Lesona 3 :I Kristy sy ny fampianarana ara-pivavahana natolotry ny razana / 2014-04-12 - 2014-04-18

Hodinihana mandritry ny herinandro : Mat. 23:1-7; Mat.15: 1-6; Isa. 29:13; Mat.5:17-20; Rom. 10:3.

Tsianjery:  Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.

 

Fampidirana

Araka ny hevitra nosoratan'i John Wisley, ilay mpanorina ny fiangonana Metôdista, dia lafin-javatravefatra no manan-kery miasa amin'ny teolojian'ny olona iray : ny finoana, ny saina mandanjalanja, ny Soratra Masina, ary ny fampianarana natolotra azy.Ny tiany hambara tamin'izany anefa dia tsy hoe manana fahefana mitovy ireo lafin-javatra rehetra ireo. Niaiky izy fa ny Baiboly no fototra , kanefa nahatsapa ihany koa izy fa misy akony amin'ny fifandraisan'ny olona iray ny hevitry ny Baiboly, ny finoany sy ny fahafahany misaina ary ny fampianarana ara-pivavahana natolotra azy. Raha toa ka atsangana ho velona indray i Wesley ankehitriny , dia ho tafintohina izy hahita fa teôlôjiana maro amin'izao vanim-potoana moderina izao , izay mandala ny fampianaran'i Wesley (sy ny fampianarana voatolotra hafa ihany koa) no mametraka ny saina mandanjalanja , ny fampianarana natolotra azy, na ny heviny manokana , ho ambonin'ny fampianarana mazava ao amin'ny Soratra Masina.

Ny lesona amin'ity herinandro ity dia hanadihady ireo fampianarana ara-pivavahana voatolotra izay nifotoran'iny ankamaroan'ireo fampianaran'ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Ireo raby izay nanoratra ireo fampianarana voatolotra ireo tamin'ny voalohany dia nanaja fatratra ny Soratra Masina ary tsy nanana eritreritra ny hanandratra ireo fampianarana voatolotra ireo ho tahaka ny Tenin'Andriamanitra . Nafangaron'ny sasantsasany tamin'ny mpianatr'izy ireo, izay nafana fo, anefa ny fomba sy ny hafatra , ka ny fanaovan'izy ireo izany dia nahatonga azy ireo hiala tamin'ny fifantohanatamin'ny fanambaràna nosoratan'Andriamanitra ka namindra izany fifantohany izany ho amin'ny fampianarana voatolotry ny olombelona.

Ny fipetrahan'i Mosesy

Raha toa antokon'olona roa misaraka tsara, izay tafaray ho azy fotsiny, no fahitana ny "mpanora-dalàna sy ny Fariseo", ireo mpanora-dalàna angamba dia antokon'olona ao anatin'ny antokon'ny Fariseo ihany (jereo ny Asa. 23:9). Lasa antoko hita maso ny Fariseo nandritra ny fotoan'ny fanjakany grika. Noheverina fa izy ireo no sisa tamin'ny antokon'ny pino jiosy (secte) tia vavaka, fantatry amin'ny anarana hoe Hasidima, izay nanampy tamin'ny adin'ireo Makabeanina izay nikomy tamin'i Grisia.

Ny anarana hoe Fariseo dia .avy amin'ny teny hebreo hoe ''paras'', izay midika hoe "misaraka." Tamin'ny vanim-potoana izay nisian'ny Jiosy maro voasarika mafy hanaraka ireo kolon-tsainan'ny mpanompo sampy, no nahitan'ireo, Fariseo fa adidin'izy ireo ny miantoka mba hampianarina ny lalàna ny Jiosy lahy rehetra. Mba hanatanterahana io asa io, dia napetraka ny andraikitra hoe raby, izay midika ara-bakiteny hôe "ny iray lehibeko" na "ny mpampianatra ahy" izy ireo.

Raha niteny i Jesôsy hoe: «Eo amin'ny fipetrahan'i Mosesy no ipetrahan'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo" dia nanaiky ny andraikitr'izy ireo amin'ny maha-mpampianatra ny vahoaka azy Izy (Mat. 23:2,3). Rehefa dinihina tokoa mantsy, dia noraisin'izy ireo ho andraikitra, fara faharatsiny, ny niantoka mba hampianarina araka ny lalàna ny olona.

Vakio ny Matio 23:1-7. Araka ny voalaza ao amin'ireo andininy ireo, inona no iray amin'ireo olana lehibe indrindra nananan'i Jesôsy tamin'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo? .

Saika ratsy avokoa ny filazana momba ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ao amin'ireo Filazantsara, ary raha jerena ny firaisan'ny maro tamin'izy ireo (fa tsy ny rehetra) tsikombakomba tamin'ny fahafatesan'i Jesôsy sy ny fanenjehany ireo mpanara-dia Azy, dia mendrika azy ireo tokoa izany fomba fjery ratsy izany. Ireo mambran'ireo antoko ireo dia toa mamitsaka eny anjoron-trano rehetra eny sy miafina ao ambadiky ny hazo miandry fotsiny ny olona hanao fahadisoana mba hahafahan'izy ireo mampihatra ny lalàna amin'ireo olona ireo. Tena mateti-pitranga tokoa io sary maneho ny Fariseo -ho toy izany io ao amin'ny Soratra Masina hany ka nampiasainy matetika izany teny izany ho teny mitovy hevitra amin'ny hoe fatra-mpanara-ara-dalàna (légalité).Rehefa jerentsika akaiky ny voalaza ao amin'io andininy io, dia hitantsika fa ny olana lehibe nananan'i Jesôsy tamin'ny Fariseo dia tsy ny fanirian'izy ireo ny hitandreman'ny hafa ny lalàn'i Mosesy fa ny tsy fitandreman'izy ireo izany akory. Mpihatsaravelatsihy izy ireo - tsy arakaraka izay lazainy no ataon'izy-ireo ary na dia-nanao zavatra marina aza izy ireo, dia nanao izany noho ny antony diso.

Vakio indray izay nolazain'i Jesôsy momba ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. Ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy ho lasa meloka noho ny fihetsika mitovy amin'izany isika?

Didin'olombelona

Na dia nipetraka "teo amin'ny fipetrahan'i Mosesy aza ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, ny fototry ny fahefany hampianatra momba ny fivavahana dia niitatra nihoatra ny Testamenta Taloha. Ny lalàna izay ampiasain'ireo Fariseo dia nifototra tamin'ireo - fanazavana ny Baiboly nataon'ireo raby mpitarika. Tsy nokendrena hisolo toerana ny Soratra Masina ireo fanazavana ireo, fa hanampy ny Soratra Masina. Tamin'ny voalohany dia nampitaina am-bava izy ireo; taty aoriana dia nanomboka nanambatra azy ireny ho boky ireo mpanora-dalàna.

Ny fanontana ny lalàn'ny raby voalohany tamin'ny fomba ôfisialy dia tsy niseho raha tsy tamin'ny fiafaran'ny taonjato faharoa taorian'i Kristy, rehefa nanonta ny Mishnah ny Raby Yehuda Ha-Nasi (Joda ilay Andriana). Ireo lalàna voarakitra ao amin'ny Misnah dia mitaratra ny fanazavana nataon'ny raby tao anatin'ny taonjato efatra teo ho eo. Ny ankamaroan'ireo raby nandray anjara tamin'izany dia velona tamin'ny andron'i Jesôsy, ary i Hillel sy i Shammai no tena sangany indrindra tamin'ireo. Tao koa i Gamaliela, izay zafikelin'i Hillel sady mpampianatra an'i Paoly ihany koa.

Vakio ny Mat. 15:1-6. Inona no resaka mampifanandrina eto? Inona no fahadisoana ezahin'i Jesôsy hahitsy?

Nianarantsika tao amin'ny lesona voalohany fa nantsoina hoe halakah, izay midika hoe "mandeha", ireo lalàn'ny raby. Nahatsapa ireo raby fa raha mandeha araka ireo lalàna madinika ny olona iray, dia mazava ho azy fa hitandrina ireo lalàna lehibe izy. Teny an-dalana teny anefa dia nanomboka nihahazo laka ireo lalàna madinika, ary rehefa afaka kelikely dia lasa sarotra ny nanavaka ny fampianarana voatolotra sy ny fampianaran'ny Baiboly.

Ohatra ny tsy hita soritra eto hoe nanana olana tamin'ny Fariseo i Jesôsy noho ny fananan'izy ireo fitsipika azy manokana. Saingy olana taminy mihitsy kosa ny fanandratana ireo fitsipika ireo ho "fampianarana." Tsy misy olona manana fahefana hamorona fameperana eo amin'ny resaka fivavahana ka hanandratra ireny eo amin'ny laharan'ny baiko avy amin'Andriamanitra. Izany anefa akory tsy milaza fa voarara tsy afaka manangana fitsipika ny vondron'ny mpino mba hanampy eo amin'ny fitantanana ny fitondrantenan'ny mpino ao aminy. Afaka manampy betsaka ny olona hitandrina ny lalàna ny torolalana eo amin'ny lafiny fampiharana. Kanefa, tsy tokony havela haka ny toeran'ny lalàna mihitsy ireo torolalana ireo.

Amin'ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika, inona ireo fitsipika, fampianarana voatolotra, ary fahazarana izay inoantsika hanampy antsika hiaina amim-pahatokiana sy amim-pankatoavana 'kokoa ny lalàna? Raketo an-tsoratra izany dia ento eo amin'ny kilasy amin'ny Sabata, amin'ny fametrahana fanontaniana mikasika ny anjara asany eo amin'ny fiainan'ny vondron'ny mpino misy anareo.

Fampianarana voatolotry ny razana

Araka ny efa hitantsika, ny sasany amin'ireo raby dianifantoka be loatra tamin'ireo fitsipika sy fampianarana voatolotry noforonina mba hanampy amin'nyfitandremana ny lalàn'i Mosesy, ka tsy hain'izy ireo intsony ny nanavaka azy roa. Afaka fotoana fohy dia nampidirina ho isan'ireo teny ekena ho tenin'ny Soratra Masina ireo tenin'ny raby; nihevitra ny vahoaka fa tsy maintsy ankatoavina tahaka ny Soratra Masina ireo teny ireo. Azo antoka anefa fa tsy nanana eritreritra ny hanampy ireo takila ao amin'ny Soratra Masina ireo raby fony izy ireo nanoratra ny fanazavany tany ampiandohana. Fa ireo mpianany naneho fahafoizan-tena taminy kosa angamba Hahita fa andraikiny ny mizara ireo fanazavana tsy manam-paharoa ireo amin'ny vahoaka amin'ny kapobeny.

Vakio indray ny Matio 15:1,2. Mifototra amin'ny andalan-teny inona ao amin'ireo boky dimy voalohany nosoratan'i Mosesy ny fampianarana voatolotry ny razana? Inona no hevitry ny valin-teninao? Jereo koa ny Mar. 7:3,4 sy ny Mat. 15:11.

Ho sahirana ny olona iray hitady andalan-teny ao amin'ny Baiboly izay mibaiko hoe: "Manasà ny tananao alohan'ny hihinananao." Tsy hahagaga ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo anefa io baiko io raha Hiatrika an'i Jesôsy izy ireo, satria napetrany mazava tsara fa tsy hoe nandika ny lalàn'i Mosesy ny mpianatra, fa ny "fampianarana voatolotry ny razana". Ny hamafin'ny fametrahan'ireo Fariseo an'ilay fanontaniana dia toa mampiseho fa, ho azy ireo, dia tena fandikan-dalàna ara-pivavahana an-kitsirano izao izany.

Ireo mpiasan'ny fahasalamana sy ireo ray aman-dreny dia mety hanome fahamarinana ara-pahasalamana na ara-psikôlôjia ny faneren'ny Fariseo miharihary sy amim-pikirizana ny fanasan-tanana. Ireo mpandalina anefa dia mino fa ny tena marina dia resaka momba ny fahalotoana ara-pombampivavahana izy io. Araka ny fahitana azy, ny zavatra nanahirana ny sain'ireo Fariseo dia izao: rehefa mandeha manao ny asa aman-draharahany isan'andro ny vahoaka, dia mety hikasika zavatra izay voaloto. Noho izany, raha mihinan-kanina tsy mana$a tanana izy ireo, dia hifindran'ilay loto araka ny fombafombam-pivavahana noho ny fikasihany ilay sakafo.

Koa satria ireo mpianatr'i Jesôsy no nampangain'ireo Fariseo ireo, dia azontsika lazaina fa tsy i Jesôsy no nandika ilay fampianarana voatolotry ny razana izay diso fantatra loatra (Mar. 7:3). Na izany na tsy izany, dia tsapan'i Jesôsy tsara fa ny zavatra bitika tsy dia misy dikany no nornen'ireo Fariseo ireo lanja.

Vakio ny Isa. 29:13. Inona ireo foto-kevitra ara-Baiboly manan-danja aseho eto? Nahoana no tena zava-dehibe tokoa ho antsika ny mahatsiaro azy ireo?

Ireo fitsipik'olombelona

"Tsy nitsahatra ny fanoloana ny didin'Andriamanitra amin'ny fitsipika nataon'ny olombelona. Na dia eo anivon'ny kristiana aza, dia ahitana zava-miorina sy fomba izay tsy manana fototra tsara kokoa afa-tsy ny lovan-tsofina izay napetrak'ireo Rain'ny Eglizy. Ny zavatra naorina toy izay izay miankina amin'ny fahefan'olombelona, dia naka ny toeran'iz notendren "Andriamanitra. Nifikitra tamin'ny lovan-tsoiny ny olombelona, nanaja ny fomba amam-panaony, sady nankamamy ny fankahalany ireo iz mitady hanoro azy ny fahadisoany.... Ho solonny fahefan'ireo izay lazaina Rain-'ny Eglizy, dia mibaiko antsika Andriamanitra hanaiky ny tenin'ny  mandrakizay, ny Tompon'ny lanitra sy ny tany."— IFM, t. 423.

Vakio ny Matio 15:3-6, saingy ao anatin'ny tontolon-kevitry ny Eks.20:12, ny Deo. 5:16, ny Mat. 19:19, ary ny Efes. 6:2. Inona ireo fiampangana roa lehibe nataon'i Jesôsy tamin'ny Fariseo?

Rehefa niady hevitra tamin'i Jesôsy momba ny resaka fanasan-tanana ireo Fariseo, dia niandry Azy hamaly avy hatrany ny fanomezan-tsininy izy ireo. Araka ny fomba fiasany izay Azy manokana anefa, dia fanontaniana niattehan'i -Jesôsy azy ireo, fanontaniana izay nahakasika ny tena votoatindresaka. Tian'i Jesôsy ho fantatr'izy ireo fa ny olana dia tsy ny fanasa tanana na ny fandoavana ny ampahafolony, fa ny fanandratana fenitr'olombelona ho ambonin'ny fenitr'Andriamanitra. Afaka hanao fanazavana araka nÿ lôjika ny hevitr'izy ireo momba ny fanasana tanana ireo Fariseo. Tsy isalasalana fa angamba koa nisaina izy ireo fa ny fandefasan'ireo ' ny volany' hanohanana ny asan'Andriamanitra fa tsy hanampiana ny  ray aman-dreniny dia fanehoana ny fitiavany an'Andriamanitra izay tsy misy azy.

Marina fa mety nanana antony lôjika nanosika azy haneho ireo fihetsika nasehony ireo Fariseo, Andriamanitra anefa tsy mangataka ny olombelona ho tia Azy araka izay fomba heverin'izy ireo fa tokony hitiavana Azy. Tsara maha-seriny azy ireo momba ny fitsipika sy ny fomba fiaina masina, saingy tsy tokony hihoatrà ny sitrapon'Andriamanitra na oviana na oviana izany fahasahiranan-tsaina izany. Tokony hotsaroan'ireo Fariseo fa ireo lalàna voarakitra ao amin'ny lalàn'i Mosesy dia mifandrindra tsara fa tsy mifanohitra. Tsy misy na dia iray amin'ireo lalàna ireo nitady haka toeràn'ny anankiray hafa. Ny fanizingizinan'izy ireo ny tokony hanarahana `fampianarana voatolotry ny razana" anefa dia nanafoana ny Tenin'Andriamanitra (Mat. 15:6), fara-faharatsiny raha ny mikasika azy ireo.Tsy isalasalana fa noho ny fiheverany ny tenany ho mpiaro ny lalàna, ampoizinJ ih--fa tàit,ra" izy ireo, eny, tafintohina mihitsy aza, noho fanambarana fa nandika izany lalàna izany izy ireo, raha ny tena marina, ~ narîà'fÔanq~tîzaxiy mihitsy aza amin'ny alalan'ireo fampianarana voatolotry razana indrindra izay noheveriny fa nanampy ny olona hitandrina tsaratsara kokoa ny lalàna.

 

Fahamarinana mihoapampana: Mat.5:20

Vakio ny Mat. 5:17-20. Ao amin'ny tonotolon-kevitry ny lesona amin'ity herinandro ity , inona  ireo lafiny santsasany tokony ahatakarana ny fampitandreman'i Jesôsy ao amin'ny Matio 5:20? Jereo koa ny Rôm.10: 3.

Raha vakiana mitohy ny Matio 5:20 dia azo jerena tahaka ny fanasana hihoatra ny Fariseo; izany hoie ataovy izay ataon'izy ireo, fa manaova mihoatra fotsiny.

Kanefa izany ve no tian'i Jesôsy hambara eto? Soa ihany fa azontsika takarina tsara ny valin'izany fanontaniana izany. Ny lesontsika omaly dia manoritra tsara ny zavatra nahazatra ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny nanandratra  ireo lalàna natolotry ny razana ho ambonin'ny lalàn'Andriamanitra . Tsy maintsy nolazain'i Jesôsy taminy fa tena nanafoana ny Tenin'Andriamanitra mihintsy izy ireo tamin'ny fihetsiny . Ny lesona tamin'ny Alatsinainy  koa dia nanambara fa , na dia nisy ventiny tsara aza ny fampianaran'ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, ny ankamaroan'izy ireo dia niaina fiainana feno fiahatsaram-belatsihy.

Raha jerena izay lafin-javatra izay dia tsy sarotra ny mahatsapa ny tena fihetseham-po ao ambadiky ny fanambaran'i Jesôsy. Azony natao tsara ny nilazaindray ny fampitandremana efa nataony tany amin'ny andininy hafa manao hoe: «Ary amin'izany na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany, dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy" - Mat. 5:19. Nifantoka loatra tamin'ireo lalàna avy amin'olombelona ny Fariseo hany ka nandika an-kitsirano ny lalàn'Andriamanitra izy ireo. Niorina tamin'ny ezaka ataon'ny tenany ny fahamarinany, ka noho izany dia tsy ampy. Efa nambaran'i Isaià hatry ny ela fa tahaka ny lamba mihosin-dra ny fahamarinan'ny olombelona (Isa. 64:6).

Ny karazam-pahamarinana izay voizin'i Jesôsy dia izay miantomboka ao am-po. Teo amin'ilay resaka momba ny fanasan-tànana, dia nasehon'i Jesôsy ny fahadisoan'ny Fariseo tamin'ny alalan'ny teny nalainy avy tao amin'ny Isa. 29:13: "Ity firenena ity... mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony'». Ny fahamarinana izay tadiavin'Andriamanitra dia miditra lalina noho ny asa hitan'ny maso.

Mitady fahamarinana izay mihoatra noho izay heverin'ny Fariseo fa anarany i Jesôsy. Ny fahamarinana ekena dia tsy azo amin'ny fanipihana ny zava-bita tsirairay ao anaty lisitry ny asa atao; amin'ny finoana an'i Jesôsy Kristy irery ihany sy amin'ny fitakiana ny fahamarinany ho an'ny tenantsika manokana. Izany dia fahamarinana avy amin'ny fampileferana tanteraka ny izaho sy avy amin'ny fahatsapana miredareda fa mila an'i Jesôsy ho Mpisolo antsika sy Ohatra ho antsika isika.

Vakio ny Rôm.10.3. Ahoana no anampian'io andininy io antsika hahatakatra ny tena votoatin'ny fahamarinana marina?

Fianarana fanampiny

Ho fanampim-panazavana mikasika ny lohahevitra tamin'ity herinandro ity, vakio ny boky IFM ao amin'ny toko :

  • "Lovan-tsofina," tt. 419-423,
  • "Lozanareo Fariseo!" tt. 651-663.

Vakio koa ny Mat. 23.

"Aoka izay rehetra manaiky ny fahefan’olombelona, ny fomba amam­-panaon'ny Eglizy, na ny lovan-tsofina napetrak'ireo Rain'ny Eglizy, hitandrina ny teny fananarana voarakitra ao amin'ny tenin'i Kristy hoe: 'Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. "'-- IFM, t. 423.

Fanontaniana ifanakalozan-kevitra :

  1. Inona ny sasantsasany amin'ireo fampianarana voatolotra izay arahintsika amin'ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika? Nahoana no zava-dehibe ny manaiky fa izany tokoa izy ireny? Nahoana no zava-dehibe ny fampianarana voatolotra ary inona no anjara asa tanan'izy ireo eo amin'ny fiainan'ny fiangonantsika? Iza amin'ireo fampianarana voatolotra ireo no manana lanja manerana izao tontolo izao ary iza amin'ireo no mifototra amin'ny lafin-javatra eo an-toerana sy amin'ny kolontsaina?
  2. "Mazàna ireo mpino no namela ny fahavalo hiasa amin'ny alalan'izy ireo amin'ny fotoana indrindra tokony hanolorany tena tanteraka ho an'Andriamanitra sy ho amin'ny fampandrosoana ny asany. Tsy tsapan'izy ireo akory fa naniasia lavitra niala ny lalan'ny fahamarinana izy ireo. Nikolokolo toe-tsaina mitsikera sy mitily ny hadisoan'ny hafa izy ireo, nikolokolo ny toe-panahin'ny Fariseo sy ny avonavony, hany ka nampahaleho ny Fanahin'Andriamanitra sy nanatara be ny asan'ireo irak'Andriamanitra." — TFC, b. 9, t. 125. Ahoana no mety aniasiavan'ny olona iray hiala lavitra ny lalan'ny fahamarinana nefa "tsy tsapany" akory izany? Inona ireo dingana azon'ny olona iray atao mba tsy hahatonga azy ho tafalatsaka ao amin'ny fandriky ny lavaky ny fanamarinan-tena?
  3. Eritrereto ny fizotry ny fanompoam-pivavahana ao am­piangonanareo? Nahoana no manana izany lamina manokana izany ny fiangonanareo? Inona no dikan'ny zavatra tsirairay atao ao anatin'ny fandaharam-potoana (ohatra hoe, fangatahana ny fanatrehan'Andriamanitra, hira fiderana, vavaka pastôraly, sns...) ? Inona ireo lesona azonao ianarana avy amin'ny fanompoam-­pivavahana ao am-piangonana izay haneho amintsika fa betsaka ny fombafomba nolovàna izay mifamatotra akaiky amin'ny finoantsika? Etsy an-kilan'izay, dia ilaintsika ny manontany hoe: satria ve fampianarana voatolotra sy fombafomba nolovàna ireo, ary tsy inona fa dia izay ihany, noho izany dia ratsy?