Lesona 3: Sabata: Androm-pahafahana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 16:16-18; Deo. 5:12-15; Eks. 20:8-11; Mat. 12:9-13; Lev. 25:1-7.
Tsianjery: "Ary hoy Izy tarniny: ny Sabata no natao ho an'ny olona, Fa tsy ny olona ho an'ny Sabata"- Mar 9.9

Ny Sabata no noharian'Andriamanitra farany tamin'ny herinandron'ny Famoronana, dia nitsahatra tamin'izany andro izany Izy. Rehefa nitsahatra tamin'ny Sabata Izy dia nataony ho ampahany lehibe amin'ny fiainantsika koa ny fitsaharana. Maneho amintsika ny Sabata fa tian'Andriamanitra hanakaiky Azy sy hifanakaiky isika. Tsy tokony ho gaga isika, araka izany, raha toa ka nataon'Andriamanitra ho anisan'ny Didy folo ny Sabata. Natokan'Andriamanitra ho ampahany manan-daja amin'ny planiny ho an'ny vahoaka hebreo ny Sabata.

Inona no tonga ao an-tsaintsika voalohany rehefa mieritreritra momba ny Sabata? Ny fomba tokony hitandremantsika izany, sa tsy izany? Miresaka momba ireo tokony sy tsy tokony hatao isika. Zava-dehibe tokoa ireo fitsipika mikasika ny Sabata, kanefa ilaintsika ny mahatakatra ny antony mahatonga ny Sabata ho ampahany manan-danja eo amin'ny drafitr'Andriamanitra ho an'ny olony. Maneho amintsika ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famindrampo sy famelan-keloka ary hery handresena ota ny Sabata.

Araka izay nambaran'i Jesôsy dia natao ho an'ny olona ny Sabata andro fahafito. Rehefa tena "mahatsiaro ny andro Sabata" tokoa isika dia hanova antsika isan'andro izany ka hanjary fitahiana ho an'ireo manodidina antsika isika. Nasehon'i Jesôsy fa natao ho fitahiana ho an'ny olon-drehetra izany.

Naniry ny hanandratra ny vahoakany Andriamanitra taorian'ny nanafahany azy tamin'ny fanandevozana. Naneho fomba fiaina vaovao sy tsara kokoa ho azy ireo Izy, nanome azy ny larana hiainany any amin'ny tany vaovao. Nomeny fanomezana manokana ireo vahoakany mba hampianatra azy ireo izany fomba fiaina vaovao izany. Nantsoina hoe mana izany fanomezana izany, sakafo manokana izay hita teny amin'ny tany nanakaiky ny tobin'ny Isiraely isa-maraina. Nandritra ny efapolo taona no nitrangan'izany fahagagana ny amin'ny mana izany!

Vakio ny Eks. 16:16-18. Hitanao ao amin'ireo andininy ireo ve fa nanome mana sahaza ny tsirairay Andriamanitra? Inona no ampianarin’izany antsika ny amin'ny tokony hitokiantsika fa hikarakara antsika Andriamanitra? Inona no lesona hafa ampianarin'ireo andininy ireo antsika?

Miresaka momba ny tantaran'ny mana i Paoly ao amin'ny 2 Kôr. 8:10-15, nampiasainy ho ohatra ny amin'ny fomba tokony hanomezan'ny Kristianina ho an'ny hafa izany. Jereo izay ambarany ao amin'ny and.14 tamin'ireo Kristianina tany amin'ny fiangonana tany Korinto. "Fa ny mba hisy fitoviana, ka amin'izao ankehitriny izao ny haben'ny harenareo no hahafaka ny alahelon'ireo, ary ny haben'ny haren'ireo kosa no hahafaka ny alahelonareo, mba hisy fitoviana" - 2 K6r. 8:14.

Mazava ny lesona tiana homena ny vahoakan'Andriamanitra sy ho antsika. Nanome ny sakafo sahaza ny vahoakany sy izay nohariany rehetra Andriamanitra, ka tokony izay ilaintsika ihany no alaintsika, rehefa izany dia tokony hizara ny ambiny amin'izay ananantsika amin'ny hafa isika. Hianatra ny hitoky amin'Andriamanitra koa ny olony, fa Izy no hanome izay ilainy amin'ny ampitso. Matahotra ny olona rehefa tsy dia betsaka ny eo am-pelatanany, miahiahy isan'andro izy raha hanana hanina rahampitso. Nampiasain'Andriamanitra anefa ny sary an'ohatry ny mana hilazana amin'ny olony mba tsy hanahy ny amin'ny ampitso. Tiany raha matoky Azy amin-javatra rehetra ny vahoakany. Tiany raha ho malala-tanana sy hanome ho an'ny hafa ny olony.

Misy ampahany mahatalanjona amin'io fahagagana io. Isaky ny Zoma dia avo roa heny ny mana eny amin'ny tany. Nilaza tamin'ny olony Andriamanitra mba hanangona mana mihoatra, izay nomeny azy ireo ho an'ny Sabata. Maneho antsika ny fahasoavan'Andriamanitra ny mana fanampiny, ary maneho ihany koa fa hanome izay rehetra ilain'ny vahoakany Andriamanitra. Mampianatra azy ireo hatoky Azy io fahagagana io, tsy ilainy ny hitebiteby ny amin'izay hohaniny rahampitso ka azony atao izao ny hifaly amin'ny fitsaharana feno rehefa Sabata.

Vakio ny Eks. 20:8-11 sy ny Deo. 5:12-15. Samy miresaka momba ny didy fahefatra ireo andininy ireo. Ahoana no hanampian'ireo andalan-tSoratra Masina ireo antsika hahatakatra bebe kokoa ny amin'ny Sabata?

Maniry ny hanakaiky ny vahoakany Andriamanitra, izany no antony hilazany aminy mba hahatsiaro ny andro Sabata. Manampy antsika hanakaiky indray an'Andriamanitra ny Sabata, ary koa mampianatra antsika fa Izy no nanao sy mamonjy antsika. Hitantsika ao amin'ny Eks. 20:8-11 sy Deo. 5:12-15 izany fahamarinana ara-Baiboly ao amin'ny didy fahefatra izany.

Nilain'ireo vahoaka hebreo ny fampahatsiahivana fa Andriamanitra no namorona azy ireo. Ny Sabata no fomba manan-danja nenti-nampianatra izany fahamarinana izany taminy. Niaina tany Egipta nandritra ny fotoana ela izy ireo, teo amin'ireo izay nisy andriamani-tsy izy marobe, ka nanjary nanadino an'Andriamanitra. Koa nomen'Andriamanitra azy ny fanomezana manokana mba hahatakarany ny maha-Izy Azy. Araka izay nianarantsika omaly dia nanome mana fanampiny Andriamanitra isaky ny Zoma, fahagagana izay ohatra iray lehibe maneho ny herin'Andriamanitra izany, ary koa naneho tamin'ny vahoakany fa andro manokana ny Sabata.

Ny didy fahefatra ao amin'ny Deo.5 dia manambara fa nanavotra ny olony avy tamin'ny tanan'ny Egiptianina sy ny fanandevozana Andriamanitra. Tiany raha hamerimberina ny fitantarana izany ny vahoakany. Isaky ny Sabata no hahatsiarovan’izy ireo izany fanafahana izany. Nanafaka ny olony teo amin'ny tanan'ny Egiptianina tokoa Andriamanitra, kanefa nanafaka azy ireo tamin'ny ota koa.

Hitantsika fa nanome antony roa ho an'ny olony Andriamanitra mba hiankohofana Aminy rehefa Sabata. (1) Izy no nanao azy ireo. (2) Izy no namonjy azy. Izany no nilazany hoe: "Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho Amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy." - Ezek. 20:12. Nianarantsika fa ho an'ny rehetra ny fahamarinana momba ny Sabata fa tsy ho an'ny Isiraelita irery ihany tsy akory. Naniry hanampy ny olony hanana fomba fiaina vaovao Andriamanitra, ary niriny koa ny hanasan'izy ireo ny olona rehetra eto an-tany hifampizara aminy izany. Tiany ny vahoakany raha halemy fanahy amin'ny vahiny, ka hizara ny fitahiana nomeny azy ireo amin'ny olombelona rehetra.

"(...) izany no nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata". - Deo. 5:15b. Tsy ny fifandraisana amin'Andriamanitra ihany no mitombo rehefa mitandrina ny Sabata ho fomba hahatsiarovana sy hankalazana ny famoronana sy ny fanavotana antsika isika, fa ny fifandraisantsika amin'ireo manodidina antsika ihany koa. Naneho fahasoavana tamintsika Andriamanitra koa tokony hanao toy izany amin'ny hafa koa isika.

Amin'ny fomba ahoana no tokony hahatonga antsika ho olona tsara, malemy fanahy, mihevitra ny hafa ary mangoraka kokoa noho ny amin'ny fitandremana ny Sabata?

Jereo indray ny Didy folo ao amin'ny Eks. 20 sy Deo. 5. Hitanao ve ny maha-samy hafa ny didy fahefatra amin'ireo didy hafa rehetra ao amin'ireo toko sy andininy ireo? Ny didy fahefatra no didy lava indrindra, raha teny telo na efatra monja no nanoratana ireo didy sasany (teny roa ihany no anoratana izany amin'ny fiteny hebreo). Nahoana ny didy fahefatra no lava tahaka izany? Satria manazava ny antony tokony hitandremana ny Sabata izany ary maneho amintsika koa ny fomba hanamasinana io andro io. Milaza koa izany mba hahatsiaro Ilay Andriamanitra izay hiankohofantsika.

Vakio ny Eks. 20:8-11. lnona no ambaran’izany andininy izany momba ny mpanompo sy ny vahiny ary koa ny biby fiompy? lnona no fahamarinana manan-danja ampianarin'izany fitsipika izany antsika?

Hita taratra ao amin'ny tsipiriany momba ny Sabata ny fifantohana amin'ny hafa. Ambaran'ingahy Sigve K. Tonstad fa miavaka amin'ny kolontsaina rehetra manerana izao tontolo izao izany didy izany. Hazavainy fa ny didy mikasika ny Sabata dia "manao ho laharam-pahamehana ireo marefo sy malemy indrindra ao amin'ny fiarahamonina. Ireo izay mila indrindra ny fitsaharana - ny andevo, ny vahiny eo amin'ny tany, ary ireo biby mivesatra entana - no voatonona manokana amin'izany. Mahita fanampiana ireo mahantra, eny na ireo biby tsy afa-miteny koa aza, amin'ny fitsaharana amin'ny andro fahafito." - LMSD, tt. 126,127.

Tian'Andriamanitra raha hifaly amin'ny andro Sabata avokoa ny olon-drehetra. Mampianatra antsika ny fahamarinana mikasika ny Sabata fa mitovy avokoa isika rehetra eo imason'Andriamanitra. Nomeny ny mpiasa ny Sabata, ary nomeny ny andevo koa. Mampahatsiahy ireo andevo ny Sabata fa Andriamanitra no nanao azy ireo ary mamonjy azy koa, ary manasa azy ireo Izy mba hankalaza izany fahamarinana izany amin'ny Sabata. "Na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao" aza dia tsy hanao raharaha amin'ny Sabata (Eks. 20:10).

Nasain'Andriamanitra nanova ny fomba fijeriny ny Isiraelita. Andevo tany Egipta izy ireo teo aloha, kanefa miaina eo amin'ny tany vaovao amin'izao. Tsy tian'Andriamanitra hanahaka ny Egiptianina izy ireo, izany no antony nanomezany azy lalàna mazava hiainany any amin'ny tany vaovao misy azy. Nomeny azy (sy ho antsika) koa ny Sabata, izay mampahatsiahy amin'ny fomba miezinezina fa mitovy lanja ny olona "rehetra eo imason'Andriamanitra ka tsy misy ny ambony kokoa noho ny hafa.

Tian'Andriamanitra ho androm-pitsaharana ho an'ny rehetra fa tsy ho an'ny Jiosy irery ihany ny Sabata. Nanana fiheverana samy hafa mikasika ny Sabata ireo mpitarika fivavahana jiosy tamin'ny fotoana nahatongavan'i Jesôsy teto an-tany. Tsy androm-pahafahana izay maneho ny fitovian'ny tombambidin'ny rehetra eo imason'Andriamanitra ny fahitan'izy ireo ny Sabata. Nampianarin'izy ireo tamin'izany fa andron'ny fitsipika hentitra ny Sabata; nasehon'i Jesôsy tamin'ny Jiosy fa diso izany fampianarana izany.

Tamin'ny fomba ahoana no nanaovan'i Jesôsy izany? Nanasitrana tamin'ny andro Sabata Izy, niriny ny haneho zava-manan-danja tamin'ny Jiosy ny amin'ny tokony hatao amin'ny Sabata. Matetika Izy no nanasitrana tamin'ny Sabata ary niresaka ny amin'ny antony nanaovany izany. Imbetsaka ireo mpitari-pivavahana jiosy no nampiasa ny teny nataony ho antony hamonoana Azy.

Vakio ny Mat. 12:9-13; Mar. 1:21-26; Mar. 3:1-6; ary ny Jao. 9:1-16. Mitantara ny tantaran'ireo olona nositranin'i Jesôsy tamin'ny Sabata ireo andininy ireo. lnona no lesona manan-danja ampianarin'ireo tantara ireo antsika mikasika ny Sabata?

Nampianarin'i Jesôsy fa manan-danja ny Sabata ka izany no antony hitandremantsika azy manokana. Tokony hanokana izany fotoana izany hiarahana amin'Andriamanitra isika mba hahatonga antsika hanakaiky Azy kokoa. Hampahery ny fianakaviantsika sy ny fiarahamonina misy antsika ny fotoana iarahana Aminy. Tsy tokony hahakasika antsika irery ihany ny Sabata, tsy tokony ho tia tena isika amin'izany. Izao no nolazain'i Jesôsy: "Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata" - Mat. 12:12.

Mambran'ny fiangonana maro no manao asa tsara mba hanasoavana ny hafa, kanefa maro koa no mahatsapa fa tokony hanao mihoatra noho izany isika hanampiana azy ireo. Fantatsika fa mihevitra ireo olona mijaly Andriamanitra ka tokony hanao tahaka izany koa isika. Izany no mahatonga ny Sabata ho fotoana mety hieritreretana bebe kokoa ny amin'ny fomba maro hanampiana ny hafa. Nandidy antsika Andriamanitra tsy hiasa amin'io andro io; nomeny fotoana manokana isika, araka izany, hikarakarana ny hafa. "Mampianatra antsika ny didy fahefatra fa irin'Andriamanitra ny hitsaharantsika sy hiankohofantsika Aminy amin'ny andro fahafito. Mandidy antsika Izy hampitsahatra ny asa aman-draharahantsika amin'io andro io. Manome baiko antsika koa anefa Izy hanampy ny hafa, manome voninahitra izany andro masina izany ny asa feno fahalemem-panahy sy fitiavana ataontsika." - WM, t. 77, nasiam-panamboarana.

Inona no ataonao mba hanampiana ny hafa amin'ny andro Sabata?

Araka izay efa nianarantsika, ny Sabata dia ampahany iray manan-danja teo amin'ny fomba fiaina vaovaon'ny Isiraely. Tsy hoe andro iray amin'ny faran'ny herinandro fotsiny ihany anefa ny Sabata fa fotoana fitsaharana manokana ihany koa isaky ny taona fahafito. Rehefa tapitra ny dimampolo taona dia nisy ny fotoana manokana izay nitsaharana, nantsoina hoe Jobily izany.

Vakio ny fampianarana ao amin'ny Lev. 25:1-7. Inona no mampiavaka izany fampianarana izany? Amin'ny fomba ahoana no handraisanao ireo fitsipika ireo eo amin'ny fiainanao sy ny asanao?

Mandritra ny sabatan-taona dia tsy miasa ny tany ny vahoakan'Andriamanitra, fa mamela izany "hitsahatra". Maro ny olona amin'izao fotoana izao no miaiky fa feno fahendrena tokoa izany fomba izany ary tokony hatao.

Zava-dehibe ho an'ny andevo koa ny taona fahafito (vakio ny Eks. 21:1-11). Isiraelita maro no nananan'ny namany trosa ka nanjary andevo mba hanonerana ny vola tokony haloany. Ahoana ny amin'ny ambin'ny vola tokony hefain'izany andevo izany? Nambaran'Andriamanitra fa tsy nilain'ireo andevo nafahana ireo ny mandoa ny ambin'ny trosany amin'ny fiafaran’ny taona fahafito (vakio ny Deo. 15:1-11).

Tsaroanao ve ny amin'ny mana? Nianarantsika fa nanome mana mihoatra ho an'ny olony Andriamanitra ho amin'ny Sabata andro fahafito, ka tsy nanangona izany intsony ny olona tamin'ny andro fahafito. Tahaka izany koa no nilazany tamin'ny olony mba tsy hamafy eo amin'ny taniny mandritra ny taona fahafito. Nanome toky azy ireo Izy fa hanome sakafo mihoatra ho azy amin'ny taona fahenina mba hivelomany mandritra ny taona fahafito. Nampiseho ny fitokiany tamin'Andriamanitra ny Isiraely ka tsy namafy voa tamin'ny taona fahafito. Nilaza tamin'ny olony Andriamanitra mba haneho fahatsaram-po amin'ny andevo amin'ny taona fahafito, ka nibaiko azy ireo hanafaka azy amin'izany fotoana izany. Nilaza tamin'izy ireo koa Izy tsy hanery ilay andevo nafahana hanonitra ny vola tokony hefainy; tian'Andriamanitra raha manao izany ny vahoakany mba hanehoana fa matoky ny heriny izy ireo. Tiany ny hitokian'izy ireo fa hanome izay rehetra ilainy Izy. Nodidiny ny Isiraely tsy hanery ny mahantra ho lasa andevony mandra-panefany ny vola tokony haloany aminy.

Tokony hanova ny fomba fiainantsika mandritra ny henamana ny fomba fitandremantsika ny Sabata. Katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra fa fantany izay ilainao, "dia hanampy ho anareo izany rehetra izany" - Mat. 6:33.

Vakio ny "Hatreo amin'ny ranomasina Mena ka hatrany Sinay", tt. 275-279 ao amin'ny PM; "Ny Sabata", tt.291-300 ao amin'ny IFM.

"Nasehon'i Jesôsy mazava tsara fa ny asa manamaivana ny ory dia mifandraika amin'ny lalàn'ny Sabata. Mifandrindra amin'ny asan'ny anjelin'Andriamanitra koa izany, izay miakatra sy midina mandrakariva avy any an-danitra ho eto an-tany hanao fanompoana ho an'ny olombelona mijaly. (...) "Ny olona koa dia manana asa tokony hatao amin'io andro io. Tsy maintsy atrehina ireo zavatra ilainy amin'ny fiainana. Tsy maintsy karakaraina ny marary, tsy maintsy homena azy izay ilainy. Tsy ho tsy manan-tsiny izay manao tsirambina ny fanamaivanana ny fahoriana amin'ny andro Sabata. Ny andro rnasina fitsaharan'Andriamanitra dia natao ho an'ny olona, ka mifandrindra indrindra amin'ny fikendreny ny asam-pamindrarnpo. Tsy sitrak'Andriamanitra ny hampahory ireo izay nohariany na dia fotoana fohy aza, nefa mba azo hamaivanina ihany izany na amin'ny andro Sabata na amin'ny andro hafa." IFM, tt. 206.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

1. Ahoana no nanampian'ny fanandramana niainanao mikasika ny Sabata mba hatoky bebe kokoa an'Andriamanitra? Efa nanana fanandramana ve ianao teo amin'ny fiainana izay nanomezan'Andriamanitra anao izay nilainao noho ny amin'ny nitokianao taminy? Raha eny, zarao amin'ny kilasy ny tantaranao. Inona no nampianarin'izany fanandramana niainanao izany anao?

2. Hitantsika ao amin'ny ny Eks. 20:8-11 sy ny Deo. 5:12-15 ny didy momba ny Sabata. Inona no tianao indrindra mikasika ny Sabata?

3. Inona avy ireo fomba hahafahan'ny kilasinao mizara ny fitahian'ny Sabata amin'ny fiarahamonina misy anao?

4. Inona ny sasany amin'ireo fomba nanovan'ny Sabata ny fiainanao? Misy ampahany hafa amin'ny fiainanao ve tokony mbola hovain'ny Sabata bebe kokoa? Raha eny, lafiny inona izany?