“Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô” Rôm. 8:15.

Mofon’aina:

Ao amin’ny fo no manomboka ny asa fanamasinana, ary tsy maintsy manana fifandraisana ety amin’Andriamanitra isika hahafahan’i Jesôsy, amin’ny maha-Andriamanitra Azy, mamolavola antsika. Tsy maintsy foanana ny maha-isika antsika mba hanomezana toerana ho an’i Jesôsy, firifiry anefa no manana fo feno sampy ka tsy manana toerana ho an’Ilay Mpamonjy izao tontolo izao intsony. Voafatotr’izao tontolo izao ny fon’ny olombelona. Lasa ivon’ny eritreriny sy ny fitiavany ny asa aman-draharahany, ny toerana misy azy, ary ny fianakaviany. Mifikitra amin’ny fiheverany sy ny fombany izy, ary andrianiny ao am-pony ireny, tsy afaka ny hanao ny fanompoana anefa isika, raha mifikitra amin’ny fombantsika sy ny hevitsika, ary manilika ny fahamarinan’Andriamanitra.

Tsy maintsy foanana aloha ny maha-isika antsika. Tsy izay ihany anefa no ilaina, satria tsy maintsy fenoina ny fahabangana rehefa nafoy ireo sampintsika. Raha mbola mahatsapa alahelo ny fo, raha mbola tsy voasolo ny banga, dia ho toy ny olona iray izay “foana, sady voafafa no voavoatra” ny tranony (Mat. 12:44), nefa tsy misy vahiny hiditra ao aokry. Ary dia nandeha izy ka nitondra fanahy fito hafa izay ratsy kokoa noho izy, dia niditra tao ireo ka nitoetra tao; ary ny faran’izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.

Mety hahatsapa ianao fa tsy hahazo ny fankasitrahan’ny lanitra mihitsy. Mety hilaza ianao hoe: “Efa tato anatiko hatramin’ny fahaterahako ny fironana amin’ny ratsy, ka tsy resiko mihitsy. “Nefa ny Raintsika izay any an-danitra dia efa nanao ny fandaminana  hahafahanao mandresy ny fironana tsy masina rehetra. Tsy maintsy handresy ianao tahaka ny efa nandresen’i Kristy ho anao. Hoy Izy: “Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambonin’ny seza fiandrianany” Apok. 3:21. Ny fahotana no nampididoza ny taranak’olombelona, fa talohan’ny namoronana ny olombelona no nanomanana ny drafitra hatao raha tsy mandresy amin’ny fitsapana ny olona, Jesôsy no ho sorona sy antoka ho azy, ka amin’ny finoana Azy no hamitrana ny fihavanana eo amin’Andriamanitra sy ny olona, fa i Kristy no Zanak’ondry “Izay voavono hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao” Apok. 13:8. Maty teo Kalvary i Kristy mba hahafahan’ny olombelona mandresy ny fironana hanota, amin’ny maha-olona azy.

Mety hisy hiteny hoe: “Tsy afaka hanana ny safidiko ve aho ka hanaraka izany?” Tsia, tsy afaka manao izay tianao ianao ka hiditra ny fanjakan’ny lanitra. Tsy misy “izay tiako any”. Tsy misy toerana ho an’ny sitrapon’olombelona any an-danitra, fa tokony ho ao amin’ny sitrapon’Andriamanitra no hita ny antsika. RH, 23 Febroary 1892.