"Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehôvah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko (...) Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany" - Jer. 31:33,34. 

Mofon'aina :

Ny asa izay notendrena hataon'ny Kristianina eto amin'izao tontolo izao dia tsy ny hampietry velively ny lalàn'Andriamanitra, na ny hampihena, na dia kely akory aza, ny fahamasinany. Tsy izany velively fa ny hirakitra izany lalàna izany ao amin'ny saina sy ny fo. Rehefa miorina toy izany ao am-pon'ny mpino ny lalàn'Andriamanitra, dia manakaiky ny fiainana mandrakizay izy, amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Jesôsy (...)

Tratra ny tanjona lehibe kendren'ny filazantsara rehefa tanteraka io fikasana lehibe io. Ny asany hatrizay hatrizay dia ny hampiray ny fon'ireo mpanara-dia Azy ao anatin'ny toe-tsain'ny firahalahiana, amin'ny alalan'ny finoana ny fahamarinana. Ary amin'izany no ampiorenany eo amin'ny fianakavian'Andriamanitra eto an-tany ny rafi-pandaminan'ny lanitra, ka hisaina ho mendrika ny ho anisan'ny fianakavian'ny lanitra izy ireo. Mizaha toetra ny olombelona Andriamanitra, araka ny fahendreny sy ny famindrampony, mba hahitany raha mankatò ny feony sy manaja ny lalàny ireo, na mikomy toy izay nataon'i Satana (...)

Ny tanjon'Andriamanitra tamin'ny nanomezany ny lalàna ho an'ny taranak'olombelona lavo dia ny hahafahan'ny olona miarina avy amin'ny toerana ambany misy azy. Amin'izay dia ho tafaray amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesôsy izy ireo, ka hiseho eo amin'ny toetrany ny fiovana lehibe indrindra ara-pitondran-tena. Tsy maintsy mandalo amin'izany fiovana izany ny olona iray, raha tsy izany dia tsy hanan-toerana any amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy satria hitarika fikomiana any (...)

Hanova ny fisainantsika hifantoka amin'izay zavatra ambony sy maharitra mandrakizay ny lalàn'Andriamanitra mitoetra ao am-pontsika. — TFC, 3:397.