Lesona 4: Ny ambaran'ny salamo sy ny ohabolana momba ny famindrampo

Hodinihina mandritra ny herinandro Sal. 9:7-9,13-20Sal. 82; Sal. 101; Sal. 146: Ohab. 10:4; Ohab. 13:23,25.

Tsianjery: "Alaharo ny tenin’ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy". Sal. 82:3,4. 

Manoritsoritra ny fanandramana eo amin'ny fiainana miaraka amin'Andriamanitra eo amin'ireo zavatra fanao andavanandro ny Salamo sy ny Ohabolana, fa tsy eo amin'ny fotoam-pivavahana na ny hetsika ara-pivavahana hafa fotsiny. Feno fahendrena ny bokin'ny Ohabolana. Manolotra torohevitra momba ny ankohonana sy ny fisakaizana sy ny fandraharahana ary ny fanjakana izany. Ny Salamo kosa indray dia fitambaran-kira izay mirakitra karazam-pihetseham-po lalina. Mirakitra fanandramana ara-panahy momba ny zava-drehetra koa izany, manomboka amin'ny fitomaniana hatramin'ny fiderana amim-pihobiana an'Andriamanitra. Asehon'ny Salamo sy ny Ohabolana fa tokony hitondra fiovana eo amin'ny lafim-piainantsika tsirairay sy ny fanandramantsika eo amin'ny fiainantsika ny finoantsika. Nahoana? Satria mihevitra ny lafiny tsirairay amin'ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa Andriamanitra. Tiany hanao ny rariny amin'ny hafa isika.

Velona ao anaty tontolo izay tsy ahitana mandrakariva ny rariny eo amin'ny zava-drehetra isika. Asehon'ny Baiboly ombieny ombieny anefa fa mihevitra ny zavatra tsy rariny rehetra Andriamanitra, ka miezaka mafy ny hanova ireo zavatra ireo. Izy no Ilay manome fanantenana ho an'ireo tsy manana fanantenana.

Na dia tsy afaka ny tsy handinika afa-tsy izay lazain'ny Salamo sy Ohabolana momba io lohahevitra io aza isika, dia manantena isika fa hitarika ant sika hanao zavatra misimisy kokoa ho fanompoana ny mahantra sy ny malahelo ary ny olona atao tsinontsinona manodidina antsika ity lesona ity. Andraikitsika rahateo ny manampy azy ireny.

Araka ny efa nianarantsika, dia mahita sy mandre ny olona ao anatin'ny famoizam-po sy zava-tsarotra Andriamanitra. Matetika ny Salamo no miresaka momba ny olona izay mitaraina amin'Andriamanitra. Matoky an'Andriamanitra izy ireo, saingy tsy mahita an'Andriamanitra manao zavatra mba hampitsaharana ny tsy rariny. Matetika no tena be loatra ny tsy rariny sy ny fampahoriana mitranga eo amin'ny fiainana, hany ka tsy hitan'ny mpanoratra ny Salamo intsony ny fahatsarana sy ny fahamarinana ary ny herin'Andriamanitra.

Koa inona no ataon'ireo mpanoratra ny Salamo eo anatrehan'izany? Tsy mihira momba an'Andriamanitra intsony va izy ireo? Tsia! Mbola mihira ihany izy ireo. Tsy foana na ny airy na ny finoany. Mbola nanana fanantenana hatrany izy ireo. Nangataka an'Andriamanitra izy ireo mba hiditra an-tsehatra haingana dieny mbola tsy tara, mialoha ny handresen'ny faharatsiana, dieny tsy mbola torotoron'ny vesatry ny faharatsiana mihatra aminy ireo izay ampahorina.

Vakio ny Sal. 9:7-9,13-20,  izay nosoratan'i Davida. Eritrereto ireo toe-javatra ratsy niainany. Nino ny fitiavana sy ny fahatsaran'Andriamanitra izy, kanefa koa nahafantatra tsara ny fijaliana. Efa nanana fanandramana izay nisedra ny finoanao tahaka ny nisedrana ny finoan'i Davida ve ianao? Ahoana no nihazonanao ny finoanao ho mafy orina teo anivon'izany fotoam-pisedrana izany?

Manerana ny Salamo iray manontolo, dia ny finoana fa tsara Andriamanitra ary Izy no Mpitsara izao rehetra izao no valinteny averimberin'ny Salamo manoloana ny fisedrana. Toa mandresy angamba ny faharatsiana sy ny tsy rariny amin'izao fotoana izao, saingy hitsara ny mpanao ratsy sy ny tsy rariny Andriamanitra. Hofaizin'Andriamanitra izy ireo, fa ireo nampijaliana sy nampahorina kosa hotahiny ary hohavaoziny ny fiainany.

Nanoratra momba io faniriana lalina ny hiavian'ny fotoana izay hitsaran 'Andriamanitra ny olona rehetra io C. S. Lewis. Kristianina maro no matahotra io fotoana io, fa i C. S. Lewis kosa mahita fa fotoana tokony hirintsika fatratra izany. Milaza izy fa io no fotoana "handrenesan'Andriamanitra nony farany ny fitarainan'ny olona an'arivony, izay namoy ny tranony sy ny fananany rehetra satria nangalarin'ny olona manana fahefana izany. Miandany amin'ny olony Andriamanitra ankehitriny, ka tsy matahotra ny asany amin'ny maha-Mpitsara Azy izy ireo. Fantatr'izy ireo mantsy fa hanampy azy ireo Andriamanitra raha mba afaka hijoro eo anatrehany ka hitantara Aminy ny olany izy ireo. Tsy ho ela anefa dia ho tonga hitsara tokoa Andriamanitra, ka hanana tombontsoa hitantarana Aminy ny zava-drehetra isika" - RP, t. 11.

Mahita fanantenana ho an'ny ampahorina isika ao amin'ny Salamo, na dia ankehitriny aza, na dia eo anivon'ny fijaliany sy ny fahadisoam-panantenany amin'izao fotoana izao aza.

Nanome lalana maro ny olony Andriamanitra mba hanampiana azy ireo hanana fiainana tsara kokoa sy ho tonga ohatra ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa. Mampalahelo anefa fa tsy nanaraka io drafiny io ny olony. Lasa tahaka ny olona rehetra nanodidina azy ihany izy ireo, ka niaina tao anatin'ny tsy rariny sy ny fampahoriana. Naneho ny tsy rariny tamin'ny olony tokoa mantsy ireo mpitondran'ny firenena sasany, ka nangalatra ny fananan'izy ireo sy nampahory azy ireo. Lasa tahaka izany mihitsy ny vahoakan'Andriamanitra. Ny tenany sy izay nilainy ihany no nojeren'ireo mpitarika sy mpitsaran'ny vahoakan'Andriamanitra, ary novidin'ny ratsy fanahy tamin'ny kolikoly izy ireo mba hanao fitsarana mitanila aminy. Tsy niaro ny sarambabem-bahoaka ny fitsarana, ka nanomboka nanambaka ny mahantra ny mpanankarena.

Miresaka momba ny fotoana mahatsiravina nitrangan'ireo zavatra ireo ny Sal.82. Asehon'izany koa ny andraikitr'Andriamanitra amin'ny maha-Mpitsara ny olona rehetra Azy eto an-tany. Manasongadina fotoana izay hitsaran'Andriamanitra ny mpitarika sy ny mpitsaran'ny vahoaka koa io Salamo io. Milaza zavatra momba ny olona izay manao ny asan'ny mpitsara ny mpanoratra ny Salamo. Ho azy, ny asan'Andriamanitra amin'ny maha-Mpitsara Azy no ohatra ny amin'ny fomba tokony hanaovan'ny mpitsara olombelona ny andraikitrizy ireo. Asehonizany asany izany koa ireo fitsipika ilaintsika iainana, ary amin'ny alalan'ireo fitsipika ireo no hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra velona teto an-tany. "Ireo izay manao ny asan'ny mpitsara eo anatrehany dia tokony hitsara marina" MM, t. 162.

Mifarana amin'ny fangatahan'ny mpanoratra ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra mba hamarana ny faharatsiana manjaka ao amin'ny firenena ilay Salamo (Sal. 82:8). Miteny eo amin'ny toeran'ny olona tsy misy mihaino sy arnpahorin'ny olona manana fahefana io Salamo io. Miantso anAndriamanitra amin'ny maha-Mpitsara fara tampony sy Mpanapaka ambony indrindra izao rehetra izao sy ny firenena rehetra ny mpanoratra izany Salamo izany mba hanampy ny olony. Mampanantena Andriamanitra fa na dia hisy fotoana izay tsy hihainoan'ny fitsarana eto an-tany na hanohanany ny fitarainan'ny mahantra sy ny ampahorina aza, dia mbola misy tombontsoa ahafahantsika mitaraina amin'Andriamanitra mandrakariva.

Aminny fotoana samihafa eo amin'ny fiainana, dia mety iharan'ny tsy rariny ataon'ny olona manana fahefana isika, fa amin'ny fotoana hafa kosa, dia mety ho isika indray no manao ny tsy rariny na mandray tombontsoa avy amin'izany. Manampy antsika ny Sal.82 mba hahita taridalana sy fahendrena ao anatin'ireo fanandramana anankiroa ireo. Mihevitra ny momba ireo mpitsara tsy marina koa Andriamanitra. Lazainy fa zanany koa ireny, ka tiany hifidy fiainana tsara kokoa. Koa misy fanantenana na dia ho an'ireo eo amin'ny andaniny mpampahory aza, raha toa ka avelany hanova azy Andriamanitra.

Vakio ny Sal. 101. Nosoratana ho an'ny mpitarika io Salamo io, saingy inona no torohevitra manan-danja azontsika ianarana avy amin'izany ho an'ny fiainantsika manokana?

Olona maro no mino fa nosoratan'i Davida tamin'ireo taona voalohandohany nanjakany teo amin'ny Isiraely ny Sal. 101. Nisedra fanandramana sarotra maro ny mpanjaka Davida mialoha ny nahatongavany ho mpanjaka. Miaramilan'ny mpanjaka Saoly izy, avy eo nandositra ny mpanjaka izay nikasa hamono azy imbetsaka. Hitany fa mpanjaka ratsy fanahy i Saoly. Hitan'ny masony ny fomba mety hanimban'ny mpanjaka iray ny firenena sy ny ankohonany rehefa tsy mahafehy ny tenany intsony izy. Koa tapa-kevitra izy fa ho mpanjaka tsara kokoa noho i Saoly.

Vitsy amiritsika no mpitarika ara-politika ao amin'ny firenentsika. Manana tombontsoa ny hitondra fiovana eo amin'ny fiainan'ny hafa avokoa anefa isika rehetra. Azontsika atao ny mampahery ny olona ao amin'ny ankohonantsika, eo amin'ny fiarahamonintsika, eo amin'ny asantsika, na ao amin'ny fiangonantsika. Miresaka momba an'i Davida amin'ny maha-mpitarika azy i Ellen White: "Ny voady nataon'i Davida, araka izay voarakitra ao amin'ny Sal. 101, no tokony ho voadin'izay miantsoroka ny andraikitry ny fiarovana ny ankohonany" CPTS t. 119.

Tokony hanaraka ireo fitsipika ao amin'ny Sal. 101 ireo isika eo amin'ny fiainantsika, ary hitaona koa ireo mpitarika eo amintsika mba hanaraka izany, rehefa afaka manao izany isika. Manana tombontsoa ny hampihatra ireo foto-kevitra ao amin'ny Sal. 101 avokoa ny tsirairay avy amintsika eo amin'ny toerana misy antsika. Amin'izay dia ho mpitarika tsara isika ka ho fitahiana ho an'ny hafa.

Aiza no anombohan'ny mpitarika tsara? Ho an'i Davida, ny teboka fiandohana dia ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny famindrarnpony sy ny fahamarinany (Sal.101:1). Ireo zavatra anankiroa ireo no fototry ny zavatra rehetra noezahini Davida hampanjakaina teo amin'ny fitarihany. Niezaka ny ho marina sy hamindra fo izy teo amin'ny fiainany sy ny asany. Ho fanatanterahana izany, dia tsy maintsy manohitra ny fahotana, ny kolikoly, ny lainga, any ny fanaovan-dratsy izy. Fandrika manokana ho an'ny mpitarika sy mpanapaka tokoa mantsy ireo rehetra ireo.

Fantatr'i Davida fa tena zava-dehibe tokoa ny manana mpanolo-tsaina tsara mba hanampy azy hanao ny marina. Koa nianiana ny hitady mpanolo-tsaina azo itokiana sy hanendry manam-boninahitra mahitsy izy. Zava-dehibe taminy ny fahamarinana sy ny famindrampo ka tsy maintsy nanamarika ny fitarihany, eny fa na teo amin'ireo izay niara-niasa taminy sy niasa ho azy aza.

Mety tsy mpitarika ianao, saingy inona no azonao atao mba hanaovana ny rariny sy hanehoana famindrampo amin'ireo olona eo amin'ny fiainanao izay mila izany?

Raha manakaiky ny fiafaran'ny bokin'ny Salamo isika, dia mahita fa maro amin'izany no hiram-piderana. Manomboka amin'ny hoe: "Haleloia" tokoa ireo salamo dimy farany (Sal. 146-150). Ny Sal. 146 kosa anefa dia ahitana fiderana an'Andriamanitra noho Izy mora fanahy sy maneho famindrampo amin'ny mahantra.

Vakio ny Sal. 146. Inona no hafatra ao amin'io Salamo io? Inona no ambaran'Andriamanitra eto, indrindra eo amin'ny Sal. 146:5-9? Asehon'io Salamo io fa Andriamanitra no Mpahary izao rehetra izao (vakio ny Sal.146:6).

Asehony koa ny asan'Andriamanitra mitohy eto amin'izao tontolo izao amin'ny maha-mpitsara Azy, mpanome izay ilaintsika eo amin'ny fiainana, mpanafaka antsika amin'ny fahotana, mpanafaka antsika amin'ny olon-dratsy, mpanasitrana antsika, ary mpiaro ny marefo.

Mieritreritra isika indraindray fa zavatra tsy maintsy ataontsika ny fikarakarana ny mahantra satria nilaza izany Andriamanitra. Milaza anefa ny Sal. 146 fa zavatra efa ataon'Andriamanitra izany, ka asainy hanao izany miaraka Aminy isika. Rehefa miasa mba hampitsaharana ny fahantrana sy ny fampahoriana ary ny aretina eto an-tarry isika, dia tena miara-miasa amin'Andriamanitra eo amin'ny asam-pamindrampo ataony.

Misy tombontsoa ho antsika koa anefa ao. Matetika ny Kristianina no maniry ny hanana fifandraisana ety kokoa amin'Andriamanitra. Maneho fomba hanatrarana izany ny Sal. 146:7-9. Hanakaiky an'Andriamanitra isika rehefa mikambana Aminy eo amin'ny asam-pamindrampo ataony. Koa raha miasa Izy mba hanandratana ny mahantra sy ny marary ary ny ampahorina, araka izay ambaran'ny Sal. 146 fa ataony, dia tokony hiara-miasa Aminy koa isika. "Tonga teto an-tany i Jesôsy  mba handeha ka hiasa eo anivon'ny mahantra sy ny mijaly. Nahazo ny ampahany betsaka indrindra tamin'ny fifantohany ireo sokajin'olona ireo. Ary ankehitriny, dia mbola mamangy ny mahantra sy ny malahelo lzy amin'ny alalan'ireo zanany, ka manamaivana ny fahoriana sy ny fijaliana.

"Manampy antsika hahatakatra ny famindrampo sy ny fitiavan'Andriamanitra ny fahorian'ny olona. Raha tsy manampy olona isika, dia tsy hisy fomba hahafantarantsika Ilay Ray any an-danitra feno fiantrana sy fangorahana. Miseho amin'ny endriny tsara indrindra ny filazantsara rehefa zaraina amin'ny olona any amin'ireo faritra sahirana sy fadiranovana indrindra" TFC, b. 7, t. 226.

Nahoana no mampanakaiky antsika an'Andriamanitra ny fanompoana ny hafa? Nanao ahoana ny fanandramanao?

Mahakasika sokajin-dohahevitra sy fanandramana eo amin'ny fiainana maro samihafa ny bokin'ny Ohabolana, noho izy feno tenim-pahendrena. Ny sasany amin'ny Ohabolana dia miresaka momba ny fahantrana, ny fananan-karena, ny fahaizana mianina, ny rariny, ary ny tsy rariny. Asehon'ny Ohabolana fa tsy mora mandrakariva ny fiainana, ka mampitandrina antsika izany fa mety hanova ny fiainantsika ny safidintsika.

Vakio ny Ohab. 10: 4; Ohab. 13:23,25; Ohab. 14:31; Ohab. 15: 15-16Ohab. 19:15,17;ary Ohab. 30:7-9. Inona no mampitovy na maha-samy hafa ireo Ohabolana ireo? Inona no ambarany amintsika momba ny harena, ny fahantrana ary ny fanampiana ny malahelo?

Asongadin'ny Ohabolana fa mihevitra ny mahantra sy mifantoka aminy manokana sy ny olona marefo Andriamanitra. Matetika ny olona mahantra dia noho ny trangan-javatra niseho taminy, na noho ny safidy ratsy, na noho ny fanambakan'ny olona azy. Na Inona na inona anefa ny anton'ny fahantrana, dia ambaran'ny Ohabolana fa mbola Mpahary azy (jereo ny Ohab. 22:2) sy Mpiaro azy (Ohab. 22:22,23) ihany Andriamanitra. Tsy tokony ampahorina na hararaotina ireny olona ireny, na Inona na Inona fahadisoana nataony.

Maneho fiainana tsara kokoa ny Ohabolana, ary ny fifidianana ny fahendrena sy ny fankatoavana an'Andriamanitra no tsiambaratelon'izany. Indraindray isika dia mahazo vola aman-karena, saingy tsy vokatry ny fitahian'Andriamanitra mandrakariva izany. Ny fahatokiana amin'Andriamanitra sy amin'ny lalany no zavatra manan-danja indrindra, ary manan-danja kokoa noho ny vola aman-karena aza. "Alen ny kely omban'ny fahamarinana, toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy raring" - Ohab. 16:8.

Miresaka momba ny fahitsiana sy ny fahamarinana eo amin'ny fandraharahana sy ny fitondram-panjakana ary ny fitsarana koa ny Ohabolana (vakio ny Ohab. 14:5,25; Ohab. 16:11-13; Ohab. 17:15; Ohab. 20:23; Ohab. 21:28; Ohab. 28:14-16). Tsy manolotra torohevitra momba ny tokony ho fiainan'ny isam-batan'olona fotsiny ny Ohabolana, fa manome toromarika ho an'ny fiarahamonina koa. Asehon'izany ny fomba ahafahan'ny fiarahamonina miasa ho tombontsoan'ny rehetra, indrindra ho an'ireo mila fiarovana sy fanampiana manokana. Ampahatsiahivin'ny Ohabolana antsika indray fa ny mpitarika tsara indrindra dia ireo izay mangataka ny fanampian'Andriamanitra (vakio ny Ohab. 8:15,16). Ary tokony hiasa amin'ny maha-masoivohon'ny fahasoavany sy ny fiantrany amin'ireo malahelo isika.

Mora ho antsika ny mangoraka ireo izay mijaly. Inona anefa no azontsika atao mba hamadihana io fangorahana io ho tena asa ho fanampiana azy ireo?

Vakio ny PM, toko 73; "'Judgment' in the Psaumes," t. 15-22, ao amin'ny RP.

"Mitondra antsika mamakivaky ireo lafiny rehetra eo amin'ny fiainam-pivavahana ny salamo nataon'ny mpanjakan'Isiraely. Avy ao amin'ny lavaky ny fahadisoana fantatra sy ny fanenenana be no hitondrany antsika hiakatra hatrany amin'ny fara-tampon'ny finoana madio indrindra sy ny firaisana amin'Andriamanitra. Eo an-daniny ny fiainan'i Davida mpanjaka, dia mampianatra antsika fa raha tsy mitondra afa-tsy fahoriana sy henatra ny fahotana, dia eo an-kilany kosa ny fitiavana sy ny famindrampon'Andriamanitra tafidina hatrany amin'ny lavaka mangitsokitsoky ny faharatsiana, mba hampakatra ny fahany mibebaka avy any sy hamindra azy ho any amin'ny toerana avo indrindra natokana ho an'ny olona marina. Anankiray amin'ny vavolombelona mahery indrindra mampiseho ny fahatokiana sy ny fahamarinana ary ny famindrampon'Andriamanitra ny raharaha nataon'Ilay mpanjaka-mpiandry ondry" - PM, tt. 791,792.

Nanoratra momba ny fahendrena ao amin'ny bokin'ny Ohabolana koa i Ellen G. White: "Ireo no foto-kevitra izay mifamatotra amin'ny fahasambaran'ny fiarahamonina, na ny fitondram-panjakana na ny fikambanana ara-pivavahana. Ireo foto-kevitra ireo no manome antoka ny fananana sy ny aina. Avy amin'ny lalan'Andriamanitra ny zavatra rehetra mahatonga ny toky sy ny fiaraha-miasa rehetra ho zava-misy" - Ed., t. 137.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA :

1. Amin'ny lafiny inona no maha-mpitarika anao any am-piasana na eo amin'ny fiarahamonina? Amin'ny maha-mpitarika anao, ahoana no ahafahanao manampy ny mpitarika hafa eo amin'ny manodidina anao mba haneho famindrampo amin'ny mahantra sy ny malahelo? Ahoana no ahafahanao manampy amin'ny fanovana ny zavatra manodidina anao mba hahatonga ny fiainana ho rariny sy marina ho an'ny hafa?

2. Eritrereto ny kolontsaina sy ny rafitra ara-tsosialy ao amin'ny toerana misy anao. Amin'ny fomba ahoana no ahafahanao miasa ao anatin'izany rafitra misy izany mba hanatsarana ny fiainan'ireo sahirana eo amin'ny fiarahamonina?
3. Nahoana no zava-dehibe ho fanorenana fiarahamonina matanjaka ireo foto-kevitra ara-Baiboly momba ny fahamarinana sy ny rariny?

4. Miresaka momba ny fahendrena ny ankamaroan'ny bokin'ny Ohabolana, fahendrena mba hivelomana tsara ny fiainana. Inona anefa no ambarany momba ny toetr'Andriamanitra?