"Indro, avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako; mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany." Apôk. 22:12.
Ao anatin'ny fandaharany mahaagaga, amin'ny alalan'ny fahatsarany tsy mendrika antsika no efa nanambararan'ny Tornpo fa hovaliana ny asa soa ataontsika. Amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy irery ihany no hanekena antsika ka ny asam- pamindram-po sy ny asa fiantrana ataontsika dia vokatry ny finoana ihany ary tonga fitahiana ho antsika satria hovaliana araka ny asany ny olona. Ny hanitry ny fahamendrehan'i Krsity no hahatonga ny asa soa ataontsika ho azon'Andriamanitra ekena, ka ny fahasoavana no hahavitantsika ny asa izay hanomezana valisoa antsika. Raha ny asantsika amin' ny maha-asantsika azy, dia tsy misy fahamendrehana (...) Tsy mendrika ny saotra avy amin' Andriamanitra akory isika. Izay tokony ho nataontsika ihany no nataontsika ary izany dia tsy avy tamin'ny herin”ny toetra maha mpanota antsika no nahatontosantsika azy.
Ilaintsika hoentina eo amin'ny asa ataontsika rehetra ny fahazavana sy ny fahasoavan'i Kristy. Mila mifikitra amin'i Kristy isika ka tsy hamotsotra Azy raha tsy efa fantatsika fa miasa ao anatintsika ny herin'ny fahasoavany manova. Mila mino anii Kristy isika raha te haneho ny toetran'Andriamanitra (...) Ny finoana ny Tenin'Andriamanitra sy ny herin'i Kristy manova ny fiainana no hahatonga ny mpino hiasa ny asan'Andriamanitra.
Amin'ny mpanompony no anankinan'i Kristy ny “fananany”, dia izay tokony hampiasaina ho Azy. Omeny ho an' "ny olona tsirairay avy ny asany" (...) Tsy ho azo antoka ny toerana omanina ho antsika any amin'ny fonenan'ny lanitra raha tsy voaomana toy izany koa ny toerana manokana natao hiasantsika ho an'Andriamanitra etỳ (...)
Ny ran'i Kristy sy ny fahoriany mihitsy no efa nandoavany ny karamantsika mba hahazoana ny fanompoantsika an-tsitrapo. Tonga teto amin'ny tontolontsika Izy mba hanome ohatra ny amin'ny tokony ho fiasantsika sy ny toe-tsaina hanatanterahana izany. Iriny ny handinihantsika ny fomba hampandrosoantsika amin'ny fomba tsara indrindra ny asany sy hanomezana voninahítra ny anarany eto amin' izao tontolo izao.
Ny fanamasinana ny fanahy amin'ny alalan'ny fiasan'ny Fanahy Masina dia ny fametrahana ny toetran'i Kristy eo amin'ny maha olombelona. Kristy eo amin'ny fiainana no fivavahan'ny filazantsara - ftsipika velona sy miasa izany. Izany dia fahasoavan'i Kristy voaseho eo amin'ny toetra sy hita taratra eo amin'ny asa tsara izay atao.