"Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany." — Sal. 32:1. 

Mofon'aina:

[…] Ankehitriny Andriamanitra dia mitaky anao izay nanao fahadisoana tamin'ny hafa, na dia kely aza, mba  hiaiky ny fahadisoanao, tsy amin'ilay naratra ihany, fa amin'ireo izay voasarika hijery ny rahalahiny amin'ny fomba diso noho ny hery miasa mangina avy aminao, sy mba tsy hampisy voka-dratsy izany eo amin'ny asan'Andriamanitra nomena hataony (...) Amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny fiaiken-keloka no hahazoana famelan-keloka manoloana ny anaranao; na mety hotoherinao ny fitaoman'ny Fanahin'Andriamanitra, ka ny fiainanao sisa rehetra dia haneho izany fa ny toe-ponao diso sy ny fehin-kevitrao tsy marina dia tsy hay resena. Eo no hiseho izay natao sy ny ratsy vita, ary ny fahasimban'ny fon'ireo izay nambolenao ny fakan'ny faharatsiana (...) 

Na manao ahoana na manao ahoana fahotanao, ekeo izany. Raha tamin'Andriamanitra irery izany, dia ifony Aminy. Raha nanao ratsy na nanao tsinontsinona olona ianao dia miaike aminy, fa hitoetra eo aminao ny fitahian'Andriamanitra. Amin'izany fomba izany no hahafaty anao amin'ny «izaho», ary i Kristy dia manomboka mitoetra ao anaty (...) Ny fanolorantsika tena amin'Andriamanitra dia tsy maintsy amin'ny fahafenoany, tsy maintsy miredareda ny fitiavantsika, ary tsy maintsy mafy orina ny finoantsika. Ka ny teny aloaky ny molotra dia haneho ny saina kinga sy ny Fanahin'Andriamanitra miasa lalina eo amin'ny fanahy. — RH, 16 Desambra 1890.