Lesona 1: Andriamanitra namorona

Hodinihina mandritra ny herinandro Gen. 1:26-31; Gen. 2:15; Gen. 3:16-19; Gen. 4:9; Ohab. 22:2.

Tsianjery: "Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy."  Ohab.14:31 

 

Efa nisy fotoana ve niasanao mafy mba hahavitanao zavatra tsara tarehy? Nanao hosodoko angamba ianao, na koa nahandro sakafo manokana, ary natolotrao ho fanomezana ho an'ny olona tianao izany sary na nahandro izany. Inona anefa no nataon'ilay olona? Tiany ve ilay fanomezana? Tsia! Nariany tany amin'ny fitoeram-pako ilay sakafo! Na koa norovitiny ilay sary! Efa nitranga taminao ve ny zavatra tahaka izany? Raha eny, dia ho takatrao izay nitranga tamin'Andriamanitra. Nataon'Andriamanitra tsara tarehy ny tany saingy nanimba ny zava-drehetra nohariany ny fahotana.

Voalazan'ny Baiboly fa namorona ny zava-drehetra Andriamanitra, ary hitany fa "tsara indrindra"izany - Gen. 1:31 . Asehon'ny Baiboly ny fahitan'Andriamanitra ny zava-drehetra nohariany, ary hitantsika ao amin'ny Gen. 1 sy 2 koa ny fihetsehampony teo anatrehan'izany. Amin'izany no hahatakarantsika ny antony nahatonga ny fon'Andriamanitra halahelo raha niresaka tamin'i Adama sy i Eva taorian'ny nanotan'izy ireo.

Mahagaga tokoa ny mbola itiavan'Andriamanitra ity tontolo misy antsika ity, na dia an'arivo taona aza no nisian'ny fahotana, ny herisetra, ny tsy fahamarinana ary ny fikomiana miharihary. Ary vao mainka mahagaga kokoa, rehefa nametraka ny drafitra hoenti-mamonjy sy manavao indray izao tontolo izao Andriamanitra dia nanome antsika mpino ny anjara asantsika amin'ny fanatanterahana ireo drafiny lehibe. Eny tokoa, mpandray ny fahasoavany isika, kanefa noho ny amin'izany fahasoavana noraisintsika izany dia nomena asa amin'ny maha-mpiara-miasa amin'ny Tompontsika isika. Andraikitra lehibe sy masina manao ahoana re izany!

Tao amin'Andriamanitra no niandohan'ny fiainana rehetra, ny fiainanao sy ny an'ny olona rehetra, ary koa ity tany ity sy ny zava-drehetra eo aminy. Izao no ambaran'ny Baiboly: "fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika" - Asa. 17:28a.

Toy izao no fiantombohan'ny tantaran'ny Baiboly: "Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany " - Gen. 1:1. Ahoana no nanaovan'Andriamanitra izany? Tamin'ny alalan'ny teny fotsiny ihany! Tamin'ny teny notononiny no nahariany ny aina rehetra. Eny tokoa, tamin'ny alalan'ny taolan'i Adama no namoronany an'i Eva, kanefa mialoha izany dia tamin'ny fotaka no namoronany an'i Adama. Avy taiza anefa ny fotaka? Nampiasa ny teny Andriamanitra mba hampisy izany, sa tsy izany? Niteny Izy dia nisy avy tamin’ny tsy misy izany! Miezaha maka sary an-tsaina izany raha hainao!

Vakio ny tantara ao amin'ny Gen. 1:26-31 momba ny namoronan'Andriamanitra an'i Adama sy i Eva. Inona no zava-manan-danja ambaran'io tantara io momba an'Andriamanitra? Inona no zava-dehibe ambarany mikasika ny olombelona?

Matetika tokoa no ilazana fa azontsika atao ny mianatra zavatra betsaka momba an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanokanana fotoana andehanana eny anivon'ny natiora, amin'ny fijerena ny zavaboariny, ary ny fahitana eo amin'izy ireny ny ampahany amin'ny toetr'ilay Andriamanitra Mpamorona. Azontsika atao koa ny mahita ampahany amin'ny fomba namoronan'Andriamanitra an'izao tontolo izao amin'ny fandinihana ny fahatakarantsika ny momba Azy. Ohatra amin'izany, Andriamanitra dia Andriamanitry ny filaminana ka tokony hieritreritra ny hahita filaminana eo amin'ny voariny isika. Raha inoantsika fa Andriamanitry ny fahaiza-mamorona Andriamanitra dia tsy tokony ho gaga isika raha mahita ohatra marobe tsy mampino ny amin'ny fahaiza-mamorona eo amin'ny tontolo noforoniny.

Tahaka izany ihany koa, inoantsika fa tia ny olona Andriamanitra. Nohariany mba hifandray izy ireo, ka tokony hahita ohatra maro maneho ny fifandraisana eo amin'ny zavaboary isika. Mifandray avokoa ny zava-drehetra noharian'Andriamanitra teto an-tany. Nataony hifandray ny biby, ary tokony hifandray Aminy sy amin'izy samy izy ary amin'ny zavaboary hafa rehetra ny olombelona.

Tsy takatsika avokoa ny zava-drehetra momba an'Andriamanitra, kanefa izay hitantsika dia tokony hanampy antsika hisaina bebe kokoa ny amin'ny fanirian'Andriarnanitra ho an'ny fiainana.

Samy maneho an'Andriamanitra ny tany sy izay noharian'Andriamanitra rehetra. Miaina eto amin'ny tany nosimbain'ny fahotana tokoa isika, ahoana anefa no hanampian'ny fahalalanao momba an'Andriamanitra hahatakatra bebe kokoa ny fiainana eto an-tany?

Misento ve ianao indraindray ka milaza hoe raha mba niaina tany Edena mantsy aho? Mora ho antsika ny mahatsapa izany. Vakio ny momba ny sahan'i Edena ao amin'ny Baiboly, fohy ihany ny fanontsoritana momba an'i Edena ao saingy ampy hahatonga antsika haniry honina ao amin'izany toerana izany.

Nahafaly an'Andriamanitra ny zava-drehetra nohariany. "Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany" - Gen. 1:31. Sady tsara tarehy no mahasoa ny tany. Feno aina sy loko izany, ary koa feno ny zava-drehetra nilaina mba hivelaran'ny fiainana. Tsy mahagaga raha nitsahatra Andriamanitra tamin'ny fiafaran'ny andro tsirairay avy, rehefa nanao ny tany, mba hisaina ny amin'ny hatsaran'ny zava-drehetra!

Vakio ny Gen. 1. Ambaran'ny Baiboly ao amin'io toko io fa hitan'Andriamanitra fa "tsara" izay nataony rehetra. Hitanao ve hoe impiry ny Baiboly no milaza izany? (vakio ny Gen. 1:4,10,12,18,25 ary ny 31). Araka ny hevitrao, midika Inona izany?

Taorian'ny nanotan'ny olombelona no nanoratana ny Baiboly, kanefa mampiseho ny hatsaran'ny zavaboary izany. Ohatra maneho ny hakanton'ny natiora ny Jôba 38-41 sy ny Sal. 148. Ary tokony hotsarovantsika fa tsy fanehoana an'izao tontolo taminby namoronana azy tany am-piandohana sy nialoha ny fahotana tsy akory izay voasoratra ao amin'ireo toko ireo, fa soratana amin'ny vanim-potoana ankehitriny izany, izay mankalaza ny hatsarana izay mbola hita eo amin'ny tontolo ankehitriny.

Manome ohatra ho antsika eo amin'ny natiora izay maneho ny fitiavan’Andriamanitra i Jesôsy (vakio ny Mat. 6:26, 28-30), ohatra izay mampianatra antsika hiankina amin'Andriamanitra sy hankasitraka ireo fanomezana tsotra izay mameno zava-mahafinaritra ny fiainantsika. Raha manokatra ny masontsika isika ka mijery ny hakanton'ny zavaboary, dia ho hitantsika fa tena nandray fanomezana mahafinaritra avy amin'ilay Mpamorona antsika tokoa isika. Na dia eo anivon'ny fitsapana maro aza dia tokony haneho fankasitrahana sy fisaorana ary fanoloran-tena feno fanetren-tena amin'ilay Mpanolotra izany isika.

Inoantsika amin'ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika fa Andriamanitra no nanao antsika sy mamonjy antsika. Miandry ny fanjakany isika, ary raha eo am-piandrasana dia tokony ho takatsika ny lanjan'ny hatsaran-tarehy, sy ny fifaliana ary ny zavatra tsara rehetra hitantsika. Izany hatsarana rehetra izany dia maneho fa tena nahatalanjona tokoa ity tany misy antsika ity talohan'ny nisian'ny fahotana. Teny fikasana koa izany fa hamerina ny tany ho amin'izany hatsarana izany indray Andriamanitra.

Inona no zavatra tianao indrindra eo amin'ny zavaboary? Inona no ambaran'ny hatsarana eo amin'ny zavaboary mikasika an'Andriamanitra?

Araka ny fitantaran'ny Baiboly, ny sahan'i Edena sy ny tany vao nohariana dia toeran'ny fahavokarana, noforonina mba hivelaran'ny fiainana ary indrindra indrindra natao hifalian'ny taranak'olombelona.

Nomen'Andriamanitra anjara asa hotanana eo anivon'ny zavaboariny koa anefa ny lehilahy sy vehivavy voalohany, ary koa ireo zanany izay ho avy. Napetrak'Andriamanitra ho andraikiny ny zava-drehetra teto ambonin'ny tany.

Voalohany, nomen'Andriamanitra ho asan'i Adama ny fanomezana anarana ny biby sy ny vorona rehetra (vakio ny Gen. 2:19). Rehefa izany dia nomeny anjara asa iray hafa indray izy, natolotr'Andriamanitra ho fitahiana ho azy izany: "Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany." - Gen. 1:28.

Vakio ny Gen. 1:28 sy ny Gen. 2:15. Inona no mampitovy ireo andininy ireo? Inona no asa nomen'Andriamanitra ny olombelona? Lazalazao amin'ny fehezanteny iray na roa ny amin'ny asan'i Adama sy i Eva.

Mampalahelo fa maro ny Kristianina tamin'ny lasa no nampiasa ny Gen. 1:28 tsy araka ny tokony ho izy, ka nanao izany ho fialan-tsiny hoenti-maka izay tiany avy amin'ny tany. Tsy noraharahain'ny sasany tamin'ireny olona ireny akory na dia nanimba ny tany aza izy ireo, ny hanan-karena ihany no nosaininy. Marina tokoa fa namboarin'Andriamanitra ho an'ny zanak'olombelona ny tany, saingy "Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy." - Gen. 2:15.

Nataon'Andriamanitra ho mpitantana ny zavaboariny rehetra isika. Rehefa miresaka fitantanana isika dia matetika vola no mby ao an-tsaintsika voalohany, kanefa ny baiko voalohany ho amin'ny fitantanana ao amin'ny Baiboly dia ny fitandremana ny tany izay noforonin'Andriamanitra sy nankininy tamintsika. Nanambara mialoha ny amin'ny hifampizarany ny tany amin'ireo zanany sy ny taranany ho avy ny baiko nomena an'i Adama sy i Eva. Ny drafitra ho an'izao tontolo izao tany am-piandohana dia ny hahatonga ny tany izay nohariana ho loharanon'ny fiainana sy ny fahatsarana ary ny hatsaran-tarehy hatrany ho an'ny olombelona, ary nanana anjara asa lehibe tokoa i Adama sy i Eva tamin'ny fikarakarana izany.

Mbola an'Andriamanitra hatrany ny tany (jereo ny Sal. 24:1), isika kosa dia nantsoina ho mpitantana izay rehetra nomeny antsika. Miaina eto amin'ny tany simban'ny fahotana anefa isika, koa mainka aza zava-dehibe ho antsika ny ho mpitantana tsara.

Zavatra iray no tsy nomen'Andriamanitra ho an'ny voary hafa teto an-tany afa-tsy i Adama sy i Eva, dia ny fahafaha-misafidy ny tsara sy ny ratsy. Afaka nisafidy ny tsara sy ny ratsy izy ireo, tsy tahaka ny zava-maniry sy ny biby ary ny hazo.Nomen'Andriamanitra tombambidy tokoa ny fahafaha-misafidy ka nomeny fahalalahana hisafidy ny tsy hankato Azy ny olony. Nanao safidy izay misy fiantraikany lehibe tokoa Andriamanitra raha nanome antsika ny safidy malalaka, tiany anefa raha mifidy ny hankato Azy ny olony. Tsy te hanery antsika hanao izany Izy ka hahatonga antsika hanompo Azy amin-tahotra fa tsy amin'ny fitiavana.

Nomen'Andriamanitra fahafaha-misafidy ny tsara sy ny ratsy koa ny anjely. Nisafidy ny hanao ny ratsy ny iray tamin'ireo anjely izay nantsoina hoe Losifera. Novaina ho Satana ny anaran'i Losifera rehefa nanota izy, mampiseho ny maha-fahavalon’Andriamanitra azy izany anarana izany. Naniry ny hanimba ny zavatra tsara rehetra nataon'Andriamanitra teto an-tany i Satana. Araka izany dia nampiasa ny menarana izy hamitahana an'i Eva ka nitarika azy hisalasala ny amin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fanomezana natolony ny olombelona. Nataony izay hahatsapan'i Eva fa tsy ampy hahasambatra ny olombelona izany zavatra rehetra izany (Gen. 3:1-5). Inona no fitaka lehibe indrindra nataon'i Satana? Notarihiny ny olombelona haniry mihoatra noho izay nomen'Andriamanitra azy ireo; nataony koa izay hisalasalan'i Adama sy i Eva ny amin'ny fahatsaran'Andriamanitra. Ny ratsy indrindra dia ny olombelona nanjary niankina tamin'ny tenany fa tsy tamin'Andriamanitra, noho ny amin'izay nataon'i Satana.

Nisafidy ny hanota i Adama sy i Eva, safidy izay nanapaka ny fifandraisany tamin'Andriamanitra (Gen. 3:8-10). Rehefa izany dia hitan'i Adama sy i Eva fa nitanjaka izy ireo ka natahotra sady menatra izy. Toa tsy azo nihodivirana ny fahasimbana teo amin'ny fifandraisan'izy ireo, ary potika sy nihasarotra ihany koa ny fifandraisany tamin'ny zavaboary teto an-tany.

Vakio ny Gen. 3:16-19 valio ny fanontaniana. Nanao ahoana ny niovan'ny fifandraisana teo amin'ny olombelona sy ny zavaboary taoriantny fahotana?

Nanova ny zava-drehetra ny fahotana. Nihasarotra kokoa ny fiainan'i Adama sy i Eva ary ny zava-manana aina rehetra teto an-tany. Hita maso ny vokatry ny fahotana, indrindra teo amin'ny olombelona sy ny fifandraisantsika. Amin'ny lafiny iray dia nanjary lavitra an'Andriamanitra.Ilay Mpamorona antsika, isika. Voakasik’izany amin'ny lafiny maro koa ny fianakaviantsika, ary matetika no lasa zava-tsarotra ny fifandraisantsika amin'ny hafa. Manasarotra ny fiainantsika eto an-tany ny fahotana. Maneho ny faharavana vokatry ny fahotana ny lafim-piainantsika rehetra sy ny tontolo misy antsika.

Tsy tahaka izany anefa no nanaovan'Andriamanitra ny tany. Ao amin'ny Gen. 3 dia manome toky Izy fa hanavao indray ny tany sy ny fiainantsika ary hamitrana ny fifandraisana izay ravan'ny fahotana. Raha eo am-piandrasana izany isika dia misy zavatra asain'Andriamanitra ataontsika, dia ny hanaraka ny drafitra voalohany napetrany ho an'ity tany ity eo amin'ny fiainantsika.

Tsy ela akory, rehefa tonga ny fahotana, dia nihanikoro izao tontolo izao. Nialona fatratra an'i Abela rahalahiny i Kaina; feno fahatezerana sy fankahalana ny rahalahiny ny fony ka nahatonga azy hamono azy. Rehefa nanontany an'i Kaina ny amin'ny fahotana nataony Andriamanitra dia valinteny manebaka sy tsy namaly ny fanontaniana no nasetriny: "Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?" - Gen. 4:9; ny fanontaniana napetrak'Andriamanitra dia maneho ny valinteny eritreretiny hoe: "Eny tokoa, mpitandrina ny rahalahinao ianao."

Vakio ny Ohab. 22:2. Inona ny fahamarinana ampianarin'io andininy tsotra io antsika? Milaza inona koa izany mikasika ny fifandraisantsika amin'ny hafa?

Ny olon-drehetra hitantsika dia zavaboarin'Andriamanitra, nohariany araka ny endriny, ary tafiditra ao anatin'ny rojom-pifandraisana izay mampifandray antsika rehetra ao amin'ny zavaboary, na dia rava sy tapaka aza izany. "Mifamatotra avokoa isika rehetra, iray fonosana eo amin'ny maha-olombelona. Ny ratsy izay miantonta amin'ny mpirahalahy eo amin'ny firaisan-dehiben'ny maha-olombelona dia mampidi-doza azy rehetra." - TMF, tt. 222, 223. Na tiantsika na tsy tiantsika, noho ny aminizany firaisana izany, dia nomen'Andriamanitra andraikitra eo anatrehany sy eo anatrehan'ny hafa isika (jereo ny Mat. 22:37-39).

Mampianatra antsika hatrany ny Baiboly fa Andriamanitra no nahary antsika. Iray amin'ireo antony omena antsika amin'ny hitandremana ny Sabata ho masina (vakio ny Eks. 20:11) ary koa hiankohofana amin'Andriarnanitra amin'ny andro farany (vakio ny Apôk. 14:7) izany; ary koa antony voalohany manosika antsika hihevitra ny hafa sy hijery manokana ireo mahantra.

Fahamarinana mampifandray ny olon-drehetra ny namoronan'Andriamanitra antsika. "Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy." - Ohab. 14:31. Mazava ny ambaran'io andininy io ny amin'ny fifandraisana ety misy eo amin'ny olombelona rehetra.

Amin'ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra dia manana zavatra andrasana amintsika Izy, mitaky ny fiainantsika iray manontolo izay mahafaoka ny fiankohofantsika sy ny asa fanompoana ataontsika ary ny fikarakarantsika ny hafa izany. Na dia mety ho sarotra sy tsy mahafaly ary tsy mampahazo aina antsika aza dia tena "mpitandrina" ny rahalahintsika tokoa isika.

Araka ny hevitrao, nahoana no miverimberina ao amin'ny Baiboly ny lohahevitra mikasika ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra? Nahoana no zava-dehibe tokoa izany, ary ahoana no tokony ho fiantraikanizany zava-misy izany eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny hafa?

Vakio "Ny Famoronana", tt. 18-27 ao amin'ny PM, nosoratan'i Ellen G. White .

"Andriamanitra dia fitiavana". Na ny toetrany, na ny lalany, na ny fomba itondrany izao tontolo izao, eny, na inona na inona momba Azy dia fitiavana avokoa. Izany no toetrany hatramin'ny taloha, mbola toetrany mandraka ankehitriny ary ho toetrany mandrakizay. Fa "tsy misy fiovaovana na aloka avy amin'ny fihodinana" eo amin'llay "iray avo sy manerinerina", "Izay monina (...) ao amin'ny toerana avo sy masina".

Fanehoam-pitiavana tsy hita fetra ny hery tsirairay avy nentin'Andriamanitra nanao izao rehetra izao. Soa maro tsy tambo isaina no zarainy amin'ny zavaboariny rehetra" - PM, t. 6.

"Raha manatanteraka ny adidiny tahaka ny mpitantana mahatoky ny fananana nomen'rry Tompony ny olona, dia tsy hisy ny fitolokoana amin'ny fangatahana mofo, tsy misy ny fahoriana amin'ny fahantrana lalina, tsy misy ny tsy manan-kotafiana sy tsy manana. Ny tsy fahatokian'ny olona no mahatonga ny fahoriana izay iainan'ny taranak'olombelona (...) nomen'Andriamanitra hotantanan'ny olombelona ny fananany, ka tsy Izy no tokony hotsiniana amin'ny fahoriana sy ny mosary ary ny fitanjahana sy ny tsy fahampiana eo amin'ny fiainan'ny olombelona. Zava-tsoa marobe no efa nataony ho an'ny rehetra."- WM, t. 16.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN•KEVITRA :

1. Jereo ny sombin-dahatsoratra faharoa an'i Ellen G. White eo ambony. Inona no ambarany? Iza no lazainy ho tompon'andraikitra amin'ny fahantran'ny olona? Milaza inona izany momba ny maha-zava-dehibe ny fitantanana tsara ny fananan'Andriamanitra?

2. Taonjafo maro tany aloha tany no nanotan'i Adama sy i Eva voalohany. Mbola hitantsika eo amin'ny zavaboary ve ny fitiavan'Andriamanitra antsika taorian'izany fotoana izany? Raha eny, amin'ny fomba ahoana no ahitanao izany? Amin'ny maha-Advantista antsika dia inoantsika fa Andriamanitra no nahary ny tany sy ny zavaboary rehetra. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hahita koa ny fitiavan'Andriamanitra eo amin'ny natiora?

3. Midika inona aminao ny hoe mpitantana tsara ny fananana nomen'Andriamanitra? Nanao ahoana ny nanomezan'ny lesona tamin'ity herinandro ity anao hevitra vaovao mikasika ny mpitantana tsara?

4. Ahoana moa raha toa ka misy marika toy izao avokoa ny olon-drehetra: "Namorona ahy Andriamanitra ary tia ahy"? Ahoana no hanovan'izany marika izany ny fomba fitondrantsika ny hafa? Amin'ny fomba ahoana no hanampian'izany antsika haneho fitiavana bebe kokoa amin'ny hafa?