"Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra. Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin' ny fiteniny avy izy rehetra. Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo? Koa ahoana no andrenesantsika amin'ny fitenintsika avy izay nahabe antsika?" — Asa. 2:5-8. 

Mofon’aina:

Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara ary nipetraka tamin'izy rehetra. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra; ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samihafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy." —Asa. 2:3,4. Naka ny endriky ny lela afo ny Fanahy Masina ka nipetraka tamin'izay nivory. Tandindon'ny fanomezana natao tamin'ny mpianatra tamin'izay izany, dia fanomezana izay nahatonga azy ireo ho afaka hanao ny fiteny fampiasa izay tsy mbola nahazatra azy hatramin'izay. Manambara zotom-po mafana izay tokony hoentin'ny Apostoly hiasa sy ny hery izay hanaraka ny asany ny fisehoan'ny afo.

"Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin'ny firenena samy hafa rehetra ambanin'ny lanitra" — Asa. 2:5. Nandritra ny fotoana niparitahan'ny Jiosy dia nihahaka saika tamin'ny faritry ny tany rehetra misy olona izy, ary nianatra teny samihafa tamin'ny toerana naha-sesitany azy. Maro no tao Jerosalema ireo Jiosy ireo tamin'io fotoana io, mba hanatrika ireo fetim-pivavahana izay nisy tamin'izay fotoana izay. Nisy solontena avokoa ny fiteny fantatra rehetra. Ho sakana lehibe teo amin'ny fitoriana ny hafatry ny Filazantsara io fahasamihafan'ny fiteny io; noho izany dia tamin'ny fomba mahagaga no namenoan'Andriamanitra ny banga teo amin'ny Apostoly. Nataon'ny Fanahy Masina ho azy izay tsy nety ho an'ny tenany nandritra ny androm-piainany. Afaka nitory ireo fahamarinan'ny filazantsara tany ivelany izy izao, satria nanavanana azy ny fitenin'ireo olona nampianariny. Famantarana mazava tsara ho an'izao tontolo izao io fanomezana mahagaga io, fa mitondra ny tombokasen'ny lanitra ny asa nampanaovina azy. Hatramin'io fotoana io dia nadio sy tsotra ary nazava ny fitenin'ny mpianatra raha nampiasa ny fitenin-drazany, na ny fiteny vahiny izy. — VM, tt. 36-37.