Fa isika rehetra kosaamin’ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin’ny voninahitra ka ho amin’ny voninahitra, toy ny avy amin’ny Tompo , dia ny Fanahy. 2 Kor. 3:18

Mofon’aina:

Asa mitohy ny asa fanovàna avy amin’ny tsy-fahamasinana. Miasa isan’andro isan’andro ho amin’ny fanamasinana ny olona Andriamanitra, ary tsy maintsy miara-miasa Aminy ny olona amin’ny alalan’ny fanaovana ezaka maharitra mba hambolena fahazarana tsara. Tsy maintsy manampy fahasoavana amin’ny fahasoavana izy; ary rehefa miasa tahaka izany eo amin’ny drafitrafanampiana tahaka izany izy, Andriamanitra kosa miasa ho azy eo amin’ny drafitra fampitomboana. Vonona mandrakariva ny hihaino sy hamaly ny vavaky ny torotoro fo ny Mpamonjintsika , ka ampitomboany ao amin’ireo mahatoky Azy ny fahasoavana sy ny fiadanana. Amim-pifaliana no anomezany azy ireo ny fitahiana ilainy eo amin’ny tolona amin’ny ratsy izay mianjady amin’izy ireo.

Fanehoana ireo izay mitonon-tena ho mpanara-dia an’i Kristy i Jaona sy i Jodasy. Samy nanana tombontsoa mitovy mba hianatra sy hanaraka ilay Ohatra avy amin’Andriamanitra ireo mpianatra roa ireo. Samy nifandray akaiky tamin’i Jesosy izy ireo, ary samy nanana tombontsoa hihaino ny fampianarany. Samy nanana ny kileman-toetrany ny tsirairay; ary samy nahazo ny fahasoavan’Andriamanitra izay manova ny toetra. Kanefa raha nianatra tamin’i Jesosy tamim-panetren-tena ny iray, ny iray kosa naneho fa tsy mpankato ny Teny izy, fa mpihaino fotsiny ihany. Ny iray, izay maty isan’andro amin’ny “izaho” sy mandresy fahotana, dia nohamasinina tamin’ny fahamarinana; ny iray kosa, izay manohitra ny hery manovan’ny fahasoavana sy mampanaram-po ireo faniriana feno fitiavan-tena, dia tafiditra tao amin’ny famatoran’i Satana.

Ny fiovan-toetra tahaka izay hita teo amin’ny fiainan’i Jaona dia mandrakariva vokatry ny fifandraisana amin’i Kristy. Mety misy kileman-toetra miharihary eo amin’ilay olona, kanefa rehefa tonga mpianatry Kristy marina izy, dia manova sy manamasina azy ny herin’ny fahasoavan’Andriamanitra . Rehefa mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin’ny fitaratra izy, dia hovàna avy amin’ny voniahitra ho amin’ny voniahitra, mandra-pitoviny amin’ilay tiany.

 

Manome voninahitra an’Andriamanitra ireo izay milaza ho mino Azy, raha toa ka manahaka ny endriny sy fehezin’ny Fanahiny irery ihany izy ireo. Amin’izay, amin’ny maha-vavolombelon’ny Mpamonjy azy ireo, dia afaka ny maneho ny zavatra izay nataon’ny fahasoavan’Andriamanitra teo aminy izy ireo.