"Ka dia hoy Jesôsy: rehefa asandratrareo ny Zanak'Olona, dia hofantatrareo fa Izaho no Izy, ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho, fa araka ny nampianarin'ny Raiko Ahy no ilazako izany zavatra izany. " - Jao. 8:28.
Mofon'aina :
Tokony hanandratra an'i Kristy ireo izay novonjeny tamin'ny fahafatesana nahamenatra teo amin'ny hazo fijaliana. Tsy maintsy manan-javatra hambara izay mabatsapa ny herin'ny fahasoavan'i Kristy. Mitady ny hampiharana ireo fomba fiasa maro izay hanapariahana ny filazantsaran'i Kristy izy. Ny olombelona izay manovo fahombiazana ao amin'Ilay loharano lehiben'ny fabendrena dia tonga fitaovana sy iraka miasa izay ampitan'ny filazantsara ny heriny manova ny saina sy ny fo (...)
Natao hampiasaina ho an'i Kristy avokoa ny herintsika rehetra. Izany no adidintsika tsirairay avy amin'Andriamanitra . Amin'ny alalan'ny famoronana fifandraisana amin'i Kristy dia miverina amin'ny fifandraisany taloha amin'Andriamanitra ny olom-baovao (...) Mivelatra eo amin'ny manodidina sy akaiky azy ary hatrany lavitra ny adidiny. Ny adidiny voalohany dia ny zanany sy ny havany akaiky. Tsy misy fialan-tsiny azony atao amin'ny fanaovana tsirambina ireo akaiky azy indrindra noho ny fivelarany amin'ireo any ivelany (...)
Misy ankohonana sasany manana fiangonana kely ao an-tokantranony. Mampifamatotra ny fo ny fitia mifamaly, ary ny firaisana misy eo anivon'ny mambran'ny fianakaviana dia manao ny toriteny mandaitra indrindra azo atao mikasika ny fiainana araka an'Andriamanitra. Rehefa manao amim pahatokiana ny andraikiny ao amin'ny fianakaviany ny ray aman-dreny, ka mifehy, manitsy, manoro hevitra ary mitarika - ny ray no mpisoron'ny ankohonana ary ny reny no misiônera ao an-tokantrano dia marneno ny sehatra asain'Andriamanitra fenoiny. Mampitombo ireo iraka hanao ny tsara any ivelan'ny tokantrano izy ireo rehefa manatanteraka amim-pahatokiana ny adidiny ao an-tokantranony. Manjary mendrika kokoa hanao ny asa any am-piangonana izy ireo. Tonga mpiara-miasa amin'Andriamanitra ny ray sy reny amin'ny alalan 'ny fanazarana amimpahanginana ireo andian'ondrikeliny, amin'ny fampiraiketana ny fon-janany aminy sy amin' Andriamanitra. Voaorina ao an-tokantranony ny hazo fijaliana. Tonga mambran'ny fianakavian'ny mpanjaka any an-danitra ny mambran'ny fianakaviany, zanaky ny mpanjakan'ny lanitra.- GCB, 1 Oktôbra 1899.