Lesona 2: Ny drafitr'Andriamanitra ho fiainana tsara kokoa

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 3:7;Eks. 20:1-17; Eks. 23:9; Deo. 14:22-29; Lev. 25:8-23.
Tsianjery: "Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehôvah" - Lev. 19:18.

 

Manana olona izay tia sy mankato Azy mandrakariva Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao. Miara-mandeha Aminy amin'ny fomba manokana ireo olona ireo. Mitanisa ny sasany amin'ireo olona ireo ny Baiboly: Enôka, Nôa, Abrahama, Isaka, ary Jakôba. Nifandray tamin'ireo olona ireo ka nitahy azy ireo Andriamanitra. Hitantsika ao amin'ny tantaran'izy ireo fa maniry mafy ny hanorina indray ny fifandraisana rava teo Aminy sy ny olombelona Izy. Maniry ny hifandray amin'ny olona betsaka kokoa noho ireo izay hitantsika ao amin'ny BaiboIy anefa Andriamanitra. Maniry ny hifandray amin'ny olona rehetra Izy. Anisan'ny drafitra lehibe apetrak'Andriamanitra ny hanorina indray ny fifandraisana rava teo Aminy sy ny olombelona rehetra, sy ny hahatonga ny olony ho fitahiana ho an'ny olon-kafa. Araka izay nolazain'Andriamanitra tamin'i Abrahama: "hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; (...) ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany koa" - Gen. 12:2,3. Notahina izy ka afaka ny ho fitahiana ho an'ny hafa koa.

Amin'ny alalan'ny Isiraely no hahatongavan'io fitahiana io, ary, amin'ny farany, dia ho avy ao amin'io firenena io ny Mesia. Nomen'Andriamanitra lalàna, fitsipika, andro firavoravoana ara-pivavahana ary fombafomba ny vahoakan'ny Isiraely. Nanampy azy ireo hitoetra ho mahatoky tamin'Andriamanitra ireo fomba fiainana ireo. Rehefa izay dia nitahy azy ireo Izy, dia nitahy ny hafa koa izy ireo. Tsy isalasalana fa mihatra amintsika ankehitriny koa io fitsipika io. Rehefa mitahy antsika Andriamanitra dia afaka hitahy ny hafa koa isika. 

"Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony " - Eks. 3:7.

Fotoam-piandrasana tena ela ny 400 taona, indrindra fa raha miandry ao anatin'ny fanandevozana tena mafy isika. Nampanantena ny olony Andriamanitra fa hanafaka azy ireo amin'ny fanandevozana tany Egipta. Nifandimby anefa ny taona maro, saingy tsy nisy zavatra nitranga. Nampiasain'ny Egiptianina hampanan-karena azy sy hanangan-javatra ho azy fotsiny ny vahoakan'Andriamanitra. Ary toa nangina tsy nanao na inona na inona akory Andriamanitra nandritra izany fotoana lavabe izany.

Rehefa izay dia nisy zavatra nampitolagaga nitranga. Niseho tamin'i Mosesy tao anaty roimemy nirehitra afo Andriamanitra. Niandry ondry i Mosesy tamin'io fotoana io, rehefa avy nandositra niala tany Egipta. Omen'Andriamanitra asa hatao i Mosesy ankehitriny, ary ny hiverina any amin'ny Isiraelita any Egipta hitondra hafatra avy Aminy no ampahany voalohany amin'izany asa izany. Voalaza ao amin'izany hafatra izany fa nandre ny fitarainan'izy ireo Andriamanitra, hitany ny fampahoriana azy - ary tena nihevitra ny momba azy ireo tokoa Izy. Hasehon'Andriamanitra ankehitriny fa tena nihevitra ny momba azy ireo tokoa Izy. Hanao zavatra Izy mba hanovana ny fiainan'izy ireo amin'ny fomba goavana tokoa.

Vakio ny Eks.3:16-17, izay miresaka momba ny drafitr’Andriamanitra ho fanafahana ny olony. Inona no nasain'Andriamanitra nolazain'i Mosesy tamin'ireo Ioholon'ny Isiraely? Araka ny hevitrao, nahoana no zava-dehibe ho an'Andriamanitra ny nampita io hafatra manokana io tamin'ny olony?

Niresaka momba ny Tany Nampanantenaina tamin'ny olony Andriamanitra. Hitarika azy ireo hiala avy ao Egipta ka honina any Izy. Nilaza koa Izy fa tsy hahantra izy ireo raha handao an'i Egipta. Nampanan-karena ny Egiptianina tokoa mantsy ny vahoakan'Andriamanitra nandritra ny taona maro, nefa tsy nanome na inona na inona azy ireo ho tambin'ny asany mafy ny Egiptianina. Nilaza tamin'i Mosesy. Andriamanitra fa honeran'ny Egiptianina ny taom-piasana maro notanterahin'ny Isiraelita rehefa hiala an'i Egipta izy ireo. Hoy Andriamanitra: "Ary hataoko mahita fitia eo imason'ny Egyptiana Ity firenena ity ka raha handeha hianareo, dia tsy mba handeha maina" Eks. 3:21.

Andevo nandritra ny taona maro sady lava ny vahoakan'Andriamanitra. Hanova izany Andriamanitra ankehitriny, ka nambarany tamin'i Mosesy ny drafiny manokana ho an'ny olony. Naniry ny hiainan'ny olony amin'ny fomba hafa noho izay niainany tany Egipta Izy, ka hanampy azy ireo hanomboka io fomba fiainana vaovao io. Ho ohatra halain'ny olona manodidina azy ireo tahaka sy harahiny koa izany. Hitahy ny Isiraely Andriamanitra raha miaina araka io fomba fiainana vaovao io izy ireo. Dia ho fitahiana ho an'izao tontolo izao ny fitahiana azon'izy ireo avy amin'Andriamanitra.

Inona no Ianjan'ity hevitra manaraka ity aminao: ny Andriamanitsika dia Andriamanitra mahita ny fahorian'ny olona eto amin'izao tontolo izao ary mandre ny fitarainany? Inona no ambaran'izany aminao momba an'Andriamanitra? Diniho ny Eks. 4:31.

 Vakio ireo Didy Folo ao amin'ny Eks. 20:1-17.  Vakio indray ankehitriny izay ambaran'i Jesôsy momba ny Didy Folo ao amin'ny Mat. 22:37-40. Ahoana no anampian'ny tenin'i Jesôsy anao hahatakatra tsara kokoa ny tsirairay avy amin'ireo Didy Folo ireo?

Andao hojerentsika ny Eks. 20:1-17. Hitanao ve fa mialoha ny nanomezan'i Mosesy ny lalana tamin'ny vahoakan'Andriamanitra, dia nanao fampitandremana aloha izy? Nampitandrina azy ireo izy mba tsy hanadino ny fanafahan'Andriamanitra azy ireo avy tao Egipta. Rehefa izay dia nomen'i Mosesy ny Isiraelita ireo fitsipika folo hifehezana ilay fomba fiainany vaovao. Asehon'ireo lalana ireo fa tokony hitia an'Andriamanitra sy hifankatia ny olombelona. Tsy mahagaga ary izany raha firenena maro manana lova kristianina no nandrafitra ny lalany manokana avy tamin'ireo Didy Folo ireo.

Marina fa fohy ny ankamaroan'ireo Didy Folo, saingy manana hery hanovana fiainana izy ireo. Io no antony iray anaovana azy ireo hoe lalan'ny fiainana. Mirakitra lalana maro kokoa noho izay hitantsika voasoratra ao ny didy tsirairay. Ohatra: ny didy fahenina, izay manao hoe: "Aza mamono olona" - Eks. 20:13, dia mamintina sy mirakitra izay "mety ho tsy rariny fanafohezana ny fahavelomana; (...) na fitiavan-tena ka nanaovana an-tsirambina ny fikarakarana tokony hatao amin'ny olona fadiranovana sy marary" - PM, t. 308. Tahaka izany koa ny didy mandrara ny fangalarana (vakio ny Eks. 20:15). Melohin'io didy io "ny fivarotana, ny ady famaboana". "Mandidy ny fanefana ny trosa sy ny karama marina" io didy fahavalo io. Rarany koa ny `fanararaotana ny fahabadoana sy ny fahalemena ary ny fahorian'ny hafa" - PM, t. 308.

Mora ny milaza amin'ny tenantsika fa tsy olon-dratsy isika. Tsy namono olona na nangalatra zavatr’olona ianao, sa tsy izany? Koa mety mihevitra ianao fa mety tsara ny ataonao. Nohazavain'i Jesôsy tsara anefa fa midika zavatra mihoatra noho ny tsy fanaovan-dratsy ny fitandremana ny lalàna. Mety mandika ny lalàn'Andriamanitra ny eritreritsika. Mety ho fandikana ny lalàn'Andriamanitra koa ny tsy fahavitana ny zavatra fantatsika fa tokony hataontsika (vakio ny Mat. 5:21-30). Koa alaivo sary an-tsaina ny fiarahamonina iray izay mandray amim-pahamatorana sy miaina amin'ny fahafenoany ny lalàn'Andriamanitra! Hanao ahoana re ny ho endnk’izany e? Ho fiarahamonina feno fitiavana an'Andriamanitra izany, ary hanosika azy ireo hifankatia izany fitiavany an'Andriamanitra izany.

Vakio ny Eks. 23:9. lnona no hafatr'Andriamanitra ho an'ny Isiraely eto?

Nanafaka ny Isiraely tamin'ny fanandevozana Andriamanitra, ka fantatr'izy ireo tsara izany hoe andevo nampahoriana sy nohararaotina ary natao tsinontsinona izany. Koa raha nankalaza ny fahafahany izy ireo, dia tian'Andriamanitra ny hahatsiarovan'izy ireo mandrakariva ny toerana nanafahana azy ireo. Tian'Andriamanitra hotsaroany izany hoe nailikilika izany. Ary tian'Andriamanitra hotsaroany izay nataony mba hanafahana azy ireo. Koa nomen'Andriamanitra azy ireo ny Paska ho fotoam-pahatsiarovana sy fomba hahafahana mamerina indray ny tantaran'izay nataon'Andriamanitra ho azy ireo. "Tanana mahery no nitondran’i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana" - Eks. 13:14.

Vakio ny Eks. 22:21-23. Nahoana no zava-dehibe ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ny hahatsiaro izay nanjo azy ireo tany Egipta? Ahoana no nanampian'ny fahatsiarovany ny fanandevozana azy hahazo tsara ny fomba tokony hitondrany ireo fadiranovana indrindra ao amin'ny taniny vaovao?

Fotoana fohy taorian'ny nanomezan'Andriamanitra an'i Mosesy ny Didy Folo, dia nomeny fitsipika fanampiny indray izy. Namelabelatra ny fomba tokony hiainan'ny Isiraely ny Didy Folo ireo fitsipika ireo. Mbola mialoha ny nanomezana ny toromarika momba ny fanorenana ny tabernakely, dia efa nomen'Andriamanitra toko anankitelo feno lalàna momba ny fitondrana ara-drariny ny andevo i Mosesy. Tsy tian'Andriamanitra hanao tahaka izay nataon'ny Egiptianina tokoa mantsy ny Isiraely, fa halemy fanahy amin'ny andevony. Nomen'Andriamanitra lalàna momba ny famaizana ny heloka bevava, momba ny tany, momba ny fiainana andavanandro, ary fitsipika ho an'ny mpitsara sy ny fitsarana koa izy ireo (vakio ny Eks. 21--23).

Nisy lalàna momba ny tokony ho fitondran-tenan'ny vahoakan'Andriamanitra any amin'ny taniny vaovao koa tao. Nisy lalàna momba ny vahiny sy momba ireo olona mahantra sy marefo koa tao. Tsy tokony hanararaotra na hanambaka ireo olona ireo ny vahoakan'Andriamanitra. Nomen'Andriamanitra zo hanangona ny voly tavela tamin'ny tanin’ny olon-kafa mihitsy aza izy ireo. Nanampy azy ireo hanana fanantenana izany. Tsy fahita tao amin'ny ankamaroan'ny firenena fahiny ireo lalàna momba ny olona marefo sy ny vahiny ireo. Koa tokony hotsaroantsika ankehitriny ireo fitsipika manan-danja momba ny fitondrana ara-drariny sy amim-pahalemem-panahy ny vahiny sy ny mahantra ary ny sahirana ao amin'ny firenentsika.

Inona no fahatsiarovana teo amin'ny fanandramanao izay manampy anao hihevitra kokoa ireo izay mijaly?  

Kristianina maro no manaiky sy manaraka ny toromariky ny Baiboly momba ny fandoavana - na ny famerenana ny ampahafolony. Ny Mal. 3:10 no miresaka momba ny antony tokony handoavantsika ny ampahafolony. Koa omen'ny Kristianina ny fiangonana ny ampahafolon'ny vola rehetra miditra aminy, mba hanohanana ny asan'ny fiangonana eo amin'ny fampielezana ny filazantsara. Amin’ny ankapobeny dia manana fitsipika hentitra momba ny fomba ampiasany ny ampahafolony ny fiangonana, ka ny ho fanohanana ny mpitandrina sy ny fitoriana ny filazantsara no ampiasany izany voalohany indrindra.

Vakio ny Deo. 14:22-29. Inona no tanjona voalohan'ny fandoavantsika ny ampahafolony, araka izay voalaza ao amin'ireo toromarika ireo?

Matetika isika no mieritreritra fa mandoa ny fahafolon-karena isika rehefa manome ny ampahafolon'ny vola rehetra azontsika. Ny Isiraelita velona tamin'ny andron'ny TT anefa dia nanolotra an'Andriamanitra ankevitry ny ampahefatry ny vola rehetra azony mandritra ny taona. Mihoatra lavitra noho ny ampahafolony izany! Nentina nanohanana ny mpisorona sy ny fitoerana masina ny vola fanampiny, ary koa mba hanampiana ny mahantra.

Mpandalina ny Baiboly sasany no mamaritra io fanomezana io ho ampahafolony faharoa - mba hanohanana indrindra indrindra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Koa nandoa ampahafolony roa izany ny Isiraelita: ny voalohany mba hanohanana ny mpisorona sy ny fitoerana masina, ary ny ampahafolony faharoa kosa dia fanampiana ara-tsakafo. Nampiasaina ho amin'ireo andro firavoravoana tao an-tempoly io ampahafolony faharoa io. Nanasa ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena teo amin'ny firenena hanatrika io andro firavoravoana io ny vahoakan'Andriamanitra. Nampanantena Andriamanitra fa hitahy azy ireo, indrindra fa any amin'ny taniny vaovao, saingy tsy tokony horaisin'izy ireo ho toy ny tongatonga ho azy izany fitahiana izany. Tsy tokony hohadinoiny koa ny hitahy ireo olona izay mahantra loatra ka tsy mahavidy sakafo sy fitafiana ary trano hialofana.

Amin'ny taona voalohany sy faharoa, dia nitondra ny ampahafolon'ny vokany tao amin'ny fitoerana masina ny Isiraelita. Nahatsiaro ireo olona teo amin'ny fiarahamoniny tamin'ny fomba manokana kosa izy ireo isaky ny taona fahatelo. Nankalaza ny fijinjana ny vokany izy ireo tamin’izany, ka nifantoka tamin'ny fomba manokana tamin'ny fikarakarana ireo olona mety nohamaivanina na hadino mora foana teo amin'ny tanin'izy ireo. "Omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy" - Deo. 26:12.

Inona no Iazain'i Jehôvah amin`ny olony ao amin'ny Deo. 26:1-11? Ahoana no anampian'izany antsika hanova ny fihetsitsika manoloana ny fanampiana ny olona sahirana? 

Niditra tao amin'ny tany Nampanantenaina ny vahoakan'Andriamanitra nony farany. Niara-niasa tamin'i Josoa mpanompony Andriamanitra mba hanampiana ny olony hizara ny tany amin'ireo foko sy ankohonana samihafa teo amin'ny Isiraely. Fantatr'Andriamanitra ny zavatra hitranga. Rehefa handeha ny fotoana, dia hivarotra ny taniny ny olona mba hahazoana vola misimisy kokoa. Mety harary angamba izy ireo, na hisy olana eo amin'ny fianakaviana izay hanery azy ireo hivarotra ny taniny. Koa tsy an'ilay ankohonana tompony intsony ny taniny. Vokatr'izany dia hivondrona eo an-tanan'olom-bitsy ny tany rehetra.

Noho izany, nanao drafitra feno fahendrena Andriamanitra. Namoaka didy Izy fa tsy azo atao varo-maty ny tany, fa amidy hatramin'ny taon-jobily ihany. Fotoana manokana izay namerenana ny tany tamin'ny tompony voalohany io taona io. Nametraka fitsipika hafa koa Andriamanitra. Milaza izany fitsipika izany fa afaka mividy indray ny taniny amin'ny fotoana rehetra ilay olona nivarotra izany na ny fianakaviany. Nasain'Andriamanitra nahatsiaro indray ny fitiavan'izy ireo Azy ny vahoakany. Tokony hanova ny fifandraisan'izy ireo amin'ny hafa izany fitiavana izany. Hoy Andriamanitra tamin'ny olony: "Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko hianareo" - Lev. 25:23.

Vakio ny Lev. 25:8-23. Mifantoha amin'ny fomba manokana eo amin'ny teny hoe: "aza misy manao sarotra" - Lev. 25:17 ("aza mifanambaka" [DIEM]). Araka ny hevitrao, ho hafa manao ahoana ny fiarahamonina misy antsika raha toa ka mampihatra ny fitsipika ao amin'ireo andininy ireo isika? "

"Nokendreny ho fiarovana ny fitovian-tsaranga anefa ny didy naorin'Andriamanitra teo amin'ny Isiraely. Natao hampiverenana sy handaminana izay rava teo amin'ny harem-bahoaka sy ny fanjakana teo amin'ny firenena ny fitsipika momba ny taona sabata sy ny an'ny jobily, teo am-piandrasana" - PM, t. 564.

Hafiriana no nitandreman'ny vahoakan'Andriamanitra ireo fitsipika ireo? (Vakio ny 2 Tant. 36:21.) Tsy azon'ireo mpandalina ny Baiboly antoka ny amin'izany. Na izany aza, asehon'ireo fitsipika ireo ny mety ho endriky ny fiainana raha toa ka mankato amin'ny fahafenoany ny lalàn'Andriamanitra isika. Ankoatra izay, manasongadina ny fiheveran'Andriamanitra manokana ny mahantra sy ny olona atao tsinontsinona izany. Farany, asehon'izany koa fa irin'Andriamanitra ny hanehoantsika ny rariny amin'ny hafa. 

PM, toko 27 sy 51.

"Raha avahana ny zon'Andriamanitra, ny manaitra indrindra tamin'ny didy nataon'i Mosesy, dia ny fanahim-pahalalahan-tanana sy fangorahana ary fampiantranoan'ny olona izay nampiavaka ny filazalazana mikasika ny malahelo. Na dia nampanantena fitahiana be dia be ny olona aza Andriamanitra, dia tsy nilaza kosa fa tsy hisy olo-mahantra mihitsy eo aminy. Efa nambarany fa hisy tsy tapaka eo amin'ny tany ny malahelo sy ny olona mila ny fangorahana sy ny fiantrana ataon'ny olony. Koa, tahaka ny ankehitriny, dia mety ho tra-pahoriana sy marary ary very fananana ny olona. Fa raha mbola mahatoky tamin'ny didin'Andriamanitra kosa ny Isiraely, dia tsy hisy mangataka na olona maty noana eo aminy " - PM, t. 560. 

"Natao hahasoa ny mpanankarena sy ny mahantra ihany koa ireny fitsipika ireny; nampitsahatra ny fitiavam-bola sy ny avonavon'ireo sasany izy ka namboly toe-tsaina  hanao soa tao anatiny. Azo nanamafisana ny filaminam-bahoaka sy niantoka ny fahatezam-panjakana ny fampaherezana nomeny teo amin'ny fifankatiavana sy ny fifampitokisana eo amin'ny sokajin'olona rehetra. Mifamatotra ny fihavanantsika rehetra satria samy iray fiaviana, tahaka ny masomason'ny harato lehibe iray isika. Mamerina ako eo amin'ny fiainantsika izay rehetra natao ahazoan'ny namantsika fahasambarana sy fanarenana" - PM, t. 564 

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA : 

1. Eritrereto ny drafitra nomen'Andriamanitra an'i Mosesy, drafitra momba ny fomba fiainana vavaon'ny Isiraely. Inona no lalàna nanaitra anao indrindra? Nahoana?

2. Nanome lalàna momba ny kamboty sy ny mpitondratena sy ny vahiny ary ny malahelo Andriamanitra. Araka ny hevitrao, nahoana Izy no tena nihevitra ireo vondron'olona manokana ireo? 

3. Ahoana no tokony ho fandraisantsika ny lalàn'Andriamanitra amin'izao vanim-potoana izao? Ahoana no ahafantarantsika izay lalàna tokony mbola harahintsika ankehitriny? Inona no zavatra manan-danja indrindra azontsika ianarana avy amin'ireo toromarika amin'ny tsipiriany ireo? Ahoana no anampian'izany antsika hanefy ny fiainantsika?