"Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana; dia hamonjy anao Aho, ka hanome voninahitra Ahy hianao. " - Sal. 50:15. 

Mofon’aina:

Rehefa mitranga ny fizahan-toetra toa tsy hita hazavaina, dia tsy tokony havelantsika hosimbana ny fiadanantsika anaty. Na dia tsy rariny toy inona aza ny atao amintsika, dia toneo ny fo tsy ho tezitra. Manimba tena isika raha mampanaram-po toe-tsaina tia valifaty. Mandrava ny fahatokiantsika an'Andriamanitra isika, ary mampalahelo ny Fanahy Masina. Misy vavolombelona eo anilantsika, mpitondra hafatra avy any an-danitra, izay hanangana ho antsika faneva eo anoloan'ny fahavalo. Hanarona antsika amin'ny taratra mamirapiratry ny Masoandron'ny Fahamarinana izy. Tsy afaka mihoatra izany i Satana. Tsy tafatsofony io ampingan'ny fahazavana io. Mitombo amin'ny faharatsiana izao tontolo izao, tsy misy amintsika ilaina hamita-tena ka hilaza fa tsy misy manahirana antsika. Fa ireo zava-manahirana ireo indrindra no mitondra antsika eo amin'ny efitra fandraisana any amin'ny Avo Indrindra. Azontsika atao ny mangataka toro-hevitra amin'Ilay tsy manam-pahataperana amin'ny fahendrena. 

Hoy ny Tompo: "Antsoy Aho amin'ny andro fahoriana" — Sal. 50:15. Manasa antsika Izy hitalaho mafy Aminy sy hitondra eo anatrehany ny fahasahiranantsika, sy ny fahantrantsika ary ny hilantsika ny fanampian'Andriamanitra. Mibaiko antsika ho dodona eo amin'ny fivavahana Izy. Raha vantany vao mitranga ny zava-manahirana, dia tokony hatolotsika Azy ny fangatahantsika mafana dia mafana ny amin'izay tena midona marina amintsika. Ny fanantitranterintsika ny fivavahantsika dia maneho mazava ny fahatokiantsika an'Andriamanitra. Ny fahatsapantsika izay ilaintsika no mitarika antsika hivavaka amin-kafanam-po ary voatohina amin'ny fitalahoantsika ny Raintsika Izay any an-danitra. 

Matetika ireo izay miaritra ny faninitsiniana sy ny fanenjehana noho ny finoany no alaim-panahy hihevitra fa nandao azy Andriamanitra. Eo imason'ny olona dia vitsy an'isa izy. Raha ny fanombanana ety ivelany dia nandresy azy ny fahavalony. Nefa aoka tsy ho ketraka izy, fa Ilay efa nijaly ho azy, ka nitondra ny fahoriany sy ny fijaliany, dia tsy nandao azy. Tsy avela ho irery sy tsy manam-piarovana ny zanak'Andriamanitra. Manetsika ny sandrin'ny Tsitoha ny fivavahana. Ny fivavahana dia "nandresy ny fanjakana tamin'ny finoana, niasa fahamarinana, nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan'ny liona, namono ny fidedadedan'ny afo", - ho fantatsika ny hevitr'izany rehefa mandre ny tantaran'ireo maritiora maty noho ny finoany isika — "mampandositra ny miaramilan'ny firenena hafa" — Heb. 11:33,34. — HF, tt. 145-146.