"Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan 'ny lanitra." — Mat. 5:10. 

Mofon'aina:

,..., Niezaka nanohitra ilay Andrianan'ny Fiadanana tamin'ny fiombonana tsy misy indrafo ny olona ratsy fanahy sy ny anjely ratsy. Na dia naneho ny rivotry ny hatsaram-panahin'Andriamanitra aza ny Teniny sy ny fihetsiny tsirairay, ny tsy fitoviany tamin'izao tontolo izao dia niteraka fandraisana azy tamin'ny fomba tsy mendrika indrindra. Satria tsy mankasitraka ny hanomezana vahana ny fironana ratsy maha-olombelona Izy, dia nofohaziny ny fanoherana sy fankahalana mafy indrindra. Toy izany koa eo amin'ireo rehetra miaina amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy. Misy fifanoherana mafy eo amin'ny fahamarinana sy ny fahotana, fitiavana sy fankahalana, fahamarinana sy tsy fahitsiana. Rehefa maneho ny fitiavan'i Kristy sy ny fahatsaran'ny fahamasinany ny olona iray dia misintaka amin'izay momba ny fanjakan'i Satana ary ny andrianan'ny ratsy kosa dia mifoha hanohitra izany. Miandry ireo rehetra feno ny Fanahin'i Kristy ny fanenjehana sy ny fanakianana. Miovaova araka ny fotoana ny endriky ny fanenjehana; saingy ny zava-kendreny tokana, dia ny hamono ny olom-boafidin'Andriamanitra izay efa hatramin'ny andron'i Abela.

Rehefa mikatsaka ny hifankazatra amin'Andriamanitra ny olona dia ho hitany fa tsy mbola tapitra ny ozon'ny hazo fijaliana. Ny manam-boninahitra sy ny manan-pahefana ary ny fanahy ratsy rehetra amin'ny toerana avo rehetra dia mivondrona hanohitra izay .mitonona ho mpakatô ny lalàn'ny lanitra. Noho izany, ny fanenjehana dia tokony hitondra fifaliana ho an'ny mpianatr'i Kristy fa tsy alahelo; satria maneho izany fa manaraka ny dian'ny Tompony izy (...)

Amin'ny alalan'ny fitsapana sy ny fanenjehana, no isehoan'ny voninahitr 'Andriamanitra sy ny toetrany amin'ny olom-boafidiny. — TFMB, 49,51. 

 

 

37