“Dia nandroso ny tenin’Andriamanitra ; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema ; ary marobe kosa ny mpisorona nanaiky ny finoana » Asa. 6 :7
 
Mofon’aina :
 
Tahaka ny nandehanan’ireo mpianatra nitory ny filazantsara, rehefa fenon’ny herin’ny Fanahy izy ireo, dia tahaka izany koa no tsy maintsy handehanan’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Ao anatin’ny toe-tsaina feno faniriana tsy misy fitiavan-tena hizara ny hafa-pamindram-po amin’ireo ao anatin’ny haizin’ny hadisoana sy tsy finoana no tsy maintsy andraisantsika an-tanana ny asan’Andriamanitra. Omeny antsika ny anjara andraikitra hotanterahintsika miaraka Aminy, Izy kosa hanetsika ny fon’ireo tsy mpino mba hampandrosoana ny asany any amin’ireo faritra mbola tsy nidirana. Maro no efa nandray ny Fanahy Masina, ka tsy ho voasakan’ny tsy firaihana intsony ny lalana.

Nahoana no noraketina ny tantaran’ny asan’ny mpianatra, raha niasa tamin-jotom-po masina sy nohetsehin’ny Fanahy Masina izy ireo, raha tsy noho ny hoe avy amin’io fitantarana io no ahazoan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny aingam-panahy mba hiasa amin-kafanam-po ho Azy? Izay nataon’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tamin’izany fotoana izany dia tena ilaina, ary mihoatra noho izany aza, ny hanatanterahan’Andriamanitra izany ho an’ny vahoakany ankehitriny. Izay rehetra nataon’ny apôstôly dia tsy maintsy ataon’ny mambran’ny fiangonana tsirairay amin’izao vanim-potoana izao ihany koa. Ary tsy maintsy miasa amin-kafanam-po bebe kokoa isika, mba hiarahan’ny Fanahy Masina amintsika amin’ny fatra bebe kokoa, satria mitaky antso matotra kokoa ho amin’ny fibebahana ny fitomboan’ny faharatsiana. Na iza na iza no iposahan’ny fahazavan’ny fahamarinana ankehitriny dia tokony hihetsi-po noho ireo olona izay mbola ao anatin’ny haizina. Avy amin’ny mpino rehetra no tokony hipariahan’ny fahazavana amin’ny tara-pahazavana mazava sy miavaka. Asa mitovy amin’izay nataon’ny Tompo taorian’ny andro Pentekôsta tamin'ny alalan’ireo irany nomeny fahefana no andrasany hotanterahina ankehitriny. Amin’izao fotoana izao, raha efa antomotra ny fiafaran’ny zava-drehetra, dia tsy tokony hihoatra ny hafanam-pon’ny fiangonana voalohany ve ny hafanam-pon’ny fiangonana ankehitriny? Nanetsika ny mpianatra hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana tamin-kery lehibe ny hafanam-pony ho an’ny voninahitr’Andriamanitra. Tsy tokony hampiredareda ny fontsika amin’ny faniriana hitory ny tantaran’ilay fitiavana manavotra - ny tantaran’i Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ny hazo fijaliana – ve io hafanam-po io ? Tsy tokony haseho amin'ny fomba mahery vaika kokoa noho ny tamin´ny  andron’ny apôstôly ve ny herin’Andriamanitra amin’izao vanim-potoana izao?