“Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa” 1 Jao. 3:2

Mofon’aina:

Ho avy tsy ho ela eny amin’ny rahon’ny lanitra i Kristy, ary tsy maintsy vonona hitsena Azy isika ka tsy hisy pentina na ketrona na zavatra toy izany. Tokony hanaiky ny fanasan’i Kristy isika ankehitriny. Izao no nambarany: “Mankanesa aty Amiko hianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo” Mat. 11:28,29

Manan-danja amintsika amin’izao tontolo izao ny tenin’i Jesôsy tamin’i Nikodemosy nanao hoe: “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. Izay ateraky ny nofo dia nofo,ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe  tsy maintsy ateraka indray hianareo.Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny fanahy” Jao. 3:5-8

Tsy maintsy mitoetra ao am-po ny herin’Andriamanitra mitondra fanovana. Tsy maintsy mandalina ny fiainan’i Kristy isika ary maka tahaka ilay Ohatra avo indrindra. Tsy maintsy mitoetra ao amin’ny fahatanterahan’ny toetrany isika, ary ovana araka ny endriny; Tsy misy olona afaka hiditra ny fanjakan’Andriamanitra raha tsy mampangina ny filàny rehetra, raha tsy entina ho eo ambanin’ny sitrapon’i Kristy ny sitrapony.

Afaka amin’ny fahotana maro ny lanitra, afaka amin’ny faharatsiana sy ny tsy fahadiovana; ary raha toa ka hiaina ao anatin’ny tontolony isika, raha toa ka mibanjina ny voninahitr’i Kristy isika, dia tsy maintsy madio am-po, tanteraka ara-toetra amin’ny alalan’ny fahasoavany sy ny fahamarinany. Tsy tokony ho voafatotry ny fahafinaretana sy ny fitadiavam-pifaliana isika, fa hisandratra ho amin’ilay fitoerana izay efa omanin’i Kristy ho antsika. Raha toa ka mahatoky isika ka miezaka ny ho tonga fitahiana ho an’ny hafa, manana faharetana amin’ny fanaovana asa tsara, dia hosatrohan’i Kristy voninahitra sy haja ary tsy fahafatesana , amin’ny fotoana hiaviany .- RH, 28 Apr. 1891.