny tranon'ny mpitondrafena". Araka ny hevitrao, nahoana no niresaka momba izany i Jesôsy? Ary inona no tiany hambara rehefa niteny Izy hoe: "ireo no hahazo fahamelohana mafimafy kokoa"? 

Angamba ny toritenin'i Jesôsy mampatahotra indrindra - indrindra ho an'ny olona mpivavaka - dia izay hita ao amin'ny Mat. 23. Niresaka momba ireo mpitarika sy mpampianatra ara-pivavahana Izy ao anatin'izany. Nilaza Izy fa tsy vitan'ny hoe tsy manampy ny mahantra sy ny malahelo fotsiny ny fivavahan'izy ireo, fa vao mainka manampy trotraka ny enta-mavesany mihitsy koa aza. Tsy mieritreritra ny hanampy ny hafa mihitsy ireo mptarika sy mpampianatra ara-pwavahana ireo, ka hoy i Jesôsy taminy: "arindrinareo eo anoloan'ny olona ny fanjakan'ny lanitra" - Mat. 23:13. Nampitandrina azy ireo i Jesôsy hoe: "Lozanareo, mpanora-dalàma sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon`ny solila sy ny aneta ary ny komina hianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin'ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana" - Mat. 23:23. Nampian'i Jesôsy haingana fa tsy diso tsy akory ny fandoavana ny fahafolon-karena, saingy tokony hanampy ny mahantra koa izy ireo.

Ahoana no ahafahantsika misoroka ny fandrika amin'ny fiheverana fa ampy ny fananana sy ny fahafantarana ny fahamarinana? 

Ny Mpananatra, Vakio ny "Isaiah 58 — A Divine Prescription," manome torohevitra avy tt. 29-34, ao amin'ny WM; "Lozanareo Fariseo!", tt. amin'ny tsindrimandry 651-664, ao amin'ny IFM.

"Nomena toromarika aho mba hilaza amin'ny vahoakantsika mba hamaky ny Isa. 58. Vakio amim-pahalianana io toko io ka fantaro ny asa fanompoana izay hitondra aina ao amin'ny fiangonana. Tsy maintsy tanterahina amin'ny alalan'ny fanatitsika sy ny fisasarantsika ny asan'ny filazantsara. Rehefa mifanena amin'ny olona mijaly izay mila fanampiana isika, dia omen azy izany. Rehefa mahita olona noana ianao, dia fahano izy. Manao ny asa nataon'i Jesôsy fony Izy teto an-tany ianao rehefa manao izany asa izany. Asam-panasoavana ny hafa ny asa masina notanterahin'ny Mpampianatra. Aoka hampirisihina handray anjara amin'izany ny vahoakantsika eran'izao tontolo izao" - WM, t. 29. 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA: 

1. Efa noeritreretinao ve fa asam-piankohofana ny fanaovana ny rariny sy ny fanehoana famindrampo? Araka ny hevitrao, ahoana no anovan'io eritreritra io ny fomba fikarakaranao ny hafa? Ahoana no anovan'izany ny fomba fiankohofanao?

2. Nanameloka ireo mpitarika ara-pivavahana i Jesôsy noho ny nanadinoany "izay lehibe amin'ny lalana, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana" -Mat. 23:23. Inona no azontsika atao mba tsy hanaovantsika tsirambina ny fanehoana rariny sy famindrampo amin'ny olona, eo amin'ny fiainantsika, ao amin'ny ankohonantsika sy ny fiangonantsika, ary eny amin'ny fiarahamonina misy antsika? Mahatadidy fotoana izay nanaovanao ho laharam-pahamehana ny zavatra tsy manan-danja teo amin'ny fiainanao ve ianao?

3. Nahoana no raisina toy ny fahotana ny fihatsarambelatsihy? Nahoana no tsy mety ny mampihevitra ny olona fa tsara kokoa noho izay tena toetsika marina isika? 

4. Ahoana no anovan'ny fandraisan'Andriamanitra sy ny fiheverany lalina ny mahantra sy ny malahelo ny fonao?