"Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana." — Mat. 5:7. 

Mofon'aina:

Matetika dia mangatsiaka, maizina ary tsy manam-pitiavana ny fon'olombe-lona; rehefa maneho ny toe-tsain'ny fiantrana sy ny famelan-keloka ny olona iray, dia tsy manao izany amin'ny heriny, fa amin'ny alalan'ny hery miasa mangina avy amin'ilay Andriamanitra Fanahy manetsika ny fony. "Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha." 

Andriamanitra no loharanon'ny fiantrana (sy ny famindrampo) rehetra. Ny anarany dia hoe "be famindrampo sy fahasoavana." Tsy mihevitra antsika araka ny faniasiavantsika Izy. Tsy mangataka antsika ho mendrika ny fitiavany Izy, kanefa mandrotsaka amintsika ny haren'ny fitiavany, mba hahatonga antsika ho mendrika izany. Tsy mihevitra ny hamaly ratsy Izy. Tsy mitady izay hanafay Izy fa ny hanavotra kosa. Na ny toetra hentitra izay asehony amin'ny alalan'ny fiheverany antsika aza dia mbola noho ny famonjena ilay nania. Maniry fatratra ny hanaisotra ny ozona eo amin'ny olona Izy (...) Izay rehetra manana fo mifankahazo amin'ny fon'ilay Fitiavana tsy manam-petra dia hikatsaka ny hamerina indray, fa tsy ny hanameloka. I Kristy izay mitoetra ao anatin'ny fanahy dia loharano tsy ho tapitra mandrakizay. Amin'izay rehetra hitoerany dia hisy zava-tsoa sesehena. 

Eo anatrehan'ny antso ilana vonjy ataon'ireo izay mania, azon'ny fakam-panahy, ampahorin'ny fahantrana sy ny ota, dia tsy hanontany ny Kristianina hoe mendrika izany ve izy ireo? Fa hoe kosa: ahoana no ahafahako mitondra soa ho azy ireo? Ao amin'izay ory indrindra sy lavo indrindra no ahitany fanahy izay nahafatesan'i Kristy mba hovonjena (...) Ny olona miantra dia ireo izay maneho fiaraha-miory amin'ny malahelo sy ny mijaly ary ny enjehina (...) — TFMB, 39-41.