"Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an 'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?" — Lio. 11:13.
Mofon’aina:
Tsy azo araka ny tokony ho izy ny teny fikasana momba ny fanomezana ary tsy ankasitrahina araka ny tokony ho izy ireo tombontsoa azo fandraisana azy. Irin'Andriamanitra ny fiangonany hiorina amin'ny finoana ny teny fikasany ary hangataka ny herin'ny Fanahy Masina hanampy azy ireo amin’ny toerana rehetra. Manome toky antsika Izy fa iriny tokoa ny hanome ny Fanahy Masina ho an' ireo izay mangataka Aminy, mihoatra noho ny ray aman-dreny manome zava-tsoa ny zanany. Satria azon'ny tsirairay avy atao ny hahazo hosotra avy amin'ny lanitra dia, "tsy mila hampianarin'olona hianareo" - 1 Jao.. 2:27, ary tsy misy fialan-tsiny handavana andraikitra; tsy tokony hisy andraikitra ho la vina, na adidy handosirana . Kristy mihintsy no hery manavao, miasa ao anatiny na amin’ny alalan’ny mpanompo amin’ny alalan’ny Fanahiny Masina. Mampahomby ny asan’ireo rehetra maniry ny hilefitra amin’ny fitarihany ny fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra.
Miasa amin’ny saina rehetra izay misokatra handray ny fikasihan’ny Fanahiny Masina Andriamanitra. Mandefa iraka izay afaka ny manome fampitandremana amin’ny faritra rehetra Izy. Mitsara ny fanoloran-tenan’ny fiangonany sy ny fiainany hankatò ny fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra. Tokony hitombo ny fahalalana. Tokony hita etsy sy eroa ireo mpitondra hafatra, mikatsaka amin’ny fomba rehetra hampitandrina ny olona momba ny fitsarana ho avy ary maneho ny vaovao mahafaly ny famonjena amin’ny alalan’i Jesôsy Kristy Tompo. Tokony hasandratra ny fenitry ny fahamarinana.
Manetsika ny fon'ny olona ny Fanahin‘ Andriamanitra, ary ireo izay manaiky ny fiasany dia ho lasa fahazavan' izao tontolo izao. Amin'ny toerana rehetra no ahitana azy ireo mampita amin'ny hafa ny fahazavana noraisiny, tahaka ny maniry ny hilefitra amin'ny fitarihany ny nataon'izy ireo taorian'ny firotsahan'ny fiasan'ny Fanahin'Andriamanitra, Fanahy Masina tamin'ny andro Pentekosta. Ary rehefa mamela ny fahazavany hazava izy ireo dia handray ny herin'ny Fanahy misimisy kokoa. Nohazavain'ny voninahitr'Andriamanitra ny tany. — AUCR, 1 Aprily 1898.