“Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona” . Lio. 21:36

Mofon’aina:

Izay milaza ny tenany ho kristianina nefa tsy vita fiomanana akory rehefa miatrika io andro fahoriana io, dia hamoy fo ka hiaiky ny fahotany amin’ny teny mitory tebiteby mivaivay, ka hibitaka ny ratsy fanahy mahita ny fahoriany. Tsy misy antenaina ny tranga rehetra tahaka izany. Rehefa mitsangana i Kristy ka miala ao amin’ny efitra masina indrindra, dia manomboka ny andro fahoriana. Amin’izay ny ho anjaran’ny fanahy tsirairay avy dia efa tapaka, ary tsy hisy ra ho fanavotana sy ho fanadiovana ho afaka amin’ny fahotana sy ny fahalotoana intsony.  Raha miala ao amin’ny masina indrindra i Jesôsy dia milaza amin’ny feo hentitra sy amin’ny fahefan’ny mpanjaka manao hoe: “Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy; ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy. Indro, avy faingana Aho; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany” Apok. 22:11,12

Ireo izay nanemotra ny fiomanany ho amin’ny andron’Andriamanitra dia tsy hanam-potoana hanaovana izany amin’ny andro fahoriana, na amin’ny fotoana aorian’izany. Tsy hampitsahatra ny fitalahoany mafana sy lalina ho amin’ny fanafahana ny marina. Tsy hahatsiaro fahotana manokana nataony izy ireo, kanefa tsy nahita afa-tsy fahatsarana bitika teo amin’ny fiainany iray manontolo izy ireo. Efa voafafa mialoha ny fitsarana ny fahotan’izy ireo, ka ny famelan-keloka kosa no voarakitra ho solon’izany. Nentina tany amin’ny tanànan’ny fanadinoana ny helok’izy ireo, ka tsy tsaroany intsony. Hanambana azy ireo ny fandringanana azo antoka, kanefa, tahaka an’i Jakoba, tsy hamela ny finoany hihena noho ny tsy fahazoany valim-bavaka eo no ho eo izy  ireo. Na dia hijaly noho ny hanoanana aza izy ireo, dia tsy hampitsahatra velively ny fifonana ataony. Hifikitra amin’ny herin’Andriamanitra izy ireo, tahaka ny nifikiran’i Jakoba tamin’ilay anjely; ary ny ventson’ny fanahiny dia ny hoe: “Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho” Gen. 32:26

Io andro feno fahoriana sy tebiteby io dia hitaky ezaka mba hananana finoana matotra sy miorim-paka, finoana izay mahatanty fiandrasana ela sy hanoanana, ary tsy ho resin’ny fahalemena na dia voasedra mafy aza. Ny androm-pahasoavana no fotoana omena ny rehetra mba hiomanana ho amin’ny andron’i Jehovah.